Joba 40:1-24

40  Dia namaly an’i Joba i Jehovah hoe:   “Hisy mpanakiana hifandahatra amin’ilay Mahery Indrindra ve?+Aoka hamaly an’izany ny mpananatra an’Andriamanitra.”+  Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:   “Tsinontsinona aho,+Ka inona no havaliko anao?Mitampim-bava fotsiny aho.+   Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony,Eny, indroa aza, ka tsy hanampy teny intsony.”  Ary namaly an’i Joba indray i Jehovah avy tao anatin’ny tafio-drivotra,+ ka nanao hoe:   “Misikìna* toy ny lehilahy tomady, azafady,+Fa hanontany anao aho, ka valio:+   Holavinao ve ny hoe manao ny rariny aho?Holazainao fa diso ve aho mba hahamarina anao?+   Manan-tsandry toy ny an’ilay tena Andriamanitra ve ianao,+Ary mahay mampikotrokotroka feo tahaka azy?+ 10  Miravaha fahalehibeazana+ sy fahamboniana,+ azafady,Ary mitafia haja+ amam-boninahitra.+ 11  Avelao hipoaka ny fahatezeranao,+Ary jereo izay manambony tena ka ampietreo. 12  Eny, jereo izay manambony tena ka ampietreo,+Ary hitsakitsaho eo amin’izay misy azy ny ratsy fanahy. 13  Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa ireny,+Ary afatory ao amin’ny toerana miafina. 14  Dia izaho mihitsy no hidera anao,Satria mahavonjy anao ny tananao havanana. 15  Jereo ny hipopotama,* fa samy nataoko na izy na ianao.Mihinana+ ahi-maitso tahaka ny omby izy. 16  Eo amin’ny tehezany ny heriny,Ary eo amin’ny hoza-kibony ny tanjany.+ 17  Mampilefitra ny rambony toy ny hazo sedera izy,Ary mifampidipiditra ny hoza-peny. 18  Toy ny fantsona varahina ny taolany,Ary toy ny bara vy ny hamafin’ny taolany. 19  Anisan’ny voalohany amin’izay nataon’Andriamanitra izy,Ary ny Mpanao+ azy ihany no mahatondra sabatra eo akaikiny. 20  Manome vokatra hohaniny ny tendrombohitra,+Ary milalao eny ny bibidia rehetra. 21  Matory eo ambany hazo lamoty izy,Na any amin’ny toerana miafina any anaty bararata,+ na eny amin’ny heniheny.+ 22  Manakona azy ny alokaloky ny hazo lamoty,Ary manodidina azy ny hazo aravaha eny amin’ny lohasaha falehan-driaka. 23  Tsy mikoropaka mandositra izy, raha mahery vaika ny renirano.Matoky izy, na dia mitosaka mankeo am-bavany aza ny Reniranon’i Jordana.+ 24  Misy mahasambotra azy avy eo anoloany ve?Ary misy mahagorobaka ny orony amin’ny faraingo ve?

Fanamarihana

A.b.t.: “Fehezo ny andilanao.”
Heb.: Behemota.