Joela 2:1-32
2 “Tsofy ao Ziona ny anjombona,+ ary manaova hiakan’ady+ eo an-tendrombohitro masina.+ Aoka hitebiteby izay rehetra monina eto,+ fa ho avy ny andron’i Jehovah,+ sady efa akaiky!
2 Andro maizina sy manjombona izany,+ sady andro mandrahona sy maizim-pito, ary toy ny hazavana vao mangiran-dratsy manerana ny tendrombohitra.+
“Misy firenena mahery izay manana vahoaka maro an’isa.+ Mbola tsy nisy toa azy hatramin’izay+ ary tsy hisy intsony koa any aoriany mandritra ny taona maro, hatrany amin’ny taranaka fara mandimby.
3 Eo alohany dia misy afo mandevona,+ ary ao aoriany kosa misy lelafo mandoro.+ Toy ny zaridainan’i Edena ny tany eo alohany,+ fa tany efitra lao kosa no ao aoriany, ary tsy misy izay tsy tratrany.
4 “Toy ny soavaly no fahitana azy, ary toy ny fihazakazaky ny soavaly fitondra miady no fihazakazahany.+
5 Ny fitsambikimbikiny dia tahaka ny firodorodon’ny kalesy eny an-tampon-tendrombohitra,+ sady tahaka ny firefodrefotry ny lelafo mandevona vodivary.+ Ary toy ny firenena mahery izay milahatra hiady izy.+
6 Hanaintaina mafy ireo firenena noho ny aminy.+ Ary hitebiteby izy rehetra, ka ho hita eny amin’ny endriny izany.+
7 “Mihazakazaka toy ny lehilahy mahery izy ireo,+ ary mianika manda toy ny lehilahy mpiady. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, ka tsy manova ny lalany.+
8 Tsy mifanosika izy ireo, sady miroso hatrany toy ny lehilahy tomady mandeha eny amin’ny lalany. Ary raha misy lavo aza noho ireo zana-tsipìka misidintsidina, dia tsy mijanona ny hafa fa manohy ny diany.
9 “Mirohotra mankao an-tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda. Mananika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.
10 Mihorohoro eo anatrehany ny tany, ary mihovotrovotra ny lanitra. Lasa maizina ny masoandro sy ny volana,+ ary tsy mamirapiratra intsony ny kintana.+
11 Ary i Jehovah hanandratra ny feony+ eo anoloan’ny tafiny,+ satria maro be ny miaramilany.+ Mahery mantsy ilay manatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy tena mampahatahotra ny andron’i Jehovah,+ ka iza no mahatanty izany?”+
12 “Koa miverena amiko amin’ny fonareo manontolo”,+ hoy i Jehovah, “ka mifadia hanina+ sy mitomania ary midradradradrà.+
13 Ary ny fonareo no rovito,+ fa tsy ny akanjonareo.+ Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa tsara fanahy sy mamindra fo izy,+ sady tsy mora tezitra+ no be hatsaram-panahy feno fitiavana.+ Ary hanenina ny amin’ilay loza kasainy hampiharina izy.+
14 Iza moa no mahalala raha hiova hevitra izy ka hanenina avy eo,+ ary hanome fitahiana,+ dia fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an’i Jehovah Andriamanitrareo?
15 “Tsofy ao Ziona ny anjombona.+ Manokàna fotoana fifadian-kanina,+ ary ambarao fa hisy fivoriambe manetriketrika.+
16 Angony ny vahoaka, ary hamasino ny fiangonana.+ Vorio ny lahiantitra, ary angony ny ankizy sy ny zaza minono.+ Aoka ny mpampaka-bady hivoaka avy ao amin’ny efitranony anatiny, ary ny nampakarina avy ao amin’ny efitranony.
17 “Aoka ny mpisorona mpanompon’i Jehovah hitomany eo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara,+ ka hanao hoe: ‘Aoka ianao halahelo ny olonao, Jehovah ô, ary aza avela ho afa-baraka ny lovanao+ ka hanjakan’ireo firenen-kafa. Nahoana izy ireo no hilaza any amin’ireo firenena hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”’+
18 Koa hahasaro-piaro an’i Jehovah ny taniny,+ ary haneho fangoraham-po amin’ny olony izy.+
19 Dia hovalian’i Jehovah ny olony hoe: ‘Handefasako varimbazaha sy divay vaovao ary menaka ianareo, ka ho vokin’izany.+ Ary tsy havelako holatsaina any amin’ireo firenena intsony ianareo.+
20 Ary hataoko lavitra anareo ilay tavaratra,+ ka haparitako any amin’ny faritra tsy misy rano sy any amin’ny tany lao. Dia hitodika any amin’ny ranomasina atsinanana+ ny loha laharany, ary any amin’ny ranomasina andrefana+ ny vodilaharany. Ary hiakatra ny fofony maimbo, eny, hiakatra foana izany.+ Fa hanao zavatra lehibe Andriamanitra.’
21 “Aza matahotra, ry tany. Ary mifalia sy miravoravoa, fa hanao zavatra lehibe i Jehovah.+
22 Aza matahotra, ry bibidia,+ fa ho lasa maitso ny kijana any an-tany efitra,+ ary hamoa ny hazo.+ Ary hamokatra be ny aviavy sy ny voaloboka.+
23 Mifalia sy miravoravoa amin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ry zanak’i Ziona.+ Fa hanome anareo oram-pararano ampy tsara izy,+ ary handatsaka oram-be aminareo, dia oram-pararano sy oran-dohataona, toy ny taloha.+
24 Ho feno varimbazaha voadio ny famoloana, ary ho tondraka ny divay vaovao sy ny menaka ka hihoatra ny fanantazana azy.+
25 Ary honerako ny fahavoazanareo tamin’ireo taona nandripahan’ny valala sy ny zana-balala mbola tsy ary elatra sy ny kalalao ary ny fanday, dia ilay tafiko lehibe nalefako hamely anareo.+
26 Ary hihinana ianareo ka ho voky,+ dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo,+ izay nanao soa be dia be taminareo.+ Koa tsy ho menatra intsony ny oloko.+
27 Dia ho fantatrareo fa eo amin’ny Israely aho,+ ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo fa tsy misy hafa.+ Koa tsy ho menatra intsony ny oloko.
28 “Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra,+ ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo+ haminany. Ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.
29 Ary na ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy amin’izany andro izany aza dia handatsahako ny fanahiko.+
30 “Ary hanisy fambara eny amin’ny lanitra+ sy eny amin’ny tany aho, dia ra sy afo ary setroka+ miakatra.
31 Ny masoandro hovana ho haizina+ ary ny volana ho ra,+ alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.+
32 Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara amin’izany.+ Fa ao amin’ny Tendrombohitra Ziona sy ao Jerosalema no hisy an’ireo ho afa-mandositra,+ araka ny efa nolazain’i Jehovah. Ho anisan’ireo ho tafavoaka velona antsoin’i Jehovah koa izy ireo.”+