Joba 22:1-30

22  Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:   “Mila olona tomady angaha moa Andriamanitra+Sa izy mila olona lalin-tsaina?   Ho finaritra ve ilay Mahery Indrindra raha marina ianao,+Sa misy tombony ho azy raha ataonao tsy misy hokianina ny fiainanao?+   Ny fanajanao azy ve no hananarany anao,Ary noho izany ve no hitondrany anao any amin’ny fitsarana?+   Tsy efa be loatra ve ny faharatsianao?+Ary hanao fahadisoana foana ve ianao?   Fa maka antoka tsy ahoan-tsy ahoana amin’ny rahalahinao ianao,+Ary manendaka ny akanjon’ny olona efa zara raha mitafy.   Tsy manome rano hosotroin’ny reraka ianao,Ary tsy mahafoy hanina ho an’ny noana.+   Ny be sandry no tompon’ny tany,+Ary izay iangarana no monina ao.   Nataonao nody maina ny vehivavy mpitondratena,Ary tsy manan-kery intsony ny ankizilahy kamboty ray.+ 10  Izany no antony mampisy fandri-borona manodidina anao,+Sy zava-mampahatahotra tampoka mampihorohoro anao, 11  Sy haizina mahatonga anao tsy hahita,Ary rano be misamboaravoara mandifotra anao. 12  Tsy avo tahaka ny lanitra ve Andriamanitra?+Jereo koa fa avo ny fitambaran’ny kintana.+ 13  Hoy anefa ianao: ‘Inona moa no fantatr’Andriamanitra?Angaha izy afaka mitsara avy ao ambadiky ny haizim-pito? 14  Toeram-piafenany ny rahona ka tsy mahita izy,Ary mandehandeha eny amin’ny andohalambon’ny lanitra izy.’ 15  Moa ve ianao mbola hanaraka ihany ny lalana efa nisy hatrizay,Izay nandehanan’ny olon-dratsy? 16  Nindaosina talohan’ny fotoana ireny olona ireny,+Ary mirodana hatrany amin’ny fotony+ ny fiainany. 17  Hoy ireny amin’ilay tena Andriamanitra: ‘Mialà aminay!+Inona moa no azon’ilay Mahery Indrindra atao aminay?’ 18  Andriamanitra anefa no nameno zava-tsoa ny tranon’ireny.+Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy!+ 19  Hahita ny fahavoazan’ireny ny marina ka hifaly,+Ary haneso an’ireny ny olona tsy manan-tsiny, ka hanao hoe: 20  ‘Ringana ny fahavalontsika,Ary ho levon’ny afo izay sisa miangana aminy.’ 21  Mba ataovy izay hahafantaranao tsara an’Andriamanitra, ka mihavàna aminy,Dia hahazo zava-tsoa ianao. 22  Mba raiso ny lalàna avy amin’ny vavany,Ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.+ 23  Raha miverina amin’ilay Mahery Indrindra ianao,+ dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao.Raha ataonao lavitra ny tranolainao ny tsy fahamarinana, 24  Ka ataonao eny amin’ny vovoka ny volamena sarobidy,Ary eny amin’ny vaton’ny lohasaha falehan-driaka ny volamena avy any Ofira,+ 25  Dia ilay Mahery Indrindra no ho toy ny volamena sarobidy ho anao,Sy ho toy ny volafotsy tsara indrindra ho anao.+ 26  Amin’izay dia ho finaritra tanteraka amin’ilay Mahery Indrindra ianao,+Ary hanandrandra ny lohanao amin’Andriamanitra.+ 27  Hitalaho aminy ianao, dia hihaino anao izy.+Ary hanefa ny voadinao ianao.+ 28  Hanapa-kevitra ianao, dia ho tanteraka aminao izany.Ary hamirapiratra amin’ny lalanao ny fahazavana.+ 29  Haetry ianao raha mizahozaho,+Fa ny manetry tena kosa no hovonjeny.+ 30  Hamonjy ny tsy manan-tsiny izy.+Ary ho voavonjy ianao noho ny fahadiovan’ny tananao.”+

Fanamarihana