Joba 9:1-35

9  Dia namaly i Joba hoe:   “Fantatro tsara fa izany no izy.Fa ahoana no hahamarina ny olombelona mety maty, raha miady amin’Andriamanitra eo amin’ny fitsarana izy?+   Raha te hiady amin’ny olona Andriamanitra,+Dia tsy hahavaly azy ny olona, na indray mandeha ao anatin’ny arivo aza.   Manana fo hendry mantsy izy, ary tena mahery.+Koa iza no hikiry hanohitra azy ka ho afa-maina?+   Mamindra tendrombohitra izy+ ka tsy fantatry ny olona ireny.Izy no nanjera an’ireny tao anatin’ny fahatezerany.+   Mampihorohoro ny tany hiala amin’ny toerany izy,Ka mihozongozona ny andrin’ny tany.+   Teneniny ny masoandro mba tsy hiposaka,Ary asiany tombo-kase manodidina ny kintana.+   Mamelatra ny lanitra samirery izy,+Ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina avo be.+   Izy no manao ny antokon-kintana Asha, sy ny antokon-kintana Kesila,Sy ny antokon-kintana+ Kimaha, ary ny efitrano anatiny any Atsimo,* 10  Sady manao zavatra lehibe tsy takatry ny saina,+Ary zava-mahagaga tsy hita isa.+ 11  Mandalo ahy izy nefa tsy hitako,Ary mandroso ihany nefa tsy fantatro.+ 12  Maka an-keriny izy, ka iza no hahatohitra azy?Iza no hiteny aminy hoe: ‘Inona ity ataonao?’+ 13  Tsy hampihemotra ny fahatezerany Andriamanitra.+Handadilady eo anatrehany ny mpanampy ny mpanafika.+ 14  Koa tsy loza ve no hanjo ahy, raha izaho no mamaly azy?Hofidiko tsara ny teny holazaiko aminy.+ 15  Tsy hamaly azy aho, na dia marina aza ny ahy.+Hitalaho famindram-po amin’ilay miady amiko eo amin’ny fitsarana aho.+ 16  Hamaly ve izy, raha miantso azy aho?+Tsy mino aho hoe hihaino ahy izy. 17  Mamely ahy amin’ny tafiotra izy,Ary mampitombo ny feriko tsy amin’antony.+ 18  Tsy mamela ahy haka aina kely akory izy,+Fa mamoky ahy tsy an-kijanona amin’ny zava-mangidy. 19  Raha misy tena mahery, dia mbola eo Andriamanitra.+Ary raha misy mpitsara mahery, dia enga anie mba hantsoina aho! 20  Na marina aza ny ahy, dia hilaza ahy ho meloka ihany ny vavako.Na tsy manan-tsiny aza aho, dia hilaza ahy ho tsy marina ihany Izy. 21  Ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho fantatro akory,Ary haharikoriko ahy ny aiko. 22  Zavatra iray ihany no izy, ka izao no teniko:‘Samy haringany ihany na ny tsy manan-tsiny na ny ratsy fanahy.’+ 23  Raha misy ranotrambo mahafaty tampoka,Dia hihomehezany ny famoizam-pon’ny tsy manan-tsiny. 24  Natolotra eo am-pelatanan’ilay ratsy ny tany.+Manampina ny mason’ny mpitsaran’ny tany Izy.Raha tsy izy no manao izany, dia mba iza kosa? 25  Mandeha haingana kokoa noho ny mpihazakazaka ny androko,+Ary lasa nandositra, ka tsy hahita zava-tsoa. 26  Misosa malaky tahaka ny lakan-jozoro izany,Tahaka ny voromahery misidintsidina haingana mitady sakafo.+ 27  Raha niteny aho hoe: ‘Aoka hohadinoiko ny zavatra mampanahy ahy,+Ary tsy hanjonitra intsony ny tarehiko fa hataoko miramirana,’+ 28  Dia azon-tahotra indray aho noho ny fanaintainako rehetra.+Fantatro tsara fa tsy hilaza ahy ho tsy manan-tsiny ianao. 29  Tsy maintsy holazaina ihany hoe meloka aho,Koa nahoana aho no handrera-tena fotsiny?+ 30  Na misasa amin’ny rano madio be aza aho,Ary manasa ny tanako amin’ny savony,+ 31  Dia hataonao ao anaty lavaka ihany,Ka hankahala ahy na ny akanjoko aza. 32  Fa tsy olombelona+ tahaka ahy Izy ka ahoana moa no hamaliako azy,Na hifandaharako aminy eo amin’ny fitsarana? 33  Tsy misy olona afaka hitsara anay,+Ka hametraka ny tanany aminay. 34  Aoka hesoriny amiko ny tsorakazony,+Ary tsy hampihorohoro ahy ny fampitahorana avy aminy. 35  Aoka aho hiteny ka tsy hatahotra azy,Fa tsy mba matahotra ny hiresaka aminy aho.

Fanamarihana

Mety hanondro ny antokon-kintana tazana avy atỳ amin’ny Ila Bolantany Atsimo ny hoe “efitra anatiny any Atsimo.”