Joba 27:1-23

27  Ary nanohy ny teniny i Joba ka nanao izao oha-teny+ izao:   “Raha mbola velona koa Andriamanitra,+ izay tsy nety nanome rariny ahy,+Eny, raha mbola velona koa ilay Mahery Indrindra, izay nampangidy ny fiainako,+   Raha mbola manam-pofonaina koa aho,Ka mbola misy aina* avy amin’Andriamanitra eo am-bavoroko,+   Dia tsy hiteny zavatra tsy marina ny molotro,Ary tsy hilaza fitaka ny lelako!   Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo!+Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.+   Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro.+Tsy hanome tsiny ahy na oviana na oviana ny foko.+   Enga anie ny fahavaloko ho lasa ratsy fanahy tanteraka,+Ary ilay mikomy amiko ho lasa mpanao ratsy!   Fa inona moa ny fanantenan’ny mpivadi-pinoana raha aringan’Andriamanitra izy,+Ka esorin’Andriamanitra ny ainy?+   Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra,Raha azom-pahoriana izy?+ 10  Ho finaritra tanteraka amin’ilay Mahery Indrindra ve izy?Hiantso an’Andriamanitra mandrakariva ve izy? 11  Ny zavatra nataon’Andriamanitra no hoentiko mampianatra anareo,Ary tsy hafeniko ny hevitr’ilay Mahery Indrindra.+ 12  Efa nahazo fahitana daholo ianareo.Nahoana anefa ianareo izao no toy ny olona tsy misy ilana azy?+ 13  Izao no anjara atokan’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy,+Ary ny lovan’ny olon-dozabe dia ho azony avy amin’ilay Mahery Indrindra: 14  Ho fatin-tsabatra ny zanany, na dia mihamaro aza,+Ary tsy ho ampy sakafo ny taranany. 15  Rehefa misy areti-mandringana, dia halevina izay sisa miangana amin’ny taranany,Nefa ny mpitondratenany dia tsy hitomany.+ 16  Na manangona volafotsy maro be toy ny vovoka aza izy,Sy mampiavosa akanjo toy ny tanimanga, 17  Dia aoka izy hanangona, fa ny olo-marina no hitafy izany,+Ary ny tsy manan-tsiny no hanana anjara amin’ny volafotsy. 18  Ny tranon’ny ratsy fanahy dia nataony toy ny tranon’ny koroka,Sy toy ny trano rantsankazo+ namboarin’ny mpiandry voly. 19  Manankarena izy rehefa hatory, nefa avy eo tsy hisy vokatra hiakatra.Hanokatra ny masony izy, nefa tsy hisy na inona na inona intsony.+ 20  Hahatratra azy tahaka ny riaka ny horohoro tampoka.+Hopaohin’ny tafio-drivotra izy amin’ny alina. 21  Tsy ho eo intsony izy, fa hoentin’ny rivotra avy any atsinanana,+Ka hahodinkodiny hiala amin’ny toerany.+ 22  Hamely azy izany ary tsy hiantra azy,+Ka ho voatery handositra ny herin’izany izy.+ 23  Hitehaka haneso azy ny olona,+Sady hisioka+ azy, avy eo amin’ny toerana nisy azy.

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.