Levitikosy 16:1-34

16  Ary niteny tamin’i Mosesy i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’ny zanak’i Arona roa lahy, izay nanatona teo anatrehan’i Jehovah ka maty.+  Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao i Arona rahalahinao mba tsy hiditra foana ao amin’ny toerana masina,+ izany hoe ao ambadiky ny ridao,+ eo anoloan’ny saron’ny Vata, sao ho faty izy.+ Ao anaty rahona+ mantsy no hisehoako eo ambonin’ilay sarony.+  “Ireto avy no hoentin’i Arona miditra ao amin’ny toerana masina:+ Vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.+  Tokony hanaovany ny akanjo masina vita amin’ny lamba rongony.+ Ary tokony hanaronany ny fitanjahany ny kilaoty lava vita amin’ny lamba rongony.+ Tokony hanaovany koa ny fehikibo lamba rongony,+ ary ny satroka lamba+ kosa hataony mihodidina ny lohany. Fitafiana masina+ ireo, ka handro amin’ny rano+ izy, vao hanao an’ireo.  “Izao no alainy avy amin’ny zanak’Israely:+ Osilahy kely roa ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.+  “Hanolotra an’ilay omby atao fanatitra noho ny ota i Arona, dia ilay ho an’ny tenany.+ Ary handrakotra+ ny fahotan’ny tenany+ sy ny an’ny fokony+ izy.  “Dia halainy ny osilahy roa ka hataony eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Ary hanaovany antsapaka+ ireo osilahy roa, ka ny iray ho an’i Jehovah, ary ny iray ho an’i Azazela.+  Rehefa hita amin’ny antsapaka+ izay osilahy ho an’i Jehovah, dia iny no hatolotr’i Arona ho fanatitra noho ny ota.+ 10  Ary ilay osilahy, izay hita amin’ny antsapaka fa an’i Azazela, dia hajorony velona eo anatrehan’i Jehovah, ho fandrakofana ny fahotan’ilay osilahy anankiray, ary halefa+ any an-tany efitra+ ho an’i Azazela. 11  “Dia hanolotra an’ilay omby atao fanatitra noho ny ota i Arona, dia ilay ho an’ny tenany. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny fokony izy. Hovonoiny ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ilay ho an’ny tenany.+ 12  “Ary halain’i Arona ny fitondrana afo+ feno vainafo avy teo amin’ilay alitara+ eo anatrehan’i Jehovah. Dia haka emboka manitra+ voatoto tsara eran-tanan-droa+ koa izy, ka hoentiny ao ambadiky ny ridao ireo.+ 13  Ary hataony eo amin’ny vainafo eo anatrehan’i Jehovah ny emboka manitra,+ ka ho rakotry ny setroky ny emboka manitra ny saron’ny Vata,+ izany hoe ny sarony eo ambonin’ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ary hataony izany mba tsy ho faty izy. 14  “Dia hakan’i Arona ny ran’ilay+ omby, ka hafafiny amin’ny rantsantanany iray eo anoloan’ny saron’ny Vata, eo amin’ny lafiny atsinanana. Ary ny ra sasany kosa hafafiny+ impito eo anoloan’ilay sarony,+ amin’ny rantsantanany iray. 15  “Hovonoin’i Arona ilay osilahy atao fanatitra noho ny ota, dia ilay ho an’ny vahoaka.+ Ary hoentiny ao ambadiky ny ridao+ ny ran’ilay+ osilahy, ka hataony toy ny nataony tamin’ny ran’ilay omby. Dia hafafiny tandrifin’ilay sarony sy eo anoloan’ilay sarony izany. 16  “Ary handrakotra ny fahotan’ny toerana masina izy, noho ny fahalotoan’ny+ zanak’Israely sy ny fikomiany ary ny fahotany rehetra.+ Izany koa no hataon’i Arona ho an’ny tranolay fihaonana, izay mitoetra eo amin’izy ireo, eo anivon’ny fahalotoany. 17  “Tsy tokony hisy olon-kafa ao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa miditra ao izy mba hanao fandrakofam-pahotana ao amin’ny toerana masina, ka mandra-pivoakany avy ao. Ary handrakotra ny fahotan’ny tenany,+ sy ny an’ny fokony, ary ny an’ny fiangonan’Israely manontolo izy.