Joba 23:1-17

23  Dia namaly i Joba hoe:   “Na ankehitriny aza dia fikomiana izao tebitebiko izao.+Mavesatra ny tanako noho ny fisentoako.   Raha mba fantatro mantsy izay mety hahitako Azy,+Dia hankany amin’ny toerana misy azy aho!+   Hoentiko eo anatrehany ny adiko,Ary hataoko eo am-bavako avokoa izay teny havaliko.   Ho azoko ny hevitry ny teny avaliny ahy,Ary hoeritreretiko izay lazainy amiko.+   Hiady amiko ve izy ka hampiasa ny heriny lehibe?Tsia, fa hihaino ahy tokoa izy.+   Amin’izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,Ary ho afaka madiodio mandrakizay aho, eo anatrehan’ny mpitsara ahy.   Miantsinanana aho, nefa tsy any izy,Ary miverina indray aho, nefa tsy mahita azy.+   Mandeha miankavia any amin’izay iasany aho, nefa tsy mahita azy.Mivily miankavanana izy, nefa tsy hitako. 10  Fantany tsara izay alehako.+Aorian’ny fisedrany ahy, dia ho toy ny volamena voadio aho.+ 11  Manaraka ny diany ny tongotro,Ary mizotra amin’ny lalany aho, ka tsy mivily miala amin’izany.+ 12  Tsy miala amin’ny didy nambarany aho.+Mihoatra noho izay takina amiko ny fankamamiako ny teny aloaky ny vavany.+ 13  Tokana ihany ny ao an-tsainy, ka iza no mahatohitra azy?+Na inona na inona faniriany dia hotanterahiny.+ 14  Hotanterahiny hatramin’ny farany ny didiny momba ahy,+Ary be dia be ny zavatra toy izany ataony. 15  Izany no mahatonga ahy hikorontan-tsaina noho ny aminy.Misaintsaina an’izany aho, dia matahotra azy.+ 16  Nanao izay hahakivy ny foko Andriamanitra,+Ary nampikorontan-tsaina ahy ilay Mahery Indrindra.+ 17  Tsy nahatonga ahy hangina ny haizina,Na ny haizim-pito izay mandrakotra ny tavako.

Fanamarihana