Joba 25:1-6

25  Dia namaly i Bildada+ Sohita hoe:   “Izy no manana fahefana sy mahatonga horohoro.+Ary mampisy fihavanana any amin’ireo toerany avo izy.   Voaisa ve ny miaramilany?Ary iza no tsy iposahan’ny hazavany?   Koa ahoana no hahamarina ny olombelona mety maty, raha eo anatrehan’Andriamanitra?+Ary ahoana no hampahadio ny olona atera-behivavy?+   Ny volana aza tsy mamiratra,Ary na ny kintana aza tsy madio eo imasony,   Koa mainka fa ny olombelona mety maty, izay olitra ihany,Ary ny zanak’olombelona, izay kankana ihany!”+

Fanamarihana