Joba 3:1-26

3  Taorian’izany dia niloa-bava i Joba ka nanozona ny androny.+  Ary hoy izy:   “Ho foana anie ilay andro nahaterahako,+Sy ilay alina nilazana hoe: ‘Misy lehilahy vao miforona ao am-bohoka!’   Ho maizina anie izany andro izany!Tsy hiraharaha an’izany anie Andriamanitra, avy any ambony any,Ary tsy hamiratra amin’izany anie ny hazavan’ny andro!   Haka azy indray anie ny haizina sy ny haizim-pito!Hisy rahona mitatao anie eo aminy,Ary hampihorohoro azy anie ny zavatra manamaizina ny andro!+   Ary ilay alina kosa, dia aoka horombahin’ny haizina.+Enga anie izy tsy hiara-mifaly amin’ireo andro ao anatin’ny taona,Sady tsy hisaina ho isan’ireo volana!   Enga anie tsy hamokatra izany alina izany,Sady tsy hisy antsoantsom-pifaliana ao aminy!+   Hanozona azy anie ny mpanozona ny andro,Dia ireo vonona hanaitra voaibe!*+   Hihamaizina anie ny kintan’ny marainany!Hiandry ny mazava anie izy nefa tsy hisy izany,Ary tsy ho hitany anie ny taratry ny mazava ratsy! 10  Fa tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’ny reniko izy,+Ka tsy nanafina ny fahoriana tsy ho hitan’ny masoko. 11  Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e?+Nahoana aho no tsy niala aina raha vao nivoaka avy tao an-kibo? 12  Nahoana no nisy lohalika nandray ahy,Sy nono+ hinonoako? 13  Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho ka tsy nisy nanabataba,+Ary efa natory, ka niala sasatra+ 14  Niaraka tamin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainan’ny tany,+Izay manorina toerana aolo ho an’ny tenany,+ 15  Na niaraka tamin’ny andriana manana volamena, Izay mameno ny tranony amin’ny volafotsy. 16  Ary tsy tokony ho velona koa aho, toy ny zaza vao mitsaika nefa afaka,+ sady tsy fantatry ny reniny akory ny fisiany,Eny, toy ny zaza tsy nahita masoandro.+ 17  Any am-pasana ny ratsy fanahy no tsy mitebiteby intsony,+Ary any ireo osa no miala sasatra.+ 18  Any ny voafonja rehetra no miadana,Fa tsy mandre ny feon’izay manery azy hiasa.+ 19  Any dia mitovy ihany, na ny kely na ny lehibe,+Ary afaka amin’ny tompony ny mpanompo. 20  Nahoana no ataony mahita masoandro ny olona azom-pahoriana,Ary omeny fiainana ny olona ory dia ory?+ 21  Nahoana no misy olona manantena fahafatesana nefa tsy tonga izany,+Na dia karohiny mihoatra noho ny harena miafina aza? 22  Faly be izy ireo,Eny, dibo-kafaliana fa mahita fasana. 23  Nahoana no ataon’Andriamanitra mahita masoandro ny lehilahy tomady izay tapi-dalan-kaleha,+Sady efa nofefeny manodidina?+ 24  Fa tonga alohan’ny sakafoko ny sentoko,+Ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako.+ 25  Fa ilay zavatra mampihorohoro izay natahorako mihitsy no mihatra amiko,Eny, ilay natahorako no manjo ahy.+ 26  Tsy hoe nilamina ny fiainako, na hoe tsy nisy nanakorontana,Ary tsy hoe nilamin-tsaina aho, nefa mbola tonga ihany ny tebiteby.”

Fanamarihana

Heb.: Leviatana.