Levitikosy 22:1-33

22  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Teneno i Arona sy ny zanany lahy mba tsy hanakaiky* ny zava-masina aterin’ny zanak’Israely, sao hanazimbazimba ny anarako masina,+ vokatr’izay ataony amin’ireo zavatra hamasinin’ny zanak’Israely ho ahy.+ Izaho no Jehovah.  Izao lazaina aminy: ‘Izay lahy anisan’ny taranakareo, hatramin’ny taranaka fara mandimby, ka mbola maloto+ nefa manakaiky ny zava-masina hohamasinin’ny zanak’Israely ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho eo anatrehako. Izaho no Jehovah.  Ary izay lehilahy taranak’i Arona, nefa boka+ na misy tsiranoka mivoaka+ amin’ny filahiany, dia tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina, mandra-pahadiony.+ Toy izany koa izay lehilahy mikasika olona voaloton’ny faty,*+ na izay lehilahy mivoaka tsirinaina,+  na mikasika bibikely maloto,+ na mikasika olona maloto, na inona na inona fahalotoan’ilay olona.+  Haloto mandra-paharivan’ny andro izay olona* mikasika ny iray amin’ireo, ka tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina raha tsy efa nandro tamin’ny rano.+  Hadio izy rehefa milentika ny masoandro, ka mahazo mihinana amin’ny zava-masina aorian’izay, satria sakafony izany.+  Tsy hihinana biby maty ho azy na izay noviravirain’ny bibidia koa izy, sao ho voaloton’izany.+ Izaho no Jehovah.  “‘Ary hanao ny adidiny amiko izy ireo, sao ho lasa fahotany ny tsy fanaovany izany, ka ho faty izy,+ satria nanazimbazimba zava-masina. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo. 10  “‘Tsy mahazo mihinana zava-masina ny olona tsy nahazo alalana,+ na ny vahiny miara-mipetraka amin’ny mpisorona, na ny mpikarama. 11  Fa raha misy mpisorona mividy olona* amin’ny volany, dia mahazo mihinana amin’ny zava-masina ilay olona. Mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona koa izay mpanompo teraka tao an-tranony.+ 12  Raha manambady tsy mpisorona ny zanakavavin’ny mpisorona, dia tsy mahazo mihinana amin’ny zava-masina natao fanomezana izy. 13  Fa mahazo mihinana amin’ny sakafon-drainy+ kosa izy raha lasa mpitondratena na nisarahan’ny vadiny nefa mbola tsy niteraka, ka voatery mody any an-tranon-drainy toy ny tamin’ny fahatanorany.+ Tsy mahazo mihinana amin’izany kosa ny olona tsy nahazo alalana. 14  “‘Raha misy olona nihinana tsy nahy+ tamin’ny zava-masina, dia tsy maintsy honerany izany. Ary homeny ny mpisorona izany, sady mbola hampiany ampahadiminy.+ 15  Koa tsy tokony hozimbazimbain’ny mpisorona ny zava-masina omen’ny zanak’Israely ho an’i Jehovah.+ 16  Raha manao izany mantsy ny mpisorona, dia ho voasazy ny zanak’Israely satria meloka ho nihinana tamin’ny zava-masina nomeny. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.’” 17  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 18  “Mitenena amin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny zanak’Israely rehetra hoe: ‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny vahiny monina eo aminy, manolotra fanatitra+ ho fanefana voady+ na ho fanatitra an-tsitrapo,+ izay atolony ho an’i Jehovah ho fanatitra dorana, 19  dia tokony ho lahy tsy misy kilema+ izany, na omby na vantotr’ondry na osy, mba hahazoanareo sitraka.+ 20  Tsy hanolotra an’izay manan-takaitra ianareo,+ fa tsy hahazoanareo sitraka izany. 21  “‘Raha misy manolotra sorona iombonana+ ho an’i Jehovah mba hanefana voady+ na ho fanatitra an-tsitrapo, dia tokony ho biby tsy misy kilema izany, na omby na ondry na osy, mba hahazoany sitraka. Tsy tokony hanan-takaitra mihitsy izany. 22  Aza aterina ho an’i Jehovah ny biby jamba, na tapa-taolana, na maratra, na misy votsy na misy anakandroana na aretin-koditra mamariparitra boribory.+ Ary izay rehetra avy amin’ny biby toy izany, dia tsy azo atao eo ambony alitara ho an’i Jehovah, ho fanatitra atao anaty afo.+ 23  Azonao atao fanatitra an-tsitrapo ny omby na ondry manan-tongotra ila lava loatra na fohy loatra.+ Tsy hankasitrahana kosa izany, raha ho fanefana voady. 24  Aza atolotra ho an’i Jehovah ny biby raha toa ny vihiny+ ka voaporitra, na torotoro, na voaongotra, na tapaka. Aza manolotra biby toy izany ao amin’ny taninareo. 25  Ary ny biby toy ireo rehetra ireo, izay aterin’ny hafa firenena, dia tsy azo atolotra ho sakafo ho an’Andriamanitrareo, satria misy kilema sy manan-takaitra,+ ka tsy hahazoanareo sitraka.’”+ 26  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 27  “Raha misy omby na ondry na osy vao teraka, dia mbola hiara-mitoetra amin-dreniny fito andro+ izy. Hekena ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah kosa izy, rehefa feno valo andro no ho miakatra. 28  Aza vonoina ao anatin’ny indray andro miaraka amin’ny zanany ny omby sy ny ondry.+ 29  “Raha manao sorona biby ho sorona fisaorana ho an’i Jehovah+ ianareo, dia ataovy mba hahazoana sitraka izany. 30  Tokony hohanina ny androtr’iny izany,+ fa tsy hamelana mandra-maraina.+ Izaho no Jehovah. 31  “Tandremo ny didiko ka ankatoavy.+ Izaho no Jehovah. 32  Aza zimbazimbaina ny anarako masina,+ fa hohamasinina eo anivon’ny zanak’Israely aho.+ Izaho no Jehovah izay manamasina anareo,+ 33  dia Ilay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho.+ Izaho no Jehovah.”

Fanamarihana

A.b.t.: “mba ho tafasaraka amin’ny.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.