Joba 35:1-16

35  Dia nanohy ny teniny ihany i Eliho, ka nanao hoe:   “Heverinao ve fa rarinyNy filazanao hoe: ‘Mihoatra noho ny an’Andriamanitra ny fahamarinako’?+   Fa hoy ianao: ‘Misy ilanao ny fahamarinako angaha?+Inona moa no soa azoko amin’izany mihoatra noho ny azoko amin’ny fahotana?’+   Izaho no hamaly anaoSy ny namanao.+   Miandrandrà hijery ny lanitra,+Ary tazano ny rahona,+ fa avo noho ianao.   Raha manota ianao, inona moa no voka-dratsin’izany amin’Andriamanitra?+Ary mampaninona azy moa raha mihamaro ny fikomianao?   Ary raha tena marina aza ny anao, inona moa no omenao azy amin’izany,Na azony avy amin’ny tananao?+   Olona tahaka anao ihany no ho voa amin’ny ratsy ataonao,+Ary ny zanak’olombelona ihany no handray soa amin’ny fahamarinanao.+   Miantso vonjy foana izy ireo noho ny fampahoriana be dia be,+Eny, miantso vonjy foana noho ny sandrin’ireo mahery.+ 10  Tsy misy milaza anefa hoe: ‘Aiza Ilay Andriamanitra Be Voninahitra Mpanao+ ahy,Dia Ilay mahatonga ny olona hihira fiderana amin’ny alina?’+ 11  Izy no mampianatra+ antsika hahay noho ny biby ambonin’ny tany,+Ary mahatonga antsika ho hendry noho ny voro-manidina eny amin’ny lanitra. 12  Mitaraindraina ireo ampahorina, nefa tsy valian’Andriamanitra,+Satria mirehareha+ sady ratsy fanahy. 13  Tsy mihaino ny tsy fahamarinana Andriamanitra,+Ary tsy mijery izany ilay Mahery Indrindra.+ 14  Koa mainka fa rehefa milaza ianao hoe tsy mahita azy!+Eo anatrehany ny fitsarana ka tokony hiandry azy fatratra ianao.+ 15  Tsy manao ampamoaka izy na dia tezitra aza,+Ary odiany tsy hita ny fahamaimaizanao tafahoatra hiteny.+ 16  Miloa-bava hiteniteny foana i Joba,Ary miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory.”+

Fanamarihana