Kolosianina 2:1-23

2  Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady+ ataoko ho anareo, sy ho an’izay any Laodikia+ ary izay rehetra mbola tsy nahita ny salovan-tavako,  mba hampiononana+ ny fon’izy ireo, ary mba ho tafakambana mirindra tsara ao amin’ny fitiavana+ izy ireo. Amin’izay izy ireo dia hahazo ny harena rehetra, izay tsy inona fa ny fatokisany tanteraka ny fomba fahazoany hevitra,+ ary mba hahazoany fahalalana marina tsara ny zava-miafina masin’Andriamanitra, izany hoe i Kristy.+  Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.+  Milaza izany aho mba tsy hisy hamitaka anareo amin’ny hevitra maharesy lahatra.+  Fa na tsy eo aminareo aza ny tenako, dia any aminareo kosa ny saiko,+ ka faly aho mijery ny filaminanareo+ sy ny tanjaky ny finoanareo+ an’i Kristy.  Koa tahaka ny efa nanekenareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia aoka ianareo hiara-mandeha aminy foana sady ho tafaray+ aminy,  ary hamaka tsara+ sy hiorina+ hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana,+ araka ny efa nampianarana anareo, ka hanam-pinoana lehibe sady ho feno fisaorana.+  Tandremo sao hisy hahalasa+ anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia+ sy ny famitahana poakaty+ araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra+ eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy,  satria ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny+ toetran’Andriamanitra.+ 10  Koa amin’ny alalan’i Kristy, izay lohan’ny fanjakana sy ny fahefana rehetra,+ dia tsy misy zavatra tsy anananareo. 11  Ary ny fifandraisanareo+ aminy no nahatonga anareo koa ho voafora+ tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny nofo mpanota,+ tamin’ny famoran’i Kristy. 12  Fa efa niara-nalevina taminy tamin’ny batisany+ ianareo. Ary ny fifandraisanareo aminy no nahatonga anareo ho niara-natsangana+ taminy, noho ny finoanareo+ ny asa+ nataon’Andriamanitra, izay nanangana azy tamin’ny maty.+ 13  Ary na dia maty tao amin’ny helokareo sy ny nofonareo tsy voafora aza ianareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy indray kosa.+ Tsara fanahy izy ka namela ny helotsika rehetra.+ 14  Ary novonoiny+ ilay sora-tanana+ nisy didy maro,+ izay niampanga antsika sy nanameloka antsika.+ Eny, nesoriny izy io rehefa nofantsihany+ tamin’ny hazo fijaliana.+ 15  Nahanjahanjan’Andriamanitra ny fanjakana sy ny fahefana+ ka nasehony teny imasom-bahoaka toy ny olona resy+ ireny, ary notarihiny tao amin’ny filaharan’ny mpandresy,+ tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana. 16  Koa aoka tsy hisy hitsara+ anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana,+ na ny andro fety+ na ny fankalazana tsinam-bolana,+ na ny fitandremana sabata.+ 17  Fa aloky+ ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy+ dia an’i Kristy.+ 18  Aoka tsy hahasakana anareo tsy hahazo+ ny loka+ ny olona finaritra amin’ny fanetren-tena sarintsariny sy ny fivavahana amin’ny anjely,* ka manizingizina ny zavatra hitany ary mieboebo tsy amin’antony noho ny fisainany araka ny nofo. 19  Izy anefa tsy mifikitra akory amin’ny loha,+ dia ilay itomboan’ny vatana manontolo araka ny fampitomboan’Andriamanitra+ azy. Ny tonon-taolana sy hozatra mampifandray azy no manome izay ilain’ilay vatana manontolo sady manakambana azy mirindra tsara.+ 20  Ary raha niara-maty+ tamin’i Kristy ianareo raha ny amin’ny zavatra fototra+ eo amin’ity tontolo ity,+ nahoana ianareo no mbola manaiky hofehezin’ny didy,+ toy ny hoe mbola velona eo amin’izao tontolo izao ihany? 21  Nahoana ianareo no manaiky hodidiana hoe: “Aza mandray, aza manandrana,+ aza mikasika”+ 22  ny amin’ny zavatra izay samy tsy maintsy ho levona rehefa avy nampiasaina, araka ny didy sy ny fampianaran’olombelona?+ 23  Toa fahendrena tokoa ireo zavatra ireo, ary maneho izany izy ireo amin’ny fanarahany fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany, sy amin’ny fanehoany fanetren-tena sarintsariny, ary ny fampijalian-tena.+ Tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy anefa izany.+

Fanamarihana

Na: “fivavahan’ny anjely.”