Joba 20:1-29

20  Dia namaly i Zofara Namatita hoe:   “Koa mamaly ahy ireo hevitra mampikorontan-tsaina ahy,Noho ny tebiteby ato anatiko.   Fananarana manafintohina ahy no reko,Ary saina tsy mba mahiratra toy ny ahy no mamaly ahy.   Tsy fantatrao angaha hatramin’izay,Eny, hatramin’izay nametrahana ny olona teto an-tany,+   Fa vetivety fotsiny ny fihobian’ny ratsy fanahy,+Ary mihelina ihany ny fifalian’ny mpivadi-pinoana?   Na manakatra ny lanitra aza ny fahamboniany,+Ary mipaka amin’ny rahona ny lohany,   Dia ho levona mandrakizay toy ny zeziny izy.+Ireo nahita azy dia hanao hoe: ‘Fa aiza izy?’+   Hanidina toy ny nofy izy ka tsy ho hitan’izy ireo,Ary horoahina toy ny fahitana amin’ny alina.+   Tsy hahita azy intsony ny maso efa nahatsikaritra azy.+Tsy hahita azy intsony koa ny toerana nisy azy.+ 10  Hila sitraka amin’ny olona ambany ny zanany.Ary hamerina ny zava-tsarobidin’ny olona izy.+ 11  Feno ny herin’ny fahatanorany ny taolany,Nefa hiara-mandry aminy ao amin’ny vovoka izany hery izany.+ 12  Raha mamy ao am-bavany ny zava-dratsy,Ka levoniny ao ambany lelany, 13  Ary raha ankafiziny izany ka tsy foiny,Sady tehiriziny ao amin’ny lanilaniny, 14  Dia hiova ao amin’ny tsinainy ny sakafony,Ary ho toy ny poizin’ny kôbrà izany ao anatiny. 15  Nitelina harena izy, nefa haloany indray izany.Holoaran’Andriamanitra avy ao an-kibony izany. 16  Hitsentsitra ny poizin’ny kôbrà izy,Ary hahafaty azy ny lelan’ny bibilava misy poizina.+ 17  Tsy ho hitany intsony ny renirano mikoriana,+Eny, ny tantely sy ny dibera mikoriana be dia be. 18  Haveriny ny fananana azony, fa tsy ho azony atelina,Dia toy ny harena azony tamin’ny varotra, izay tsy ho azony ifaliana.+ 19  Namotipotika izy, ary nafoiny ny olona ambany.Nalainy an-keriny ny trano izay tsy naoriny.+ 20  Tsy hilamin-tsaina mihitsy izy.Tsy ho afa-mandositra izy na eo aza ny zava-tsarobidiny.+ 21  Tsy misy na inona na inona intsony azony arapaka.Koa tsy haharitra ny fiadanany. 22  Hitebiteby izy na dia milomano ao anatin’ny harem-be aza.+Hiharam-pahavoazana faran’izay mafy izy. 23  Mba hamenoana ny kibony,Dia aoka Andriamanitra handefa aminy ny fahatezerany mafy,+Sady handrotsaka izany aminy, ho tonga hatrany amin’ny tsinainy. 24  Handositra+ fiadiana vy izy.Ary hanatrobaka azy ny tsipìka varahina. 25  Hiboroaka avy eo andamosiny ny zana-tsipìka,Ary hiboroaka avy eo amin’ny aferony ny fitaovam-piadiana manjelatra.+Hisy zava-mampihoron-koditra hamely azy.+ 26  Fahamaizinana tanteraka no ho anjaran’ny zava-tsarobidy notehiriziny.Afo tsy nisy nikopaka no handevona azy,+Ary ho voa mafy izay sisa tsy maty ao an-tranolainy. 27  Hampiharihary ny fahadisoany ny lanitra,+Ary hikomy aminy ny tany. 28  Hakodiadian’ny oram-be ny tranony.Ary hisy zavatra be dia be hirotsaka rehefa tonga ny andron’ny fahatezeran’Andriamanitra.+ 29  Izany no anjara atokan’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy,+Dia ny lovany avy amin’Andriamanitra, araka ny efa voambara.”

Fanamarihana