Joba 26:1-14

26  Ary namaly i Joba hoe:   “Izato mba fanampianao ny tsy manan-kery e!Izato mba famonjenao ny sandrin’ny lany hery e!+   Tena nanolo-tsaina ny tsy manam-pahendrena tokoa ianao,+Ary nampahafantatra ny fahendrena tamin’ny maro!   Fa iza no iresahanao e?Ary avy amin’iza ny hevitra naloaky ny vavanao?   Ny maty izay tsy mahefa na inona na inona, dia tora-kovitraAny ambanin’ny rano sy any ambanin’ny zavaboary ao anaty rano.+   Mihanjahanja eo anatrehany ny Fasana,*+Ary tsy misarona ny toerana mahalò ny nofo.   Velariny eo amin’ny babangoana ny lanitra avaratra,+Ary ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.   Fonosiny ao anaty rahona ny rano,+Ka tsy triatra ny rahona eo ambanin’izany rano izany.   Saronany ny seza fiandrianany,Ka ny rahona no velariny hanarona azy.+ 10  Nasiany faribolana manodidina ny rano,+Eo amin’ny fisarahan’ny mazava sy ny maizina. 11  Mihozongozona ny andrin’ny lanitra,Sady gaga amin’ny fananaran’Andriamanitra. 12  Ny heriny no nentiny nampisamboaravoara ny ranomasina,+Ary ny fahiratan-tsainy no namotipotehany+ ny mpanafika.*+ 13  Ny fofonainy no nentiny nampangirana ny lanitra.+Nanatrobaka ny bibilava mitsoriaka ny tanany.+ 14  Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany,+Ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy!Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Angamba biby goavam-be any an-dranomasina.