Josoa 7:1-26

7  Ary nivadika tamin’Andriamanitra ny zanak’Israely, fa tsy nankatò ny didy momba ny zavatra voatokana haringana.+ Naka tamin’izany mantsy i Akana+ zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda. Koa tezitra be tamin’ny zanak’Israely i Jehovah.+  Ary nisy olona nirahin’i Josoa avy tao Jeriko hankany Ay,+ izay teo akaikin’i Beti-avena,+ tany atsinanan’i Betela,+ ka nilazany hoe: “Miakara mba hijery taratra an’ilay tany.” Koa niakatra hijery taratra an’i Ay izy ireo.+  Dia niverina teo amin’i Josoa ireo, ka niteny taminy hoe: “Aoka tsy ny olona rehetra no hiakatra hamely an’i Ay, fa aleo roa arivo na telo arivo lahy eo ho eo ihany. Aza manasatra ny olona rehetra hankany, fa vitsy ry zareo.”  Koa telo arivo lahy teo ho eo no niakatra nankany Ay, nefa nandositra teo anoloan’ny olona tao izy ireo.+  Ary nahafaty enina amby telopolo lahy teo ho eo tamin’izy ireo ny olona tao Ay, ka nanenjika+ azy avy teo anoloan’ny vavahady hatrany Sebarima, sady tsy nitsahatra namely azy teny am-pidinana. Koa nihorohoro ny fon’ny vahoaka, ka toy ny hoe nitsonika lasa rano ny herim-pony.+  Dia nandrovitra ny lamba fitafiny i Josoa. Ary niankohoka+ tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah izy sy ny anti-panahin’ny Israely mandra-paharivan’ny andro, sady nasian’izy ireo vovoka foana ny lohany.+  Ary hoy i Josoa: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Inona no antony nitondranao an’ity vahoaka ity tamin’ireny lalana rehetra ireny, ka nampitanao azy teo amin’ny Reniranon’i Jordana? Mba hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amorita ve ka handringanany anay? Tsy naleonay ihany ve nijanona teny ampitan’i Jordana?+  Miala tsiny aminao aho, Jehovah ô! Inona intsony no holazaiko? Ny Israely aza efa niamboho fahavalo.  Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity izany, dia hanodidina anay izy ireo ka hanafoana ny anaranay tsy ho eto an-tany.+ Dia hataonao ahoana ny anaranao be voninahitra?”+ 10  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Mitsangàna ianao! Fa nahoana ianao no miankohoka toy izao? 11  Efa nanota ny Israely sady efa nivadika tamin’ny fifanekena+ nasaiko notandremany. Efa nakany koa ny zavatra voatokana haringana,+ ka nangalariny+ sy nafeniny+ ary nataony tao amin’ny entany.+ 12  Koa tsy hahatohitra ny fahavalony ny zanak’Israely.+ Hiamboho fahavalo izy, satria nanjary voatokana haringana koa ny tenany. Ary tsy homba anareo intsony aho, raha tsy aringanareo tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana.+ 13  Koa mandehana, hamasino ny vahoaka,+ ka ilazao hoe: ‘Hamasino ny tenanareo rahampitso, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Misy zavatra voatokana haringana eo aminao, ry Israely ô!+ Tsy hahatohitra ny fahavalonareo intsony ianareo, raha tsy efa voaesotra tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana. 14  Ary misehoa isam-poko rahampitso, ka izay foko hotanan’i Jehovah+ no hanatona isaky ny fianakaviambe, ary izay fianakaviambe hotanan’i Jehovah no hanatona isaky ny ankohonana, ary izay ankohonana hotanan’i Jehovah no hanatona isaky ny vatan-dehilahy. 15  Koa izay voatana miaraka amin’ilay zavatra voatokana haringana, dia hodorana+ miaraka amin’izay rehetra azy. Nivadika tamin’ny fifanekena+ nataon’i Jehovah mantsy izy, ary nanao zavatra manala baraka teo amin’ny Israely.”’”+ 16  Koa nifoha maraina i Josoa, ary nasainy nanatona isam-poko ny Israely, ka ny fokon’i Joda no voatana. 17  Avy eo dia nasainy nanatona ireo fianakaviamben’i Joda, ka ny fianakaviamben’ny Zerita+ no voatana. Ary nasainy nanatona isaky ny vatan-dehilahy ny fianakaviamben’ny Zerita, ka i Zabdy no voatana. 18  Farany, dia nasainy nanatona isaky ny vatan-dehilahy ny ankohonan’i Zabdy, ka i Akana zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda no voatana.+ 19  Ary hoy i Josoa tamin’i Akana: “Miangavy anao aho, anaka, mba hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ ka hibaboka aminy.+ Lazao amiko+ re izay nataonao, fa aza afenina+ ahy e!” 20  Dia hoy ny navalin’i Akana an’i Josoa: “Marina tokoa fa izaho no nanota tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ ka izao no nataoko: 21  Nahita+ akanjom-boninahitra teo amin’ny zavatra azo babo aho, eny, akanjo tsara tarehy avy any Sinara,+ ary koa sekely* volafotsy roanjato sy vaingam-bolamena iray nilanja sekely dimampolo. Dia notsiriritiko izany+ ka nalaiko.+ Ary voafina ao anaty tany eo afovoan’ny tranolaiko izany, ka ao ambaniny ny vola.”+ 22  Koa nandefa iraka avy hatrany i Josoa. Dia nihazakazaka nankany amin’ilay tranolay ireo, ary hitany voafina tao tokoa izany ka tao ambaniny ny vola. 23  Koa nalain’izy ireo teo afovoan’ny tranolay izany ka nentiny tany amin’i Josoa sy ny zanak’Israely rehetra, ary nararany teo anatrehan’i Jehovah. 24  Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana+ zanak’i Zera, mbamin’ilay volafotsy sy ilay akanjo ary ilay vaingam-bolamena,+ ary koa ny zanany lahy sy ny zanany vavy sy ny ombiny sy ny ampondrany sy ny ondry aman’osiny sy ny tranolainy ary izay rehetra azy, ka nentiny teo amin’ny lemaka ivan’i Akora.+ 25  Ary hoy i Josoa: “Nahoana no nahatonga loza taminay ianao?+ Hahatonga loza aminao koa i Jehovah anio.” Dia nitora-bato azy ny Israely rehetra,+ ary nandoro+ azy nony avy eo. Eny, notorahany vato ireo. 26  Ary nanangana antontam-bato lehibe teo amboniny izy ireo, ka mbola eo izany mandraka androany.+ Dia nitony ny fahatezerana mafin’i Jehovah.+ Izany no antony nanaovana ny anaran’io toerana io hoe Lemaka Ivan’i Akora,+ mandraka androany.

Fanamarihana

1 sekely = 11,4 g.