Levitikosy 26:1-46

26  “‘Aza manao andriamanitra tsy misy dikany,+ na sary sokitra+ na tsangambato masina ho anareo. Aza asiana vato voasokitra+ eo amin’ny taninareo mba hiankohofanareo aminy.+ Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.  Tandremo ny sabatako,+ ary hajao ny toerako masina. Izaho no Jehovah.  “‘Raha manaraka hatrany ny lalàko sy mitandrina foana ny didiko ianareo ka mankatò izany,+  dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany tokoa ianareo,+ ka hataoko mahavokatra ny tany,+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.+  Dia ho tratran’ny fiotazam-boaloboka ny fiasana eny am-pamoloana, ary ho tratran’ny famafazam-boa ny fiotazam-boaloboka. Hihinana izay mofo laninareo+ tokoa ianareo, ary honina tsy amin’ahiahy eo amin’ny taninareo.+  Dia hampisy fiadanana eo amin’ilay tany aho,+ ka hatory ianareo nefa tsy hisy hampangovitra anareo.+ Tsy havelako hiditra eo amin’ny taninareo intsony ny bibidia masiaka,+ ary tsy hisy sabatra hitety ny taninareo.+  Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo,+ ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.  Ny dimy aminareo hanenjika zato, ary ny zato hanenjika iray alina, ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.+  “‘Ary hitsinjo anareo aho,+ ka hataoko manan-taranaka sy ho maro be ianareo,+ ary hotanterahiko ny fifanekena nataoko taminareo.+ 10  Dia hihinana ny vokatra tamin’ny taon-dasa ianareo,+ ary hamoaka ny teo aloha mba hasiana ny vaovao. 11  Hataoko eo aminareo ny tranolaiko,+ ary tsy hankahala anareo aho.+ 12  Dia ho eo aminareo aho, ka hasehoko fa Andriamanitrareo aho,+ ary ianareo kosa ho oloko.+ 13  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba tsy ho andevo intsony ianareo.+ Ary notapahiko ny baran’ny zioganareo, ka nataoko nijoro mahitsy tsara ianareo rehefa mandeha.+ 14  “‘Fa raha tsy mihaino ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,+ 15  ary raha mandika ny lalàko+ ianareo na mankahala ny didim-pitsarako, ka tsy mankatò ny didiko rehetra, ary tsy hajainareo hatramin’ny fifanekena nataoko taminareo,+ 16  dia izao kosa no hataoko aminareo: Hosaziko tokoa ianareo ka hivarahontsana sy ho voan’ny tioberkilaozy+ sy ny fanaviana mahery. Dia ho simba ny masonareo+ ary ho osa ny vatanareo.+ Ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no handany izany.+ 17  Ary hanameloka anareo tokoa aho, ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.+ Ary izay mankahala anareo no hampijaly anareo.+ Dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.+ 18  “‘Ary raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany, dia vao mainka hanafay anareo impito aho noho ny fahotanareo.+ 19  Hataoko tsy ho afaka hirehareha intsony ianareo, ary hovako ho toy ny vy+ ny lanitrareo, ary ho toy ny varahina ny taninareo. 20  Ho very maina fotsiny ny herin-tsandrinareo, satria tsy hahavokatra ny taninareo,+ ary tsy hamoa ny hazo eny an-tsaha.+ 21  “‘Fa raha mikiry manohitra ahy kosa ianareo, ka tsy mety mihaino ahy, dia hikapoka anareo impito indray aho, araka ny fahotanareo.+ 22  Ary halefako ho eo aminareo ny bibidia,+ ka hataony fongana ny zanakareo,+ ary haringany ny biby fiompinareo. Ary hataony vitsy sisa ianareo, ka tsy hisy olona ny lalambenareo.+ 23  “‘Ary raha mbola tsy manaiky hahitsiko+ ihany ianareo na eo aza izany fa mbola manohitra ahy foana, 24  dia izaho mihitsy no hanohitra anareo.+ Eny, izaho mihitsy no hamely anareo impito, noho ny fahotanareo.+ 25  Ary hasiako amin’ny sabatra ianareo ho valin’ny+ nivadihanareo tamin’ny fifanekena.+ Hitangorona ao an-tanàna ianareo, ary handefasako areti-mandringana eo aminareo.+ Dia hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.