Joba 34:1-37

34  Ary nanohy ny teniny i Eliho, nanao hoe:   “Mihainoa ny teniko, ry olon-kendry,Eny, mihainoa ahy, ry manam-pahalalana.   Fa ny sofina no mamantatra teny,+Toy ny lanilany mamantatra tsiron-kanina rehefa misakafo.+   Fitsarana ara-drariny no aoka hofidintsika, Ary aoka isika hiara-mamantatra izay tsara.   Fa hoy i Joba: ‘Marina ny ahy,+Nefa tsy nomen’Andriamanitra rariny aho.+   Izaho ve dia handainga momba ny fitsarana ahy?Tsy mety sitrana ny feriko na dia tsy manan-keloka aza aho.’+   Iza no lehilahy tomady tahaka an’i Joba,+Izay misotro fanesoana toy ny fisotro rano?+   Tsy ho ela izy dia ho lasa naman’ny mpisompatra,Sy hiara-dia amin’ny ratsy fanahy.+   Fa hoy izy: ‘Tsy ahazoan’ny lehilahy tomady tombony,+Ny miravoravo amin’Andriamanitra.’ 10  Koa mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana:+Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy,+Ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!+ 11  Fa araka izay ataon’ny olombelona no hamaliany+ azy,Ary araka izay alehany ihany no hampanodiaviny azy. 12  Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra,+Ary tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.+ 13  Iza no nanome fahefana azy hiandraikitra ny tany?Ary iza no nanendry azy hiadidy ny tany lonaka, eny, izy manontolo? 14  Raha mifantoka amin’olona izy,Ary alainy ho any aminy ny ainy* sy ny fofonainy,+ 15  Dia hiala aina ny nofo rehetra,Ary hiverina amin’ny vovoka ny olombelona.+ 16  Koa raha mahira-tsaina ianao, dia henoy izao,Eny, henoy ny teniko: 17  Olona mankahala ny rariny ve no ho mpitondra?+Ary raha manao ny marina ny olona manana fahefana, dia homelohinao ve izy?+ 18  Hisy sahy hiteny amin’ny mpanjaka ve hoe: ‘Olona tsy manjary ianao’,Ary amin’ny olona ambony hoe: ‘Olon-dratsy ianao’?+ 19  Eo anefa Ilay tsy miangatra amin’ny andriana,Sady tsy mba manaja ny olona ambony mihoatra noho ny olona ambany,+Satria samy asan’ny tanany ireny.+ 20  Maty ao anatin’ny indray mipy maso ireny+ amin’ny misasakalina.+Tora-kovitra ny olona, ary maty, Ary lasa ny mahery nefa tsy nokasihin-tanana.+ 21  Mijery ny ataon’ny olona Izy,+Ary mahita ny diany rehetra. 22  Tsy misy haizina na haizim-pitoAzon’ny mpisompatra iafenana.+ 23  Fa Andriamanitra tsy manondro fotoanaHankanesan’ny olona eo anatrehany mba hotsaraina. 24  Torotoroiny tsy misy famotorana ny mahery,+Ka olon-kafa no atsangany ho solon’ireny.+ 25  Koa hita amin’izany fa fantany ny ataon’ireny,+Ary azerany amin’ny alina ireny, ka torotoro.+ 26  Asiany tehamaina toy ny famely olon-dratsy irenyEny imasom-bahoaka,+ 27  Satria tsy nanaraka azy intsony ireny,+Sady tsy niraharaha ny lalany rehetra.+ 28  Koa tonga hatrany aminy ny fitarainan’ny olona ambany,Ary reny ny fitarainan’ny ory.+ 29  Raha mampisy filaminana izy, iza no hanameloka azy?Ary raha manafina ny tavany izy,+ iza no hahita azy?Mitovy ihany ny vokany na firenena manontolo+ no anaovany izany na olon-tokana. 30  Amin’izay dia tsy hanjaka ny mpivadi-pinoana,+Ary tsy hisy zavatra hamandrika+ ny olona. 31  Hisy hilaza toy izao amin’Andriamanitra ve:‘Niaritra ny mafy aho, nefa tsy nanao ratsy.+ 32  Koa ampianaro ahy izay tsy hitako.Ary raha nisy ratsy nataoko,Dia tsy hanao intsony aho’?+ 33  Hamaly soa anao noho izay niaretanao ve izy, araka izay heverinao fa mety, satria fotsiny hoe mandà ny didim-pitsarany ianao,Ary ianao no mifidy izany, fa tsy izaho?Lazao àry izay fantatrao. 34  Hiteny amiko ny manam-pahalalana,+Dia ny lehilahy tomady sy hendry izay mihaino ahy, ka hanao hoe: 35  ‘Miresaka momba ny zavatra tsy fantany i Joba,+Ary hita amin’ny teniny fa tsy misaina tsara izy.’ 36  Ry raiko ô, aoka hozahan-toetra hatramin’ny farany i Joba,Noho ny amin’ny valin-teniny teo amin’ny ratsy fanahy.+ 37  Ary mbola ampiany fikomiana koa ny fahotany.+Mitehaka eto amintsika izy sady manao teny maro anoherana an’ilay tena Andriamanitra.”+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.