Joba 24:1-25

24  “Nahoana no tsy nanendry fotoam-pitsarana ilay Mahery Indrindra?+Ary nahoana no tsy nahatsikaritra izany andro izany ny olona mahafantatra Azy?+   Ao ireo mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona.+Naka an-keriny andiam-biby izy, mba handrasany.   Roahiny ny ampondran’ny ankizilahy kamboty ray,Ary alainy ho antoka ny ombin’ny vehivavy mpitondratena.+   Aviliny hiala amin’ny lalana ny mahantra,+Ary mandritra izany fotoana izany dia miafina ny ory eto an-tany.   Toy ny zebra+ any an-tany efitra,Dia lasa nanao ny asany ireo mahantra, nitady sakafo.Ny tany lemaka karakaina no ahazoan’ny tsirairay aminy sakafo ho an-janany.   Maka vilona eny an-tsaha izy ireo,Ary robainy haingana ny tanimboaloboky ny ratsy fanahy.   Mitanjaka izy ireo matory amin’ny alina fa tsy miakanjo,+Ary tsy manan-damba irakofana amin’ny hatsiaka.+   Kotsan’ny oram-baratra eny an-tendrombohitra izy,Ary mitampify eo amin’ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.+   Alain’ny ratsy fanahy eny an-tratran-dreniny ny kamboty ray,+Ary alainy ho antoka izay eny an-koditry ny ory.+ 10  Mandehandeha mitanjaka ireo ory fa tsy miakanjo,Ary noana nefa tsy maintsy mitondra ny salohim-bary voajinja.+ 11  Eny anelanelan’ny voly mikitohatohatra no misy azy amin’ny mitataovovonana.Manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy ireo, nefa mangetaheta.+ 12  Re hatrany ivelan’ny tanàna ny fitronan’ny olona miala aina,Ary miantso vonjy ny olona maratra mafy efa ho faty.+Tsy ahoan’Andriamanitra akory anefa izany.+ 13  Ny ratsy fanahy kosa dia anisan’ireo nikomy tamin’ny hazavana.+Tsy nahafantatra ny lalan’ny hazavana izy ireo,Ary tsy naharitra tamin’izany. 14  Rehefa mazava ny andro, dia mifoha ny mpamono olona,Ka mamono ny ory sy ny mahantra.+Ary lasa mpangalatra izy amin’ny alina.+ 15  Ny mason’ny mpanitsakitsa-bady+ kosa dia miandry takariva maizimaizina,+Ary milaza izy hoe: ‘Tsy hisy hahita ahy!’+Saronany koa ny tarehiny. 16  Mamaky trano ny mpangalatra rehefa maizina ny andro,Ary mihidy ao an-trano izy amin’ny antoandro.Tsy mba fantany ny mazava.+ 17  Amin’ny ratsy fanahy, dia toy ny haizim-pito+ ihany ny maraina.Efa mahazatra azy mantsy ny horohoro tampoka ateraky ny haizim-pito. 18  Indaosin’ny rano izy,Ary ho voaozona ny sombin-taniny eto an-tany.+Tsy hiverina any amin’ny tanimboalobony intsony izy. 19  Toy ny andevonan’ny hain-tany sy ny hafanana ny rano avy amin’ny lanezy,No andevonan’ny Fasana* ny mpanota.+ 20  Hanadino azy ny kibo nitoerany, ary ho faly hitsentsitra azy ny olitra.+Tsy hotsarovana intsony izy.+Ho tapaka tahaka ny hazo ny tsy fahamarinana.+ 21  Ampahoriny ny vehivavy momba izay tsy miteraka.Ary tsy mba manao soa amin’ny vehivavy mpitondratena+ izy. 22  Hindaosin’Andriamanitra amin-kery ny olona matanjaka.Hitsangana ny mpanota nefa tsy ho azony antoka akory raha ho velona ny tenany. 23  Avelan’Andriamanitra ny ratsy fanahy hatoky+ hoe mahavita tena izy,Nefa harahiny maso foana izay hataon’ireny.+ 24  Nisandratra vetivety ny ratsy fanahy, dia tsy hita intsony.+Naetry izy ireo,+ ary otazana toy ny olon-drehetra,Sady tangosana toy ny salohim-bary. 25  Koa iza àry no hilaza ahy ho mpandainga,Na hanao tsinontsinona ny teniko?”

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.