Joba 5:1-27

5  “Miantsoa ange e! Hisy hamaly anao ve?Ary iza amin’ny anjely masina* no hitadiavanao vonjy?   Fa ny adala dia ho fatin’ny fahasosorany,Ary izay mora voafitaka dia ho fatin’ny fialonany.   Hitako fa nahomby ny adala,+Nefa nozoniko avy hatrany ny fonenany.   Lavitra famonjena ny zanany,+Sady torotoro eo am-bavahady nefa tsy misy mpamonjy.   Izay jinjainy dia lanin’ny olona noana.Alain’ny olona eo amin’ny faraingon’ny mpivaro-kena ny henany,Ary misy fandrika mitady handrapaka ny fivelomany.   Tsy eo amin’ny vovoka no ipoiran’ny zavatra manimba,Ary tsy eo amin’ny tany no anirian’ny fahoriana,   Fa nateraka hijaly ny olona,Toy ny pitik’afo misidina ambony.   Izaho kosa hanao fangatahana amin’Andriamanitra,Eny, Andriamanitra no hanolorako ny adiko,+   Dia Ilay manao zavatra lehibe tsy takatry ny saina,Sy zava-mahagaga tsy hita isa,+ 10  Ilay mandatsaka orana etỳ ambonin’ny tany+Sy mampilatsaka ranonorana eny an-tsaha,+ 11  Ilay mametraka ny ambany ho eo amin’ny toerana avo,+Ka misandratra hahazo famonjena ny malahelo, 12  Ilay mampandamòka ny tetiky ny fetsy,+Ka tsy mahefa na inona na inona ny tanan’ireny, 13  Ilay mamandrika ny hendry amin’ny hafetseny ihany,+Ka rava ny tetiky ny fatsora.+ 14  Tojo haizina ireny na dia amin’ny antoandro aza,Ary mitsapatsapa toy ny amin’ny alina na dia amin’ny mitataovovonana aza.+ 15  Eny, izaho dia hanao fangatahana amin’Andriamanitra, Ilay mamonjy ny olona tsy ho azon’ny sabatra mivoaka amin’ny vavan’ireny,Sy mamonjy ny mahantra tsy ho azon’ny tanan’ny mahery,+ 16  Ka lasa manana fanantenana ny olona ambany,+Fa mikombona kosa ny vavan’ny olona tsy marina.+ 17  Sambatra ny olona anarin’Andriamanitra.+Aza lavina ny famaizan’ilay Mahery Indrindra. 18  Fa izy no mahatonga fanaintainana, nefa izy koa no mamehy ny ratra,Izy no mamotipotika, nefa ny tanany ihany no manasitrana. 19  Hanafaka anao amin’ny fahoriana enina izy,+Ary na amin’ny fahoriana fito aza, dia tsy hisy zava-dratsy hanjo anao.+ 20  Hanavotra anao tsy ho faty izy mandritra ny mosary,+Ary hanavotra anao tsy hiharan’ny herin’ny sabatra, mandritra ny ady. 21  Ho voafina ianao tsy ho voan’ny karavasin’ny lela,+Ary tsy hatahotra rehefa tonga ny fandrobana. 22  Hihomehezanao fotsiny ny fandrobana sy ny hanoanana,Ary tsy hatahoranao ny bibidia etỳ an-tany. 23  Fa hanao fifanekena amin’ny vato any an-tsaha ianao,Ary hihavana aminao ny bibidia.+ 24  Dia ho hitanao fa ny fiadanana no ho tranolainao.Handeha hijery ny kijananao ianao, ary ho hitanao fa tsy misy very ny ao. 25  Ho hitanao koa fa maro ny zanakao,+Ary maro tahaka ny zavamaniry amin’ny tany ny taranakao.+ 26  Mbola ao anatin’ny herinao ianao rehefa halevina any am-pasana,+Tahaka ny salohim-bary jinjaina amin’ny fotoanany. 27  Izany no vokatry ny famotopotorana nataonay. Izay àry no izy.Henoy izany, ka fantaro ny heviny.”

Fanamarihana

A.b.t.: “ireo masina.”