Kolosianina 1:1-29

1  Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra,+ sy Timoty+ rahalahintsika.  Ho an’ny olona masina sy ireo rahalahy tsy mivadika, izay tafaray+ amin’i Kristy, eny, ianareo izay monina any Kolosia, Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!+  Isaoranay+ mandrakariva Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, rehefa mivavaka ho anareo izahay,+  satria renay ny amin’ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,+  noho ilay fanantenana+ voatahiry any an-danitra ho anareo.+ Efa nandre momba an’io fanantenana io ianareo taloha, fony nambara taminareo ny fahamarinan’izany vaovao tsara+ izany,  izay tonga tany aminareo. Ary mahavokatra+ sy mitombo+ izy io eran’izao tontolo izao+ toy ny atỳ aminareo koa, nanomboka tamin’ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo marina+ tsara ny tena atao hoe hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+  Izany no nianaranareo tamin’i Epafra,+ mpiara-manompo malalantsika, lehilahy tsy mivadika sady mpanompon’i Kristy, izay misolo tena anay.  Izy koa no nampahafantatra anay ny amin’ilay fitiavana+ anananareo noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra anareo.  Izany koa no nahatonga anay tsy nitsahatra nivavaka+ sy nangataka ho anareo, nanomboka tamin’ny andro nandrenesanay izany, mba hofenoina fahalalana+ marina tsara ny sitrapony ianareo ka hanana ny fahendrena+ rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy.+ 10  Amin’izay dia handeha mendrika+ an’i Jehovah+ ianareo mba hankasitrahany tanteraka anareo, raha mbola mahavokatra hatrany koa ianareo eo amin’ny asa tsara+ rehetra, ary raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny fahalalanareo marina tsara+ an’Andriamanitra, 11  ary hatanjahina amin’ny hery rehetra ianareo, araka ny haben’ny heriny be voninahitra,+ mba hiaritra+ tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana, 12  ary hisaotra mandrakariva ny Ray izay nampahamendrika anareo, hanananareo anjara lova+ miaraka amin’ny olona masina+ ao amin’ny mazava.+ 13  Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny+ haizina izy, ka namindra+ antsika ho amin’ny fanjakan’ilay+ Zanany tiany.+ 14  Ny Zanaka no ahazoantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana, dia ny famelana ny helotsika.+ 15  Izy no endrik’ilay+ Andriamanitra tsy hita maso,+ ary izy koa no lahimatoa+ amin’ny zavaboary rehetra, 16  satria izy no nampiasaina+ tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana izany, na fitondrana na fanjakana na fahefana.+ Tamin’ny alalany,+ ary ho azy, no namoronana ny zavatra hafa rehetra. 17  Nisy talohan’ny zavatra hafa rehetra koa izy,+ ary nampiasaina mba hampisy ny zavatra hafa rehetra.+ 18  Ary izy no loha amin’ny vatana, dia ny fiangonana.+ Izy no fiandohana, ny lahimatoa amin’ny maty,+ mba ho izy no ho voalohany+ amin’ny zava-drehetra, 19  satria sitrak’Andriamanitra hitoetra ao aminy ny fahafenoana+ rehetra, 20  ary sitrak’Andriamanitra koa ny hampiasa azy mba hampihavanina+ aminy indray ny zavatra hafa rehetra,+ na ny etỳ an-tany, na ny any an-danitra, eny, hampihavanina+ aminy amin’ny alalan’ny ra+ nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.+ 21  Lavitra+ an’Andriamanitra tokoa ianareo taloha sady fahavalony, satria nifantoka tamin’ny asa ratsy ny sainareo.+ 22  Nampihavanin’Andriamanitra taminy+ indray anefa ianareo izao, tamin’ny alalan’ny vatana ara-nofo nananan’izy io, tamin’ny nahafatesany.+ Amin’izay dia mba ho masina sy tsy misy tsiny+ ary tsy misy hokianina+ ianareo rehefa atolotra eo anatrehany, 23  raha maharitra amin’ny finoana+ ianareo, ka miorina tsara eo amin’ny fototra,+ ary tsy mihozongozona+ na voafindra hiala amin’ny fanantenana an’ilay vaovao tsara renareo+ sady notorina+ tamin’ny zavaboary+ rehetra eny ambanin’ny lanitra. Ary tonga mpanompo mitory an’io vaovao tsara io izaho Paoly.+ 24  Faly aho izao satria mijaly ho anareo,+ ary izay tsy ampy amin’ny fijalian’i+ Kristy ato amin’ny nofoko, dia izaho indray kosa no mameno izany, ho an’ny vatan’i Kristy, dia ny fiangonana.+ 25  Tonga mpanompon’izany+ fiangonana izany aho, araka ny asa fiandraiketana+ nomen’Andriamanitra ahy hahasoa anareo, mba hamitana tanteraka ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra. 26  Izany zava-miafina masina+ izany dia nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity+ sy hatramin’ny taranaka maro lasa, fa ankehitriny kosa efa naseho+ tamin’ny olony masina. 27  Ary sitrak’Andriamanitra ny hampahafantatra amin’ny olony masina ny harena+ be voninahitr’io zava-miafina masina+ io, izay naseho teo amin’ny hafa firenena. Izany zava-miafina izany dia i Kristy+ tafaray aminareo, izany hoe ny fanantenanareo hiara-homem-boninahitra aminy.+ 28  Izy no torinay,+ ka ananaranay sy ampianaranay ny olona rehetra amim-pahendrena+ tanteraka, mba ho olona matotra+ sy tafaray amin’i Kristy avokoa no atolotray. 29  Izany no antony ilofosako ka iezahako mafy+ amin’ny alalan’ny heriny+ izay miasa+ ato anatiko.

Fanamarihana