Levitikosy 2:1-16
2 “‘Raha misy olona* manolotra fanatitra varimbazaha*+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto+ izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny,
2 ka hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona. Dia hakan’ny mpisorona eran-tanan’ila ny lafarinina tsara toto sy ny menaka ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra fampahatsiahivana.+ Fanatitra atao anaty afo izany, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.
3 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
4 “‘Raha zavatra natao tao anaty lafaoro no fanatitra varimbazaha atolotrao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto izany: Mofo boribory*+ tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, na mofo fisaka tsy misy lalivay+ sady nohosorana menaka.+
5 “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra+ no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nafangaro menaka, sady tsy misy lalivay.
6 Hotapatapahina izany, ka horarahana menaka.+ Fanatitra varimbazaha izany.
7 “‘Raha zavatra nendasina tao anaty vilany misy menaka no fanatitra varimbazaha aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.
8 Hoentinao any amin’i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin’ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo amin’ny alitara.
9 Hakan’ny mpisorona ny fanatitra varimbazaha, ka hatolony ho fanatitra fampahatsiahivana.+ Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+
10 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+
11 “‘Aoka tsy ho zavatra misy lalivay+ no hanaovanareo fanatitra varimbazaha ho an’i Jehovah, satria ny lalivay sy ny tantely* dia samy tsy tokony hodorana hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
12 “‘Ho fanatitra voaloham-bokatra+ no hanoloranareo ireo zavatra ireo ho an’i Jehovah. Tsy tokony hodorana eo ambony alitara ho hanitra mampitony ireo.
13 “‘Asio sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao.+ Aza avela tsy hisy siran’ny fifaneken’Andriamanitrao+ ny fanatitra varimbazaha. Aoka hanolotra sira miaraka amin’ny fanatitra rehetra ataonao ianao.
14 “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho salohy maitso natono izany, eny, voa vaovao nototoina nefa tsy natao vovony. Hatolotrao ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany,+
15 ary horarahanao menaka, ka hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha+ izany.
16 Hodoran’ny mpisorona mba hidona-tsetroka ny fanatitra fampahatsiahivana,+ izany hoe ny ampahany amin’ny voa voatoto sy ny menaka, ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Na: “vary orza.”
^ Misy lavaka eo afovoany.
^ Tsy avy amin’ny renitantely, fa zava-mamy avy amin’ny voankazo.