Kolosianina 4:1-18
4 Ianareo tompo, ento araka ny fahamarinana sy ny rariny foana ny mpanomponareo,+ satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.+
2 Mahareta amin’ny vavaka,+ ka miambena mandrakariva amin’izany, sady asio fisaorana.+
3 Ary mivavaha koa ho anay,+ mba hasian’Andriamanitra varavarana misokatra+ hahafahanay hitory ny teny sy hilaza ny zava-miafina+ masina momba an’i Kristy, fa izany indrindra no mahatonga ahy ho voafatotra ato am-ponja,+
4 mba hanazavako tsara izany zava-miafina izany, araka izay tokony hitenenako.+
5 Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona eny ivelany,+ ka mahaiza manararaotra* fotoana.+
6 Aoka ho teny mahafinaritra+ sady mamy sira+ foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo+ ny olona tsirairay.
7 Hampahafantatra anareo ny zava-drehetra momba ahy i Tykiko,+ rahalahy malalako, izay mpanompo mendri-pitokisana sady mpiara-manompo amiko ao amin’ny Tompo.
8 Irahiko ho any aminareo izy mba hahalalanareo izay vaovao momba anay sy mba hampiononany ny fonareo.+
9 Ampiarahiko aminy koa i Onesimosy,+ rahalahy mendri-pitokisana sy malalako, izay avy aminareo. Izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny zava-drehetra atỳ.
10 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko,+ mpiara-migadra amiko, sy Marka,+ zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy—izy ilay nasaina noraisinareo tsara+ raha sendra tonga any aminareo.—
11 Mampamangy, hono, ianareo, hoy koa i Jesosy, izay atao hoe Josto. Anisan’ny voafora ireo, ary ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra, ary mbola ireo koa no nanampy sy nankahery ahy.
12 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Epafra,+ izay avy any aminareo, ary mpanompon’i Kristy Jesosy. Mikely aina mandrakariva izy mivavaka ho anareo, mba hitoetra ho matotra*+ ianareo amin’ny farany sady hatoky tanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
13 Mijoro ho vavolombelony aho fa nanao ezaka lehibe tokoa izy, ho anareo sy ho an’ireo any Laodikia+ ary ireo any Hierapolia.
14 Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Lioka+ dokotera malala sy Demasy.+
15 Mampamangy any amin’ireo rahalahy any Laodikia, ary mampamangy koa any amin’i Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.+
16 Ary rehefa voavaky eo aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana+ azy koa amin’ny fiangonan’ny Laodikianina, ary ataovy koa izay hamakianareo ilay avy any Laodikia.
17 Mba ilazao koa i Arkipo+ hoe: “Tandremo hatrany, hono, hoe ilay fanompoana nekenao hatao ao amin’ny Tompo, ka tanteraho tsara.”
18 Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly.+ Tsarovy mandrakariva fa mifatotra ato am-ponja+ aho. Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!