Joba 37:1-24

37  “Koa mihorohoro ny foko,+Sady midobodoboka mafy mitady hiala amin’ny toerany.   Henoy tsara ny firohondrohon’ny feon’Andriamanitra,+Sy ny feo mierona avoakan’ny vavany.   Alefany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra izany.Ary alefany hatrany amin’ny faran’ny tany ny tselatra.+   Aorian’izany, dia misy feo mirohondrohona.Mampikotrokotroka+ ny feon’ny fahalehibeazany izy,+Ka avelany handeha ny tselatra, rehefa re izany feony izany.+   Mampikotrokotroka ny feony+ amin’ny fomba mahatalanjona Andriamanitra,Ka manao zavatra lehibe tsy takatry ny saintsika.+   Fa hoy izy amin’ny lanezy: ‘Milatsaha eny ambonin’ny tany.’+Ary izany koa no lazainy amin’ny oram-be sy ny oram-batravatra.+   Mampitsahatra ny asan’olombelona izy.Amin’izay dia hahalala ny asany avokoa ny olombelona mety maty.   Ny bibidia dia miafina mba hanafika,Ka mitoetra ao amin’ny toeram-piafenany.+   Mivoaka avy any amin’ny efitrano+ anatiny misy azy ny tafio-drivotra,Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.+ 10  Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry,+Ka voageja ny rano midadasika.+ 11  Vesarany hamandoana ny rahona,Sady aparitaky ny hazavany.+ 12  Mihodinkodina any amin’izay itarihany azy ny rahona mba hanao ny asany,Na aiza na aiza andidiany+ azy eny amin’ny tany lonaka eto an-tany. 13  Mba hanasaziana,+ na handemana ny tany,+Na hanehoana hatsaram-panahy feno fitiavana,+ dia ampiasainy ny rahona. 14  Henoy izao, ry Joba,Dia mijanòna ary mifantoha amin’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra:+ 15  Fantatrao ve hoe oviana Andriamanitra no nanome asa an’ireny?+Ary oviana izy no nampamirapiratra ny hazavan’ny rahony? 16  Fantatrao ve ny mahatonga ny rahona hihevaheva,+Izay asa mahatalanjon’Ilay tonga lafatra amin’ny fahalalana?+ 17  Ary nahoana koa no mahamay ny akanjonao,Rehefa mangina ny tany noho ny rivotra avy any atsimo?+ 18  Moa ve ianao afaka manampy Azy hively ny lanitra,+Toy ny fively metaly mafy narendrika izay tefena ho fitaratra? 19  Ampahafantaro anay àry izay tokony holazainay,Fa tsy mahita holazaina izahay noho ny haizina. 20  Holazaina aminy ve fa hiteny aho?Sa efa nisy nitatitra taminy hoe hiteny aho?+ 21  Tsy tena hitan’ny olona ny mazava.Mamiratra eny amin’ny lanitra anefa izany,Rehefa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona eny amin’ny lanitra. 22  Avy any avaratra no iavian’ny famirapiratana mivolombolamena.Mahatalanjona ny voninahitr’Andriamanitra.+ 23  Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra.+Lehibe amin’ny hery izy,+Ary tsy mba hataony tsinontsinona+ ny rariny+ sy ny fahamarinana.+ 24  Koa aoka hatahotra azy ny olona,+Fa tsy mijery an’izay mihevi-tena ho hendry izy.”+

Fanamarihana