+ 18  “Ary hivoaka avy ao izy, ka hankeo amin’ilay alitara+ izay eo anatrehan’i Jehovah, ary handrakotra ny fahotan’izy io. Dia hakany ny ran’ilay omby sy ny ran’ilay osilahy, ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitara eo amin’ny zorony efatra.+ 19  Ary hafafiny+ impito eo ambony alitara, amin’ny rantsantanany iray, ny ra sasany. Koa hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ny fahalotoan’ny zanak’Israely, ilay alitara. 20  “Hanolotra an’ilay osilahy velona+ izy rehefa avy mandrakotra+ ny fahotan’ny toerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara. 21  Ary hametraka ny tanany+ roa eo amin’ny lohan’ilay osilahy velona izy, sady hiaiky+ ny fahadisoana+ rehetra nataon’ny zanak’Israely mbamin’ny fikomiana sy ny fahotana rehetra nataon’izy ireo.+ Dia hataony eo amin’ny lohan’ilay osilahy+ izany rehetra izany, ka halefany any an-tany efitra+ ilay osilahy, izay hotarihin’ny lehilahy+ iray efa vonona. 22  Ary hoentin’ilay osilahy ho any an-tany efitra+ ny fahadisoana+ rehetra nataon’ny zanak’Israely. Dia halefa any amin’ny tany karakaina ilay osilahy.+ 23  “Ary hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana i Arona, ka hanala ireo fitafiana vita amin’ny lamba rongony izay nanaovany tamin’izy niditra tao amin’ny toerana masina, ary hametraka izany ao.+ 24  Handro amin’ny rano+ ao amin’ny toerana masina+ izy, ary hanao ny akanjony,+ dia hivoaka avy ao. Ary hanolotra fanatitra dorana+ izy, dia ny an’ny tenany sy ny an’ny vahoaka, ka handrakotra ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka.+ 25  Ary hodorany eo ambony alitara ny tavin’ny fanatitra noho ny ota mba hidona-tsetroka.+ 26  “Ilay+ nandefa ny osilahy ho an’i Azazela+ kosa hanasa ny akanjony, ka handro amin’ny rano.+ Afaka miditra ao an-toby izy aorian’izay. 27  “Fa hasaina hoentina eny ivelan’ny toby kosa ilay omby sy ilay osilahy izay samy natao fanatitra noho ny ota, rehefa avy nentina tao amin’ny toerana masina ny ran’ireo mba handrakofam-pahotana. Ary hodorana ny hodiny sy ny henany ary ny tainy.+ 28  Hanasa ny akanjony ilay nandoro izany, ary handro amin’ny rano. Afaka miditra ao an-toby izy aorian’izay. 29  “Izao no ho lalàna ho anareo mandritra ny fotoana tsy voafetra:+ Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito,+ dia hampahory tena ianareo,+ ary tsy hanao asa na inona na inona,+ na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo. 30  Amin’io andro io mantsy no handrakofana+ ny fahotanareo mba hanambarana anareo ho madio. Hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra ianareo, eo anatrehan’i Jehovah.+ 31  Sabata+ fitsaharana tanteraka izany ho anareo, ary hampahory tena ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. 32  “Ary ny mpisorona izay ho voahosotra+ sy homena fahefana* hanao ny asan’ny mpisorona+ handimby+ an-drainy, dia handrakotra fahotana sy hanao fitafiana vita amin’ny lamba rongony.+ Fitafiana masina ireo.+ 33  Ary handrakotra ny fahotan’ny toerana masina+ mbamin’ny tranolay+ fihaonana sy ny alitara+ izy, ary handrakotra ny fahotan’ny mpisorona sy ny an’izay rehetra anisan’ny fiangonana.+ 34  Ary ho lalàna ho anareo mandritra ny fotoana tsy voafetra izany,+ mba handrakofana indray mandeha isan-taona ny fahotana rehetra nataon’ny zanak’Israely.”+ Dia nataon’i Arona izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Fanamarihana

Jereo Le 8:33 f.a.p.