+ 26  Rehefa hotapahiko ny hazo fihantonan’ny mofo boribory fihinanareo,+ dia ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany.+ Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.+ 27  “‘Ary raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany fa mbola mikiry manohitra ahy,+ 28  dia hanohitra mafy anareo koa aho.+ Ary izaho mihitsy no hanasazy anareo impito, noho ny fahotanareo.+ 29  Koa hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.+ 30  Hopotehiko ny toerana avo masina+ eo aminareo, horavako ny fandoroana emboka manitra, ary ny fatinareo kosa hataoko eny ambonin’ny fatin’ny sampinareo maharikoriko.*+ Ary ho halako tokoa ianareo.+ 31  Dia hatolotro ho amin’ny sabatra+ ny tanànanareo, sady hataoko lao tsy misy olona ao amin’ny toerana masinareo,+ ary tsy hahafinaritra ahy ny hanitra mampitony avy amin’ny fanatitrareo.+ 32  Ary hataoko tsy misy mponina ny taninareo,+ ka ho gaga ny fahavalonareo izay honina ao raha mahita izany.+ 33  Haparitako any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho.+ Dia tsy hisy mponina ny taninareo,+ ary ny tanànanareo ho rava tsy hisy mponina. 34  “‘Hanonitra ny sabatany ny tany amin’izay, mandritra ny andro rehetra tsy hisian’ny mponina ao, raha mbola any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo. Dia hitandrina ny sabata ny tany amin’izay, satria hanonitra ny sabatany ny tany.+ 35  Hitandrina sabata ny tany amin’ny andro rehetra tsy hisian’ny mponina ao, satria tsy nitandrina sabata izy nandritra ny sabatanareo, tamin’ianareo nonina teo. 36  “‘Hasiako tahotra ao am-pon’ny sisa aminareo,+ any amin’ny tanin’ny fahavalony. Koa hampandositra azy na dia feon’ny ravinkazo entin’ny rivotra aza. Ary hitsoaka toy ny mandositra sabatra izy, ka ho lavo tsy misy mpanenjika.+ 37  Dia hifamingana toy ny mandositra sabatra izy ireo, na dia tsy misy mpanenjika aza. Ary tsy ho voatohitrareo ny fahavalonareo,+ 38  fa ho faty any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ary ny tanin’ny fahavalonareo no hahalany ritra anareo. 39  Ary izay sisa aminareo dia ho lo+ noho ny fahadisoany, any amin’ny tanin’ny fahavalonareo. Eny, noho ny fahadisoan’ny razany,+ dia ho lo toy ny razany izy ireo. 40  Hiaiky ny fahadisoany+ sy ny fahadisoan’ny razany izy ireo, ary hiaiky fa tsy mendri-pitokisana teo anatrehako sady nanohitra ahy.+ 41  Ary izaho kosa nanohitra azy,+ ka nitondra azy tany amin’ny tanin’ny fahavalony.+ “‘Angamba mba hanetry tena+ ihany ny fony tsy voafora,+ ka hanonitra ny fahadisoany izy. 42  Dia hotsarovako ny fifanekena nataoko tamin’i Jakoba,+ sy ilay fifanekena nataoko tamin’i Isaka+ ary ilay fifanekena nataoko tamin’i Abrahama,+ ary hotsarovako koa ilay tany. 43  Hilaozan’izy ireo ilay tany ka hanonitra ny sabatany+ mandritra ny fotoana tsy hitoeran’izy ireo eo. Ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany+ koa izy ireo. Ny antony dia satria tsy nampihatra ny didim-pitsarako+ izy ireo, sady nankahala ny lalàko.+ 44  Na eo aza anefa izany rehetra izany, ary na mbola any amin’ny tanin’ny fahavalony aza izy, dia tsy mba handa azy aho,+ ary tsy hankahala azy+ ka hoe handripaka azy. Mivadika amin’ny fifanekena+ nataoko taminy mantsy aho raha manao izany, fa izaho no Jehovah Andriamaniny. 45  Ary mba hahasoa azy, dia hotsarovako ny fifanekena nataoko tamin’ny razany,+ izay nentiko nivoaka avy tany Ejipta teo imason’ny firenen-kafa,+ mba hampisehoako fa Andriamaniny aho. Izaho no Jehovah.’” 46  Ireo no fitsipika sy didim-pitsarana+ ary lalàna naorin’i Jehovah teo aminy sy ny zanak’Israely, teo an-tendrombohitra Sinay, tamin’ny alalan’i Mosesy.+

Fanamarihana

Misy ifandraisany amin’ny hoe “tay” ny teny tany am-boalohany.