Joba 36:1-33
36 Ary hoy koa i Eliho:
2 “Mahareta kely amiko, dia hambarako aminaoFa mbola misy teny holazaiko hiarovana an’Andriamanitra.
3 Avy amin-javatra maro be no hakako ny fahalalako,Ka hambarako fa an’ilay Mpanao ahy ny fahamarinana.+
4 Ary tsy lainga tsy akory ny teniko.Ilay tapitr’ohatra amin’ny fahalalana,+ dia eo anatrehanao.
5 Mahery+ Andriamanitra, ary tsy hanilikilika ny olona izy.Faran’izay mahira-tsaina koa izy.
6 Tsy hotsimbininy ny ain’ny ratsy fanahy,+Fa ny ory kosa homeny rariny.+
7 Tsy hampiala ny masony amin’ny olo-marina izy.+Ary ny mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianana+Dia hapetrany eo mandrakizay, ka hisandratra.
8 Raha misy gadra vy ny tongotry ny olona,+Dia voafatotry ny fahoriana izy ireo.
9 Koa holazain’Andriamanitra amin’izy ireo ny ataon’izy ireoSy ny helony, satria manambony tena izy ireo.
10 Ary hampahafantariny azy ny fananarana,+Ka holazainy fa tokony hiala amin’ny ratsy izy.+
11 Raha mankatò sy manompo izy,Dia hiafara amin’ny zava-tsoa ny androm-piainany,Ary hiafara amin’ny zava-mahafinaritra ny taona iainany.+
12 Raha tsy mankatò kosa izy, dia ho fatin’ny+ zana-tsipìka,+Ka ho faty tsy manam-pahalalana.
13 Mampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana.+Tsy hiantso vonjy izy ireo satria nogejainy.
14 Ho faty tanora izy ireo,*+Ary hiala aina eo anivon’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly.+
15 Hamonjy ny ory ao anatin’ny fahoriana Izy,Ary hanao izay hihainoan’izy ireo azy ao anatin’ny fijaliana.
16 Hampiala anao eo am-bavan’ny fahoriana izy.+Toerana malalaka+ fa tsy tery no ho solon’izany,Ary ho maro sady ho tsara indrindra ny fampiononana eo an-databatrao.+
17 Be dia be ny fanamelohana ny ratsy fanahy,+ ho hitanao.Ary hifanohana ny didim-pitsarana sy ny rariny.
18 Mitandrema sao hitehaka haneso ianao noho ny fahatezerana,+Ary aoka tsy hampivily lalana anao ny vidim-panavotana+ be dia be.
19 Hisy heriny ve ny antso vonjy ataonao?+ Tsia, fa na ao anatin’ny fahoriana aza,Dia tsy hisy vokany ny ezaka mafy rehetra ataonao.+
20 Aza maniry ny hahatongavan’ny alina,Izay fotoana hialan’ny olona eo amin’izay misy azy, ka hodiany.
21 Tandremo sao mivily any amin’ny ratsy,+Satria naleonao izany toy izay fampahoriana.+
22 Mampiasa ny heriny amim-boninahitra Andriamanitra.Iza no mpampianatra tahaka azy?
23 Iza no nanao ampamoaka azy noho izay nataony?+Ary iza no sahy nilaza taminy hoe: ‘Nanao ny tsy rariny ianao’?+
24 Tsarovy fa tokony hankalazainao ny asany,+Izay nataon’ny olona hira.+
25 Nibanjina an’izany ny olombelona rehetra,Ary mitazana avy eny lavitra eny ny olombelona mety maty.+
26 Tsy takatry ny saintsika ny fisandratan’Andriamanitra,+Ary tsy hita isa ny taonany.+
27 Ampiakariny ireo piti-drano,+Ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny.
28 Koa mitete ny rahona,+Ka mifafy be dia be amin’ny olombelona.
29 Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona,Sy ny kotroka avy amin’ny trano rantsankazon’Andriamanitra?+
30 Novelariny teo ambonin’izany ny hazavany,+Ary norakofany ny fanambanin’ny ranomasina.
31 Ireny no entin’Andriamanitra miady ho an’ny olona, any amin’ny fitsarana.+Ary manome sakafo be dia be izy.+
32 Akombony ao anaty tanany ny tselatraKa baikoiny hamelezana mpanafika.+
33 Milaza ny momba Azy ny fikotrokotrony,+Ary milaza ny momba ilay efa tamy, ny biby fiompy.
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.