Joba 8:1-22

8  Ary namaly i Bildada Sohita+ hoe:   “Mandra-pahoviana ianao no hiteniteny toy izany,+Nefa rediredy* fotsiny ny teny aloaky ny vavanao?+   Andriamanitra ve dia hamadika ny rariny?+Ary ilay Mahery Indrindra ve dia hanao ny tsy rariny?+   Raha nanota taminy ny zanakao,Dia avelany hizaka ny vokatry ny fikomiany izy ireo.   Raha mitady an’Andriamanitra ianao,+Sady mitalaho famindram-po amin’ilay Mahery Indrindra,   Ary raha madio sy marina ianao,+Dia ho efa nifoha hamonjy anao izy,Ka ho efa naveriny tamin’ny laoniny ny fonenan’ny fahamarinanao.   Ary na kely aza no niandohanao,Dia ho lehibe kosa no hiafaranao.+   Mba anontanio tokoa ange ny olona taloha e,+Ary mifantoha amin’izay efa nodinihin’ireo razany!+   Fa vao omaly isika,+ ka tsy mahalala na inona na inona,Satria aloka ihany ny androntsika eto an-tany.+ 10  Tsy hampianatra anao ve izy ireo ka hilaza aminao,Ary hamoaka teny avy ao am-pony? 11  Haniry tsara ve ny zozoro+ raha tsy eny amin’ny heniheny?Ary haniry tsara ve ny bararata raha tsy misy rano? 12  Mbola tanora sy tsy voatapaka akory izy,Nefa ho maina alohan’ny ahitra hafa rehetra.+ 13  Toy izany koa no hiafaran’ny fiainan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra.+Ary ho foana ny fanantenan’ny mpivadi-pinoana.+ 14  Levona koa ny tokiny,Ary tranon-kala no ianteherany.+ 15  Hiankina amin’ny tranony izy, nefa hianjera izany,Hamikitra amin’izany izy, nefa tsy haharitra izany. 16  Maniry tsara izy azon’ny masoandro,Ary misandrahaka ao amin’ny zaridaina misy azy.+ 17  Mifamatopatotra eo amin’ny antontam-bato ny fakany,Ary mijery trano vato izy. 18  Raha misy manongotra anefa izy,+Dia handa azy ilay toerana nisy azy, ka hanao hoe: ‘Mbola tsy nahita anao mihitsy aho.’+ 19  Ho levona toy izany ny fiainany,+Ary hisy hafa indray hitsimoka avy eo amin’ny vovoka. 20  Fa tsy hanary ny tsy manan-tsiny Andriamanitra,Sady tsy hitantana ny mpanao ratsy. 21  Amin’ny farany dia hofenoiny hehy ny vavanao,Ary hofenoiny horakora-pifaliana ny molotrao. 22  Hitafy henatra izay mankahala anao,+Ary ho levona ny tranolain’ny ratsy fanahy.”

Fanamarihana

Na: “rivotra mifofofofo.”