Joba 39:1-30

39  “Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia eny amin’ny harambato?+Voadinikao ve ny serfavavy manaintaina eo am-piterahana?+   Voaisanao ve hoe firy volana no itondrany vohoka?Sa fantatrao ny fotoana fiterahany?   Miondrika izy eo am-piterahana ny zanany,Ary afaka ny fanaintainany.   Mihamatanjaka sy mihalehibe eny an-tsaha ny zanany,Ary lasa ka tsy miverina aminy intsony.   Iza no nandefa ny zebra+ hikarenjy,Ary iza no namaha ny tadin’ny ampondradia?   Efa nomeko ho tranony ny lemaka karakaina,Ary ho toeram-ponenany ny tanin-tsira.+   Ihomehezany fotsiny ny tabataba ao an-tanàna,Ary tsy misy dikany aminy ny fitsaitsaikan’ny mpijoko+ azy.   Mitety tendrombohitra izy mitady tanimbilona,+Ary tadiaviny avokoa rehefa karazana zava-maitso.+   Moa ve ny ombidia manaiky hanompo anao?+Hatory ao amin’ny fihinanam-bilona ao aminao ve izy? 10  Hahafatotra ombidia mba hanao vava asa ve ianao?Moa ve izy handravona bainga+ avy ao aorianao eny amin’ny lemaka iva? 11  Hatoky azy ve ianao satria matanjaka be izy?Ary havelanao hovitainy ve ny asanao? 12  Izy ve no hianteheranao hampiditra ny vokatrao,Sy hanangona izany ho eo amin’ny famoloanao? 13  Mikopakopaka amim-pifaliana ve ny elatry ny aotirisivavy?Ary toy ny an’ny vanobe+ ve ny volon’elany sy ny volony? 14  Ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,Ka avelany hohafanain’ny vovoka. 15  Hadinony fa mety hisy tongotra hamotipotika an’ireny,Na bibidia eny an-tsaha hanitsakitsaka an’ireny. 16  Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny.+Very maina ny fisasarany, noho izy tsy miraharaha an’ireny. 17  Fa nataon’Andriamanitra hadinony ny fahendrena,Ary tsy nataony mahira-tsaina izy.+ 18  Rehefa akopakopany ambony ny elany,Dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 19  Mahavita manome hery ny soavaly ve ianao,+Na mampitafy ny hatony amin’ny volo mihofahofa? 20  Mahay mampitsambikina azy toy ny valala ve ianao?Mampihoron-koditra ny hamafin’ny fiefonefony.+ 21  Mampikatrokatroka ny kitrony+ amin’ny tany izy eo amin’ny lemaka iva, ary mibitaka amin-kery.Miainga hisetra fitaovam-piadiana izy.+ 22  Ihomehezany fotsiny ny tahotra, ary tsy mba mihorohoro izy,+Na miverin-dalana noho ny sabatra. 23  Mikatrokatroka midona aminy ny tranon-jana-tsipìka,Sy ny lela lefona ary ny lefom-pohy. 24  Migodongodona sy mientanentana erỳ izy rehefa miriotra,Ary tsy mino izy hoe injay ny feon’anjombona. 25  Vonona avy hatrany izy raha vao maneno ny anjombona.Raha mbola lavitra izy dia mandre ny fofon’ady,Sy ny horakoraky ny lehibe ary ny hiakan’ady.+ 26  Noho ny fahiratan-tsainao ve no isidinan’ny hitsikitsika lehibe,Ka amelarany ny elany ho amin’ny rivotra avy any atsimo? 27  Sa noho ny baikonao no isidinan’ny voromahery+Sy anorenany ny akaniny eny amin’ny avo,+ 28  Ary itoerany sy atoriany eny amin’ny harambato,Dia eny amin’ny tendrony maranitra sy eny amin’ny toerana sarotra aleha? 29  Avy eny izy no mitady sakafo,+Ary mitazan-davitra foana ny masony. 30  Mitsentsitra ra ny zanany,Ary any amin’izay misy faty no misy azy.”+

Fanamarihana