Joba 33:1-33

33  “Mba henoy anefa ny teniko, ry Joba,Eny, henoy izay lazaiko rehetra.   Mihainoa, azafady, fa hiloa-bava aho,Ary hiteny ny lelako miaraka amin’ny lanilaniko.+   Amin-kitsim-po no itenenako,+Ary fahalalana no lazaiko amim-pahatsorana.+   Ny fanahin’Andriamanitra no nanao ahy,+Ary ny fofonain’ilay Mahery Indrindra no nahatonga ahy ho velona.+   Valio aho raha afaka mamaly ahy ianao.Alaharo eto anatrehako ny teninao, ka miomàna hifandahatra amiko.   Fa tahaka anao ihany aho, eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra,+Ary mba novolavolaina tamin’ny tanimanga+ koa.   Tsy misy tokony hatahoranao ahy,Ary tsy havesatra aminao ny lanjan’ny teniko.+   Reko anefa izay nolazainao,Eny, reko ny teninao hoe:   ‘Madio tsy manan-keloka aho,+Ary madio tsy manam-pahadisoana.+ 10  Mahita hirika hanoherana ahy foana anefa Izy,Ary ataony fahavalony aho.+ 11  Asiany boloky hazo ny tongotro,+Ary arahiny maso ny diako rehetra.’+ 12  Lazaiko aminao fa tsy marina ny anao tamin’iny,+Fa Andriamanitra dia ambony lavitra noho ny olombelona mety maty.+ 13  Nahoana ianao no niady taminy?+Satria ve hoe tsy nisy novaliany ny teninao?+ 14  Fa miteny indray mandeha Andriamanitra,Eny, indroa+ mihitsy aza, nefa tsy misy miraharaha. 15  Miteny ao amin’ny nofy+ izy, dia ao amin’ny fahitana+ amin’ny alina,Rehefa renoky ny torimaso ny olona,Sy rehefa rendremana eo am-pandriana.+ 16  Amin’izay no anaovany fanambarana amin’ny olona,+Sy anisiany tombo-kase ny fananarany azy, 17  Mba hampialany ny olona amin’ny fanaony,+Sy hanesorany ny fireharehan’ny+ lehilahy tomady. 18  Miaro ny olona tsy ho any an-davaka izy,+Ary miaro ny ainy tsy ho voan’ny zana-tsipìka.+ 19  Ny fanaintainan’ny olona eo am-pandrianany no ananarana azy,Ary manakotsako foana ny taolany. 20  Rikoriko amin’ny sakafo izy,+Eny, rikoriko amin’ny sakafo tiany taloha izy. 21  Mihalany ny nofony ka tsy misy hojerena,Ary ny taolany izay tsy hita taloha dia lasa mitrakitraky. 22  Mihamanatona ny lavaka izy,*+Ary ny ainy manatona an’ireo mitady hamono azy. 23  Raha misy mpitondra hafatra,Izay mpitondra teny ho azy, iray ao anatin’ny arivo,Mba hampahafantatra azy ny fahitsiana, 24  Dia hankasitraka azy Andriamanitra, ka hilaza hoe:‘Aoka izy tsy ho lasa any an-davaka!+Efa nahita vidim-panavotana aho!+ 25  Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora,+Ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.’+ 26  Hitalaho amin’Andriamanitra izy mba hankasitrahany azy,+Dia hihoby izy hahita ny tavany.Ary Andriamanitra hamerina ny fahamarinany amin’ny olombelona mety maty. 27  Hihira izy ka hilaza amin’ny olona hoe:‘Efa nanota aho,+ sady efa nanolana ny fahamarinana.Tsy mety izany nataoko izany. 28  Navotany tsy ho lasa tany an-davaka aho,+Ka hahita ny mazava ny aiko.’ 29  Ataon’Andriamanitra izany rehetra izany,Ataony indroa, intelo, amin’ny lehilahy tomady, 30  Mba hampiverina azy tsy ho any an-davaka,+Ka hahazoany ny fahazavan’ny velona.+ 31  Mihainoa, ry Joba! Henoy aho.Aoka ianao hangina, fa mbola hiteny aho. 32  Raha manan-kolazaina anefa ianao, dia valio aho.Mitenena, fa mahafinaritra ahy ny fahamarinanao. 33  Raha tsy misy havalinao kosa, dia mihainoa ahy.+Aoka ianao hangina, fa hampianatra fahendrena anao aho.”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.