Joba 16:1-22

16  Dia namaly i Joba hoe:   “Efa nandre zavatra maro toy izany aho.Mpampionona mandreraka daholo ianareo!+   Hisy farany ve izany teniteny foana izany?+Ary inona no mahasosotra anao, no mamaly ianao?   Izaho koa mba mahay miteny tahaka anareo.Raha ianareo anefa no teo amin’ny toerako,Izaho ve dia ho nanao teny tsara lahatra hanambaniana anareo,+Na ho nihivingivin-doha taminareo?+   Ho nampionona anareo tamin’ny teniko kosa aho,+Ary ny fampiononan’ny molotro dia ho nanamaivana...   Raha miteny aho, dia tsy mahasakana ny fahoriako izany.+Ary raha mangina aho, dia hampihena azy ve izany?   Izao anefa dia nataony reraka aho,+Ary nataony ripaka ny olona rehetra teo amiko.   Mihazona ahy koa ianao. Nanjary vavolombelona izany,+Ka vavolombelona miampanga ahy izao fahiazako izao. Eny, miampanga ahy eo anatrehako izany.   Nandrotidrotika ahy ny fahatezerany, ary mankahala+ ahy izy.Mihidy vazana amiko koa izy.+Manjary masiaka amiko ny mason’ny fahavaloko.+ 10  Nitanatana vava handrapaka ahy ny olona,+Ary namely tehamaina ahy, no sady nandatsa.Maro be izy ireo no nifarimbona niady tamiko.+ 11  Atolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ny zazalahy aho,Ary atosiny mafy ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy.+ 12  Efa mba nipetraka nilamindamina aho, nefa nokorontaniny.+Noraisiny tamin’ny hatoko aho ka natontany,Ary atsangany indray mba hataony lasibatra. 13  Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany.+Trobarany tsy ananany antra ny voako,+Ary ararany amin’ny tany ny aferoko. 14  Gorobahany tsy an-kijanona toy ny manda aho.Mihazakazaka miantoraka amiko toy ny lehilahy mahery izy.+ 15  Akanjo gony+ no nozairiko ka nataoko manolo-koditra,Ary nahosiko tamin’ny vovoka ny voninahitro.*+ 16  Boramena aho noho ny fitomaniana,+Ary misy haizim-pito eo amin’ny hodi-masoko,+ 17  Nefa izaho tsy manisy ratsy olona,Ary madio ny vavaka ataoko.+ 18  Ry tany ô, aza totofana ny rako!+Ary aoka tsy hisy toeram-pitsaharana ho an’ny fitarainako. 19  Ankehitriny dia misy manamarina ahy any an-danitra,Ary any amin’ny avo ny vavolombeloko.+ 20  Mpisolovava miampanga ahy ny namako,+Nefa Andriamanitra no andrandraiko ary tsy mikimpy mihitsy ny masoko.+ 21  Tokony havoaka ny didim-pitsarana amin’ny ady ifanaovan’ny lehilahy tomady sy Andriamanitra,Toy ny amin’ny ady ifanaovan’ny olona samy olona.+ 22  Fa taona vitsivitsy sisa,Dia handeha amin’ny lalana tsy hiverenako intsony aho.+

Fanamarihana

A.b.t.: “tandroko.”