Joba 7:1-21

7  “Tsy asa an-terivozona+ ve no anjaran’ny olombelona mety maty, eto an-tany?Ary tsy toy ny andron’ny mpikarama ve ny androny?+   Toy ny mpanompo sempotra mitady alokaloka izy,+Ary toy ny mpikarama miandry ny karamany.+   Koa volana+ maro tsy misy vidiny no nomena ho anjarako,Ary alina feno fahoriana+ no natokana ho ahy.   Rehefa natory aho, dia nanao hoe: ‘Rahoviana re aho no hifoha e?’+Ary sasatry ny nivadibadika aho nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny mangiran-dratsy.   Rakotra olitra+ sy vovoka+ mivangongo ny nofoko.Efa nisy takopery ny hoditro, nefa mitsiranoka indray.+   Mandeha haingana+ noho ny famahanan-tenona ny androko,Ary lany tsy misy fanantenana.+   Tsarovy fa mihelina toy ny rivotra ny fiainako,+Ary tsy hahita zava-tsoa intsony ny masoko.   Tsy hahita ahy ny mason’izay mijery ahy.Hijery ahy ny masonao, nefa tsy ho eo intsony aho.+   Misava ny rahona, ka lasa.Toy izany koa fa izay midina any amin’ny Fasana,* dia tsy hiakatra intsony.+ 10  Tsy hiverina any an-tranony intsony izy,Ary tsy hahafantatra azy intsony ny toerana nisy azy.+ 11  Tsy hitampim-bava aho,Fa hiteny ao anatin’ny fahorian-tsaiko,Ary hitaraina ao anatin’ny fahoriam-poko.+ 12  Izaho angaha ranomasina sa biby goavam-be any an-dranomasina,No dia fefenao?+ 13  Rehefa nilaza aho hoe: ‘Hampionona ahy ny farafarako,Ary hanamaivana ny tebitebiko ny fandrianako’, 14  Dia nampihorohoro ahy tamin’ny nofy ianao,Ary nampitahotra ahy tamin’ny fahitana. 15  Koa aleoko matin’ny hasemporana,Eny, aleoko maty+ toy izay taolana fotsiny toy izao. 16  Maharikoriko ahy ny fiainako.+ Tsy ho ela velona aho.Aza manelingelina ahy, fa mihelina toy ny fofonaina ny androko.+ 17  Inona moa ny olombelona mety maty+ no tezainao,Sy ifantohanao, 18  Ary dinihinao isa-maraina,Ka zahanao toetra foana?+ 19  Nahoana raha mba mihodina ianao ka tsy mibanjina ahy,+Ary tsy manelingelina ahy na dia mandra-piteliko rora fotsiny aza? 20  Raha nanota aho, inona moa no voka-dratsin’izany aminao, ry Mpandinika ny olombelona?+Nahoana aho no nataonao lasibatra, ka lasa enta-mavesatra ho anao? 21  Nahoana ianao no tsy mamela ny heloko,+Ary tsy manadino ny fahadisoako?Fa hatory eo amin’ny vovoka+ aho izao,Ary hitady ahy ianao, nefa tsy ho eo intsony aho.”

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.