Josoa 5:1-15
5 Ary ny mpanjaka rehetran’ny Amorita+ teny ampita andrefan’ny Reniranon’i Jordana, sy ny mpanjaka rehetran’ny Kananita+ tany amoron-tsiraka, dia nandre fa efa nataon’i Jehovah ritra teo anoloan’ny zanak’Israely ny ranon’i Jordana mandra-piampitan’izy ireo. Koa nihorohoro ny fon’ireo+ mpanjaka ireo raha vao nandre izany, ary tsy nanana herim-po hiadiana intsony izy ireo noho ny amin’ny zanak’Israely.+
2 Tamin’izay i Jehovah no nilaza tamin’i Josoa hoe: “Manamboara antsy amin’ny vatoafo ka ataovy indray ny famorana+ ny zanak’Israely, eny, ataovy fanindroany izany.”
3 Koa nanamboatra antsy tamin’ny vatoafo i Josoa, ka noforany tao Gibeata-haralota+ ny zanak’Israely.
4 Izao no antony nanaovan’i Josoa ilay famorana: Efa maty+ tany an-tany efitra teny an-dalana ny olona rehetra nivoaka avy tany Ejipta, izany hoe ny lehilahy mpiady rehetra, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta.
5 Efa voafora ny olona rehetra nivoaka avy tany, fa tsy voafora kosa ny olona rehetra teraka tany an-tany efitra, teny an-dalana, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta.
6 Fa nandeha efapolo taona+ tany an-tany efitra ny zanak’Israely, mandra-pahalany ripaka ny lehilahy mpiady rehetra nivoaka avy tany Ejipta izay tsy nihaino ny feon’i Jehovah. Efa nianiana tamin’izy ireo mantsy i Jehovah hoe tsy hamela azy hahita an’ilay tany+ nianianan’i Jehovah tamin’ny razany fa homena antsika,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+
7 Koa ny zanak’izy ireo no nataony ho solony,+ ka ireny no noforan’i Josoa. Mbola tsy voafora mantsy ireny, satria tsy noforana teny an-dalana.
8 Rehefa vita ny famorana an’ilay firenena manontolo, dia mbola nipetraka tany amin’izay nisy azy tao an-toby izy ireo, mandra-pahasitran’izy ireo.+
9 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Efa nakodiako hiala taminareo androany ny fanalam-baraka nataon’i Ejipta.”+ Koa natao hoe Gilgala+ ny anaran’izany toerana izany mandraka androany.
10 Mbola nitoby tao Gilgala ny zanak’Israely, ka nitandrina ny Paska tamin’ny takarivan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko.
11 Ary ny ampitson’ny Paska, eny, tamin’izay andro izay no nanombohan’izy ireo nihinana ny vokatry ny tany, dia mofo tsy misy lalivay+ sy voam-bary natono.
12 Koa nitsahatra ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ny zanak’Israely intsony.+ Dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+
13 Rehefa teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nanopy ny masony ka nijery, ary io fa nisy lehilahy+ nijoro teo anatrehany, sady nitana sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony.+ Koa nanatona azy i Josoa ka niteny hoe: “Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?”
14 Ary hoy ralehilahy: “Tsia, fa lehiben’ny tafik’i Jehovah aho, ary izany no ahatongavako eto.”+ Dia niondrika i Josoa ka niankohoka+ tamin’ny tany, sady niteny hoe: “Inona no holazain’ny tompoko amin’ny mpanompony?”
15 Ary hoy ilay lehiben’ny tafik’i Jehovah tamin’i Josoa: “Esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa masina io toerana ijoroanao io.” Dia nataon’i Josoa avy hatrany izany.+