Joba 38:1-41

38  Dia namaly an’i Joba avy tao anatin’ny tafio-drivotra+ i Jehovah, nanao hoe:   “Iza moa izato manamaizina ny fikasako,Ka miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory?+   Misikìna* toy ny lehilahy tomady, azafady,Fa hanontany anao aho, ka valio:+   Taiza àry ianao fony aho nanorina ny tany?+Lazao ahy, raha mahira-tsaina tokoa ianao.   Iza no nametraka ny refiny, raha fantatrao?Ary iza no nanenjana ny tady nandrefesana azy?   Tao amin’ny inona no nandatsahana ny fototry+ ny tany?Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,   Rehefa nanao antsoantsom-pifaliana ireo kintan’ny maraina,+Ary nihoby avokoa ny zanak’Andriamanitra?+   Iza no nanisy varavarana misakana ny ranomasina,+Izay nitosaka toy ny avy any am-bohoka,   Fony aho nanao ny rahona ho akanjony,Sy ny haizim-pito ho lamban-jaza namonosana azy, 10  Ary nametraka ny fitsipiko teo aminy,Sady nanisy varavarana sy bara hidiny,+ 11  Ka nilaza hoe: ‘Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mihoatra,+Ary eto no fetran’ny onjanao misamboaravoara’?+ 12  Efa mba nibaiko ny maraina ve ianao hatrizay niainanao?+Efa natoronao ny toerany ve ny mazava ratsy, 13  Mba hihazonany ny faran’ny tany,Ka hanakopahany ny ratsy fanahy tsy ho eo?+ 14  Miova endrika toy ny tanimanga+ asiana tombo-kase ny tany,Ary maka toerana ny zava-drehetra, toy ny hoe miakanjo tsara. 15  Tsy mahazo hazavana ny ratsy fanahy,+Ary tapaka ny sandriny ningainy ambony.+ 16  Efa tonga tany amin’ny loharanon’ny ranomasina ve ianao,Sa efa nandehandeha+ nikaroka ny any anaty rano lalina?+ 17  Efa naharihary taminao ve ny vavahadin’ny fahafatesana?+Sa ianao afaka mahita ny vavahadin’ny haizim-pito?+ 18  Fantatrao tsara ve ireo toerana midadasika eny ambonin’ny tany?+Lazao raha fantatrao izany rehetra izany. 19  Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava,+Ary aiza ny toerana misy ny haizina, 20  Mba hitondranao an’ireny hatrany amin’ny sisin-taniny,Sy mba hahafantaranao tsara ny lalana mankany an-tranony? 21  Angaha moa tsy fantatrao izany? Tsy efa teraka moa ianao tamin’izany fotoana izany?+Angaha moa ianao tsy efa ela niainana? 22  Efa niditra tao amin’ny trano fitehirizana ny lanezy ve ianao?+Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana ny havandra,+ 23  Izay tehiriziko ho amin’ny fotoam-pahoriana,Ho amin’ny andro anafihana sy anaovana ady?+ 24  Aiza ny lalana iparitahan’ny hazavana,Sy ny lalana ielezan’ny rivotra+ avy any atsinanana, eny ambonin’ny tany? 25  Iza no nanao lakandrano ho an’ny rano be,Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra,+ 26  Mba hampilatsaka orana eny amin’ny tany tsy misy olona,+Dia any an-tany efitra tsy misy mponina, 27  Sy mba hahavonto rano ny toerana simban’ny tafiotra sady karakaina,Ary mba hampaniry ny ahitra vao mitsimoka?+ 28  Manan-dray ve ny orana?+Sa iza no niteraka ny ranon’ando?+ 29  Kibon’iza no ivoahan’ny ranomandry?Ary iza no miteraka ny ranomandry mitsiratsiraka+ avy any an-danitra? 30  Toy ny hoe voafin’ny vato ny rano,Ary lasa mivaingana ny fanambonin’ny rano lalina.+ 31  Moa ve ianao mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha,Na mahavaha ny tadin’ny antokon-kintana Kesila?+ 32  Vitanao ve ny mamoaka ny antokon-kintana Mazarota amin’ny fotoana voatondro?Ary mahatarika ny antokon-kintana Asha sy ny zanany ve ianao? 33  Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra?+Ary vitanao ve ny mampihatra izany amin’ny tany? 34  Mahay manandratra ny feonao hatreny amin’ny rahona ve ianao,Mba hampisy rano be misamboaravoara handifotra anao?+ 35  Mahay mandefa tselatra ve ianao mba handehanany,Dia hilazany aminao hoe: ‘Indreto izahay!’? 36  Iza no nanome fahendrena+ ny rahona,Na nanome fahiratan-tsaina+ ny zava-mahagaga eny amin’ny lanitra? 37  Iza no manam-pahendrena ka mahay tsara ny isan’ny rahona?Ary iza no mahatongilana ny sinin-dranon’ny lanitra,+ 38  Mba hampikoriana ny fotaka ho toy ny metaly narendrika,Sy hampitambatambatra ny baingan-tany? 39  Moa ve ianao mahavita mihaza remby ho an’ny liona,Sy mamoky liona tanora mirangorango,+ 40  Rehefa mamitsaka eo amin’ny toeram-piafenana izy,+Na miafina mba hanafika? 41  Iza no manomana ny sakafon’ny goaika,+Rehefa miantso vonjy amin’Andriamanitra ny zanany kely,Ka mirenireny fa tsy manan-kohanina?

Fanamarihana

A.b.t.: “Fehezo ny andilanao.”