Joba 4:1-21

4  Ary hoy ny navalin’i Elifaza+ Temanita:   “Ho sosotra ve ianao raha misy sahy miteny indraim-bava aminao?Nefa iza moa no mahasakana ny teny?   Efa nanitsy olona maro ianao,+Ary efa nohatanjahinao ny tanana miraviravy.+   Raha nisy saika lavo, dia ny teninao no nanarina azy,+Ary nohatanjahinao ny lohalika malemy.+   Manjo anao anefa izany ankehitriny, dia rera-tsaina ianao,Mihatra aminao izany, dia very hevitra ianao.   Tsy ny fanajanao an’Andriamanitra angaha moa no tokinao,Ary ny tsy fivadihanao+ no fanantenanao?   Mba tadidio kely hoe iza moa no tsy nanan-tsiny ka maty?Ary taiza no nisy olo-marina+ naringana?   Raha ny efa hitako, dia izay mitetika ny hanisy ratsy,Sy izay mamafy fahoriana no hijinja izany.+   Ny fofonain’Andriamanitra no maharipaka an’ireny,Ary ny fipoahan’ny fahatezerany no mahafaty an’ireny. 10  Mierona ny liona, ary re ny feon’ny liona tanora,Kanefa na ny nifin’ny liona tanora matanjaka aza tapaka ihany. 11  Maty ny liona raha tsy misy remby,Ary miparitaka ny zana-diona. 12  Ary nisy teny nolazaina tamiko mangingina,Sady reko nobitsibitsihina tamiko izany,+ 13  Tamin’izaho nahazo hevitra mampikorontan-tsaina avy tamin’ny fahitana tamin’ny alina,Rehefa iny renoky ny torimaso iny ny olona. 14  Dia azon-tahotra sy hovitra aho,Ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. 15  Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako,Ka nampitsangam-bolo ahy. 16  Nijanona izy,Nefa tsy fantatro ny endriny.Nisy zavatra niseho teo anoloan’ny masoko,Ary nisy fanginana. Dia nandre feo aho nanao hoe: 17  ‘Mety ho marina noho Andriamanitra ve ny olombelona mety maty?Ary mety hadio noho ny Mpanao azy ve ny lehilahy tomady?’ 18  Jereo fa ny mpanompony aza tsy atokisany,Ary ny anjeliny* koa ampangainy ho misy tsininy, 19  Koa mainka fa ireo mipetraka ao amin’ny trano tanimanga,Izay miorina eo amin’ny vovoka!+Mora torotoroina kokoa noho ny bibikely ireny. 20  Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny,Maty mandrakizay izy nefa tsy misy malahelo akory. 21  Tsy efa notsoahana avy tao anatiny ve ny tady fanenjanan-dainy?Maty izy satria tsy manam-pahendrena.

Fanamarihana

Na: “ny irany.”