Levitikosy 11:1-47

11  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Izao no zavamananaina azonareo hanina,+ amin’ny biby rehetra manan-tongotra efatra ambonin’ny tany:  Ny biby mandinika* rehetra izay mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony no azonareo hanina.+  “‘Izao ihany no tsy azonareo hanina, amin’ny biby mandinika sy mivaky kitro: Ny rameva, satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.+  Toy izany koa ny bitrom-bato,+ satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.  Toy izany koa ny bitrodia,+ satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.  Toy izany koa ny kisoa,+ satria mivaky kitro izy sady misaraka tsara ny kitrony, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo izy.  Aza mihinana amin’ny henan’ireny, ary aza mikasika ny fatiny.+ Maloto aminareo ireny.+  “‘Izao no azonareo hanina, amin’izay rehetra ao anaty rano:+ Izay rehetra misy vombony sy kirany,+ na ao anaty rano izany na ao an-dranomasina na ao an-drenirano, dia azonareo hanina. 10  Amin’ny biby rehetra mifanaretsaka ao anaty rano sy ny zavamananaina* rehetra ao anaty rano, dia zava-maharikoriko aminareo ny biby tsy misy vombony sy kirany, na ao an-dranomasina izany na ao an-drenirano. 11  Eny, ho zava-maharikoriko ireny aminareo. Aza mihinana amin’ny nofony,+ ary aoka haharikoriko anareo ny fatiny. 12  Izay rehetra ao anaty rano ka tsy misy vombony sy kirany dia zava-maharikoriko aminareo. 13  “‘Ireto avy ny zava-maharikoriko aminareo amin’ny biby manidina,+ ka tsy tokony hohanina fa zava-maharikoriko: Ny voromahery,+ ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty, 14  ny papango mena, ny karazana papango mainty+ rehetra, 15  ny karazana goaika+ rehetra, 16  ny aotirisy,+ ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 17  ny vorondolo kely, ny sakaizamboay, ny vorondolo lava sofina,+ 18  ny gisa mpanidina, ny gisandrano, ny vaotoro,+ 19  ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy.+ 20  Zava-maharikoriko aminareo koa ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha amin’ny tongotra efatra.+ 21  “‘Izao ihany no azonareo hanina amin’ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, izay mandeha amin’ny tongotra efatra: Ireo manana fe itsambikinana, dia fe avo kokoa noho ny tongony mba hitsambikinany eo amin’ny tany. 22  Amin’ireny dia ireto no azonareo hanina: Ny karazana valala rehetra mpifindra monina,+ ny karazana valala fihinana+ rehetra, ny karazana angelikary rehetra, ary ny karazana valala hafa+ rehetra. 23  Zava-maharikoriko+ aminareo ny bibikely hafa rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary manan-tongotra efatra. 24  Koa ireny no hahatonga anareo haloto. Ary haloto mandra-paharivan’ny andro+ izay mikasika ny fatin’ireny. 25  Izay mitondra ny fatin’ireny dia hanasa+ ny akanjony, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. 26  “‘Maloto aminareo ny biby rehetra manan-tongotra efatra, izay mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony ary tsy mandinika. Haloto izay mikasika azy.+ 27  Ary izay biby rehetra mandeha amin’ny faladiany, ka anisan’ny zavamananaina mandeha amin’ny tongotra efatra, dia maloto aminareo. Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny. 28  Izay mitondra ny fatin’ireny+ dia hanasa ny akanjony,+ ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Maloto aminareo ireny. 29  “‘Ary amin’ny biby mifanaretsaka ambonin’ny tany, dia izao no maloto aminareo:+ Ny voalavo mpihady tany, ny voalavo+ mpitsambikina, ny karazana androngo rehetra, 30  ny katsatsaka, ny androngobe, ny androngon-drano, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy. 31  Ireo no maloto aminareo, amin’ny biby mifanaretsaka rehetra.+ Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatiny.+ 32  “‘Haloto izay zavatra ilatsahan’ny fatin’ny iray amin’ireo, na fitoeran-javatra vita amin’ny hazo+ izany, na akanjo, na hoditra+ na lamba gony.+ Hatao anaty rano daholo izay fitoeran-javatra fampiasanareo, ka haloto mandra-paharivan’ny andro, ary hadio avy eo. 33  Ary raha misy ilatsahan’ny fatin’ny iray amin’ireo ny fitoeran-javatra vita amin’ny tanimanga,+ dia haloto izay ao anatiny, ary hopotehinareo ilay izy.+ 34  Haloto izay sakafo nilatsahan’ny rano avy tamin’ilay fitoeran-javatra, ary haloto koa izay zava-pisotro ao anatin’izay fitoeran-javatra nilatsahan’ilay rano. 35  Haloto izay zavatra ilatsahan’ny iray amin’ny fatin’ireo biby ireo, na lafaoro izany, na fametrahana siny, ka tokony hopotehina. Maloto izany, ka zava-maloto aminareo. 36  Ny loharano sy ny lavaka fanangonan-drano ihany no hitoetra ho madio, fa haloto kosa izay olona mikasika ny fatin’ireo biby ireo. 37  Ary raha misy amin’ny fatin’ireo biby ireo latsaka eo amin’ny voa hafafy, dia mbola madio ihany izany voa izany. 38  Fa raha nolemana kosa ny voa, nefa nilatsahan-javatra avy tamin’ny fatin’ireo biby ireo, dia maloto aminareo izany voa izany. 39  “‘Ary raha misy maty ny biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatiny.+ 40  Hanasa ny akanjony izay mihinana+ amin’ilay fatim-biby, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Hanasa ny akanjony koa izay mitondra ilay fatim-biby, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. 41  Zava-maharikoriko izay biby rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany,+ ka tsy azo hanina. 42  Amin’ny biby rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany, dia tsy azonareo hanina ny biby mikisaka amin’ny kibony+ sy mandeha amin’ny tongotra efatra na amin’ny tongotra maro be, satria zava-maharikoriko ireny.+ 43  Mitandrema ianareo sao ho tonga zava-maharikoriko noho ny amin’ny biby mifanaretsaka. Ary aza mandoto tena amin’ireny, ka ho lasa maloto.+ 44  Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo,+ satria masina aho.+ Koa aza mandoto tena amin’ny biby mifanaretsaka, izay mihetsiketsika eny ambonin’ny tany. 45  Fa izaho no Jehovah izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho.+ Koa aoka ho masina ianareo,+ satria masina aho.+ 46  “‘Izany no lalàna momba ny biby manan-tongotra efatra sy ny biby manidina sy ny zavamananaina* rehetra mihetsiketsika ao anaty rano,+ ary ny biby* rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany, 47  mba hanavahana+ ny maloto sy ny madio, ary ny zavamananaina azo hanina sy ny tsy azo hanina.’”

Fanamarihana

Izany hoe mamerina mitsako ny sakafo efa nateliny.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.