Joba 2:1-13

2  Tatỳ aoriana, tamin’ny andro voatondro, dia samy naka ny toerany teo anatrehan’i Jehovah ireo zanak’Andriamanitra, ary mba tonga teo amin’izy ireo koa i Satana, naka toerana teo anatrehan’i Jehovah.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Avy aiza ianao?” Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany sy nandehandeha teny aho.”+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko ve ianao+ fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany? Lehilahy tsy manan-tsiny izy, sady marina+ sy matahotra an’Andriamanitra+ ary mifady ny ratsy.+ Mbola tsy mivadika ihany izy,+ na dia mandrisika+ ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.”+  Dia namaly an’i Jehovah i Satana+ hoe: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.*+  Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.”+  Koa hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Eo am-pelatananao izy, fa ny ainy fotsiny no tandremo!”  Dia niala teo anatrehan’i Jehovah i Satana,+ ka nasiany vay+ mampanaintaina be i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.  Dia naka vakim-bilany tanimanga izy, hikikisany ny tenany. Ary nipetraka teo amin’ny lavenona izy.+  Farany, dia hoy ny vadiny taminy: “Mbola tsy mivadika amin’Andriamanitra ihany ve ianao?+ Manozòna an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho faty!” 10  Hoy anefa i Joba taminy: “Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala+ ny teninao. Ny soa ihany angaha no raisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa?”+ Tsy nanota i Joba tamin’izany teniny rehetra izany.+ 11  Ary rehefa ren’izy telo lahy naman’i Joba izany loza rehetra nanjo azy izany, dia tonga avy any amin’izay nisy azy avy izy ireo, dia i Elifaza Temanita,+ sy Bildada Sohita,+ ary Zofara Namatita.+ Dia nihaona izy ireo araka ny fotoana nifanaovany,+ ka nandeha nankany amin’i Joba mba hiara-miory aminy sy hampionona azy.+ 12  Rehefa nahatazana azy avy lavitra izy telo lahy, dia tsy nahafantatra azy. Ary nidradradradra nitomany izy ireo, ka samy nandrovitra+ ny akanjony ivelany tsy misy tanany, sady nanipy vovoka ho amin’ny lanitra, hiraraka eo amin’ny lohany.+ 13  Ary niara-nipetraka+ taminy teo amin’ny tany, fito andro sy fito alina izy telo lahy, nefa tsy nisy niteny taminy na indraim-bava aza, satria hitan’izy ireo fa tena mafy ny fahoriany.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.