Joba 32:1-22

32  Koa tsy namaly an’i Joba intsony izy telo lahy, satria i Joba nihevi-tena ho marina.+  Tezitra be kosa i Eliho zanak’i Barakela Bozita,+ avy amin’ny fianakavian’i Rama. Tezitra mafy tamin’i Joba izy, satria nolazain’i Joba fa ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.+  Tezitra mafy tamin’ny naman’i Joba telo lahy koa izy, satria tsy nanan-kavaly ireo fa nilaza an’Andriamanitra ho ratsy fanahy kosa.+  Ary niandry ny tenin’i Joba ho tapitra i Eliho vao niteny, satria izy ireo ela niainana kokoa noho izy.+  Rehefa hitan’i Eliho fa tsy nanan-kavaly+ intsony izy telo lahy, dia vao mainka tezitra be izy.  Dia hoy ny navalin’i Eliho zanak’i Barakela Bozita: “Mbola tanora aho,Fa ianareo kosa efa zokiolona.+Koa izany no natahorako sy tsy nahasahiako Nilaza taminareo izay fantatro.   Fa hoy aho: ‘Izay ela niainana no aoka hiteny,Ary izay be taona no aoka hampahafantatra ny fahendrena.’+   Fa ny fanahin’Andriamanitra izay ao anatin’ny olombelona mety maty,Sy ny fofonain’ilay Mahery Indrindra no manome azy fahiratan-tsaina.+   Tsy izay ela niainana ihany no hendry,+Na izay be taona ihany no mahay mitsara.+ 10  Koa hoy aho: ‘Mihainoa ahy,Fa izaho hilaza izay fantatro.’ 11  Niandry ny teninareo ho tapitra aho,Ary nihaino ny hevitra nalahatrareo.+Niandry aho mandra-pahitanareo izay holazainareo. 12  Eny, nihaino tsara anareo aho,Kanjo tsy nisy naharesy lahatra an’i Joba ianareo,Na nahavaly ny teniny. 13  Noho izany dia tsy tokony hilaza ianareo hoe: ‘Efa nahita fahendrena izahay.+Andriamanitra no miteny azy mafy fa tsy olona.’ 14  Tsy nandahatra teny hamelezana ahy izy,Koa tsy ny teninareo no hamaliako azy. 15  Nihorohoro izy ireo ka tsy namaly intsony,Ary tsy nahita hotenenina intsony koa. 16  Niandry aho, nefa tsy nanohy ny teniny izy ireo.Teo fotsiny izy ireo fa tsy namaly intsony. 17  Izaho indray izao no hamaly,Eny, izaho hilaza izay fantatro. 18  Fa nanjary manan-javatra be dia be holazaina aho.Ary manery+ ahy avy ato anatiko ny fanahin’Andriamanitra. 19  Ny ato an-kiboko dia toy ny divay mandroadroatra, tsy misy lalan-kivoahana,Ary toy ny siny hoditra vaovao mitady ho triatra.+ 20  Koa aleo aho hiteny mba ho maivamaivana.Hiloa-bava aho ka hamaly.+ 21  Tsy mba hizaha tavan’olona aho,+Na handoka olombelona amin’ny anaram-boninahitra.+ 22  Fa tsy mba haiko ny mandoka olona amin’ny anaram-boninahitra,Sao hanaisotra ahy haingana ny Mpanao+ ahy.

Fanamarihana