Joba 17:1-16

17  “Lany ny heriko,+ ary tapitra ny androko.Ny fasana no mba anjarako.+   Esoin’ny olona aho,+Ary ny fikomian’izy ireo no ifantohan’ny masoko.   Tehirizo any aminao re ny fiantohana ahy e!+Fa iza indray moa no hifandray tanana+ amiko amin’izany?   Tsy navelanao ho malina izy ireo.+Izany no antony tsy anandratanao azy.   Asainy maka amin’izay ananany ny namany,Nefa ny zanany aza lali-maso.+   Efa nataon’Andriamanitra oha-teny fanarabiana+ ny anarako,Ka lasa ataon’ny olona fandrora ny tarehiko.+   Mihapahina ny masoko noho ny fahoriana,+Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.   Midanàka ny olo-marina rehefa mahita an’izany,Ary sosotra amin’ny mpivadi-pinoana ny tsy manan-tsiny.   Mifikitra amin’ny lalany ny olo-marina,+Ary mihamatanjaka+ ny madio tanana.+ 10  Afaka manohy ny teninareo ianareo rehetra. Koa tohizo àry!Fa tsy hitako izay hendry aminareo.+ 11  Lasa ny androko,+ ary rava ny fikasako,+Eny, ny fanirian’ny foko. 12  Ny alina no ataon’izy ireo ho solon’ny andro,+ ka hoy izy:‘Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.’ 13  Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana* no ho tranoko,+Ary ao amin’ny haizina+ no hamelarako ny fandrianako. 14  Ny lavaka+ no hantsoiko hoe: ‘Ianao no raiko!’Ary ny olitra,+ hoe: ‘Ianao no reniko sady anabaviko!’ 15  Koa aiza àry ny fanantenako?+Ary iza no mihevitra fa mbola misy azoko antenaina? 16  Ho any amin’ny bara hidin’ny Fasana* izany,Rehefa samy hidina any amin’ny vovoka avokoa izahay.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.