Joba 6:1-30

6  Ary namaly i Joba hoe:   “Raha mba voalanja daholo mantsy ny fahoriako,+Sady atao eo amin’ny mizana ny loza manjo ahy!   Fa mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina izany,Ka dia nirediredy aho.+   Mitsatoka amiko ny zana-tsipìkan’ilay Mahery Indrindra,+Ary ny poizina avy amin’izany no sotroiko.+Milahatra hamely ahy ny horohoro avy amin’Andriamanitra.+   Haneno ve ny zebra+ raha efa eo anoloan’ny ahi-maitso?Ary hitrena ve ny omby raha efa eo amin’ny sakafony?   Sakafo matsatso ve dia hohanina tsy misy sira,Ary misy tsirony ve ny rano maditidity azo avy amin’ny fiandrilavenombazaha?*   Tsy nety nihinana an’ireny aho,Fa toy ny aretina ao amin’ny sakafoko ireny.   Raha mba voavaly mantsy ny fangatahako,Ary omen’Andriamanitra ahy izay antenaiko!   Ary raha mba manorotoro ahy avy hatrany mantsy Andriamanitra,Ka manatsotra ny tanany, dia mamono ahy!+ 10  Na izany zavatra izany aza dia mbola hampionona ahy ihany.Ary hitsinjaka noho ny hafaliana+ aho ao anatin’ny fanaintainako mafyNa tsy mangoraka aza izy, satria tsy nafeniko ny tenin’Ilay+ Masina.+ 11  Inona intsony moa izay heriko, no mbola hiandry ihany aho?+Ary inona moa izay hiafarako, no mbola hataoko ihany izay hahela velona ahy?* 12  Herim-bato ve ny heriko,Sa varahina ny nofoko? 13  Angaha moa izaho mbola afaka manavo-tena,Ary tsy efa nesorina tamiko angaha ny asa ahitana voka-tsoa? 14  Izay tsy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny namany,+Dia tsy hanana tahotra an’ilay Mahery Indrindra intsony koa.+ 15  Ny rahalahiko dia mamitaka+ toy ny riaka amin’ny andro ririnina,Eny, toy ny riaka izay malaky ritra. 16  Lasa maizin’ny ranomandry izy,Ary eo aminy no iafenan’ny lanezy. 17  Amin’ny fotoana voatondro, dia tsy misy rano+ intsony izy ka mangina.Maina an-toerana izy rehefa mafana ny andro.+ 18  Mivily lalana izy,Ary miakatra ho any an-tany ngazana ka levona. 19  Nitady azy ny olona niara-dia avy any Tema,+Ary niandry azy ny antokona Sabeanina+ mpivezivezy. 20  Menatra ireny satria nanantena,Ary tonga hatreo amin’ilay toerana, kanjo diso fanantenana.+ 21  Tsinontsinona tokoa ianareo.+Mahita ny loza manjo ahy ianareo, dia raiki-tahotra.+ 22  Angaha izaho niteny hoe: ‘Omeo zavatra aho,Na manaova fanomezana avy amin’izay anananareo mba hamonjena ahy, 23  Ka afaho eo an-tanan’ny fahavalo aho,+Ary avoty eo an-tanan’ny mpitondra jadona’?+ 24  Aoka ianareo hampianatra ahy, fa izaho kosa hangina,+Ary ampahafantaro ahy izay fahadisoana nataoko.+ 25  Ny tenin’olo-marina dia tsy mba mampanaintaina.+Fa inona kosa no mba vitan’ny fananaranareo?+ 26  Mitetika ny hanitsy ny teniko ve ianareo,Nefa rediredin’olona mamoy fo+ fotsiny izany teny izany?+ 27  Na ny kamboty ray+ aza mbola hataonareo antsapaka,Ary ny namanareo hataonareo takalo!+ 28  Koa henoy aho izao,Ka jereo raha mandainga+ eo imasonareo. 29  Mba mieritrereta indray ange e, ary diniho amin’ny saina tsy miangatra aho,Eny, mieritrereta indray, fa mbola eo ihany ny fahamarinako.+ 30  Misy tsy fahamarinana ve eo amin’ny lelako,Sa tsy mahay mamantatra loza ny lanilaniko?

Fanamarihana

Zavamaniry io.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.