Joba 42:1-17

42  Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:   “Fantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao,+Ary tsy misy fikasana tsy hainao tanterahina.+   Hoy ianao: ‘Iza moa izato manamaizina ny fikasako, nefa tsy manam-pahalalana akory?’+Efa niteny tokoa aho, nefa tsy takatry ny saikoIreo zavatra mahagaga ahy loatra, izay tsy fantatro akory.+   Hoy koa ianao: ‘Mihainoa, azafady, fa hiteny aho.Hanontany anao aho, ka valio.’+   Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao,Fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.   Koa tsoahako ny teniko,Ary mibebaka+ eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”  Ary rehefa tapitra ny tenin’i Jehovah tamin’i Joba, dia hoy i Jehovah tamin’i Elifaza Temanita: “Tezitra mafy aminao sy ny namanao roa lahy aho,+ satria tsy nilaza ny marina+ momba ahy ianareo, tsy mba tahaka an’i Joba mpanompoko.  Koa makà ombilahy fito sy ondrilahy fito,+ ka mankanesa any amin’i Joba mpanompoko,+ ary manolora fanatitra dorana noho ny fahotanareo. Dia hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko,+ fa izy ihany no hohenoiko, mba tsy hanalako baraka anareo noho ny hadalanareo. Tsy nilaza ny marina momba ahy mantsy ianareo, tsy mba tahaka an’i Joba mpanompoko.”+  Koa lasa i Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita, ka nanao araka izay nolazain’i Jehovah taminy. Dia neken’i Jehovah ny vavak’i Joba. 10  Koa natsahatr’i Jehovah ny fahorian’i Joba,+ rehefa nivavaka ho an’ireo namany izy.+ Ary nomen’i Jehovah avo roa heny noho izay nananany taloha koa izy.+ 11  Dia tonga namangy azy daholo ny rahalahiny sy ny anabaviny ary izay rehetra nahafantatra azy taloha.+ Ary niara-nisakafo taminy tao an-tranony izy ireo,+ sady niara-niory taminy sy nampionona azy noho ny loza rehetra navelan’i Jehovah hanjo azy. Ary samy nanome azy farantsa volafotsy sy kavina volamena izy ireo. 12  Ary i Jehovah nitahy+ ny niafaran’ny fiainan’i Joba mihoatra noho ny tamin’ny voalohany.+ Koa nanjary nanana ondry efatra arivo sy iray alina, sy rameva enina arivo, sy omby roa arivo ary ampondravavy arivo izy. 13  Ary nanan-janakalahy fito sy zanakavavy telo koa izy.+ 14  Dia nataony hoe Jemima ny anaran’ny voalohany, Kezia ny faharoa, ary Kerena-hapoka ny fahatelo. 15  Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’i Joba tao amin’ilay tany manontolo. Ary nomen-drainy lova niaraka tamin’ny anadahiny izy ireo.+ 16  Taorian’izany, dia mbola velona efapolo amby zato taona i Joba+ ka nahita ny zanany sy ny zafikeliny,+ hatramin’ny taranaka fahefatra. 17  Dia maty i Joba rehefa antitra sady voky andro.+

Fanamarihana