Levitikosy 1:1-17

1  Ary niantso an’i Mosesy i Jehovah, ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana+ hoe:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely+ hoe: ‘Raha misy aminareo manolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy no atero.  “‘Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana,+ dia tokony ho lahy tsy misy kilema.+ Eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana no hanolorany azy an-tsitrapo eo anatrehan’i Jehovah.+  Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra dorana izy, ary horaisina tsara+ izany mba handrakofana ny fahotany.+  “‘Avy eo, dia hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ilay vantotr’ombilahy. Ary hatolotr’ireo mpisorona+ zanakalahin’i Arona ny ra, ka hafafiny eo amin’ireo lafin’ilay alitara+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Hendahana ny hoditr’ilay fanatitra dorana.+ Ary horasarasaina ilay fanatitra avy eo.  Hitondra vainafo ho eo ambony alitara+ ireo mpisorona zanakalahin’i Arona, ka handahatra kitay eo ambony afo.+  Halahatr’izy ireo eo ambony kitay, ao anaty afo eo ambony alitara, ny henan’ilay vantotr’ombilahy efa voarasarasa,+ sy ny lohany ary ny jaborany.  Fa ny tsinainy+ sy ny ranjony kosa hosasana amin’ny rano. Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ilay biby manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 10  “‘Ary raha ondry aman’osy+ no akany ho fanatitra dorana, na zanak’ondry izany na osy, dia lahy+ tsy misy kilema no hatolony.+ 11  Hovonoina eo avaratry ny alitara, eo anatrehan’i Jehovah, izany. Ary hafafy eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra,+ ka ireo mpisorona zanakalahin’i Arona no hanao izany. 12  Ary horasarasainy ilay fanatitra, ka hesoriny ny lohany sy ny jaborany. Dia halahatry ny mpisorona eo ambony kitay, ao anaty afo eo ambony alitara, izany.+ 13  Hosasany amin’ny rano ny tsinainy+ sy ny ranjony.+ Ary hatolotry ny mpisorona ilay biby manontolo, ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ Fanatitra dorana izany, fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 14  “‘Fa raha vorona kosa no akany ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, dia domohina+ na zana-boromailala+ no hatolony. 15  Ary hatolotry ny mpisorona eo amin’ny alitara izany, ka hotsongoiny+ ny tendan’ilay vorona mba ho tataka. Hodorany eo ambony alitara ilay vorona mba hidona-tsetroka. Fa ny rany kosa havela hitsika eo amin’ny lafin’ny alitara. 16  Ary hesoriny ny takorobabony mbamin’ny volony ka hatsipiny eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny toeran’ny lavenona feno menaka.+ 17  Dia hosamahiny eo amin’ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy+ roa. Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambony kitay, ao anaty afo. Fanatitra dorana+ izany, fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+

Fanamarihana