Joba 29:1-25

29  Ary nanohy ny teniny i Joba, ka nanao izao oha-teny izao:   “Raha mba toy ny tamin’ireo volana lasa mantsy ny fiainako!+Eny, toy ny tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy,+   Fony izy nampamirapiratra ny jirony teo ambony lohako,Ka ny fahazavany no nitsilo ny diako tao amin’ny haizina,+   Toy ny tamin’ny andro mbola nananako ny heriko manontolo,+Sy nisian’ny fisakaizan’Andriamanitra tao an-tranolaiko,+   Fony mbola teo anilako ilay Mahery Indrindra,Ary nanodidina ahy ny mpanompoko rehetra,   Fony aho nanasa ny lalako tamin’ny dibera,Ary niboiboika menaka ho ahy ny vatolampy,+   Fony aho nankeo am-bavahadin’ny tanàna,+Ka nanomana ny toerako teo amin’ny tany malalaky ny tanàna!+   Nahita ahy ny ankizilahy ka niafina,Ary nitsangana ny zokiolona ka nijoro.+   Tsy sahy niteny ny andriana,Fa nitampim-bava.+ 10  Tsy nahaloa-peo ny mpitarika,Fa niraikitra tamin’ny lanilaniny ny lelany.+ 11  Ny sofina izay nandre dia nilaza hoe sambatra aho,Ary ny maso izay nahita dia nidera ahy. 12  Fa novonjeko ny ory izay niantso vonjy,+Sy ny kamboty ray, ary ny tsy nanan-kamonjy.+ 13  Nahazo tsodrano+ avy tamin’ny olona efa saika maty aho.Ary nampifaliko ny fon’ny mpitondratena.+ 14  Nitafy ny fahamarinana aho, ary izy koa nanarona ahy.+Toy ny akanjo ivelany tsy misy tanany sy toy ny fehiloha, ny fampiharako ny rariny. 15  Nanjary maso ho an’ny jamba aho,+Sady tongotra ho an’ny malemy. 16  Ray ho an’ny mahantra aho,+Ary namotopototra ny adin’olona tsy fantatro.+ 17  Nopotehiko ny valanoranon’ny mpanao ratsy,+Ary norombahiko teny am-bavany ny remby azony. 18  Niteny aho hoe: ‘Ao amin’ny akaniko ihany aho no hiala aina,+Ary hataoko maro toy ny fasika ny androko.+ 19  Azon-drano tsara ny fakako,+Ary hisy ando foana ny sampako, mandritra ny alina. 20  Mihavao mandrakariva ny voninahitro,Ary ny tanako hitifitra foana amin’ny tsipìkako.’ 21  Nihaino ahy ny olona. Niandry izy ireoSady nangina mba hihaino ny torohevitro.+ 22  Tsy niteny intsony izy ireo rehefa avy niteny aho.Ary nirotsaka moramora taminy ny teniko.+ 23  Niandry ahy toy ny fiandry orana izy ireo,+Ary nitanatana vava niandry ny oran-dohataona.+ 24  Tsy nino izy ireo rehefa nitsikiako.Ary tsy nahamaloka ny endriko+ miramirana izy ireo. 25  Nifidy ny lalana alehany aho, ary izaho no lohany.Toy ny mpanjaka teo amin’ny andia-miaramila aho,+Ary toy ny mpampionona ny malahelo.+

Fanamarihana