Lioka 12:1-59

12  Nandritra izany fotoana izany, dia vahoaka an’arivony no tafangona ka nifanitsa-kitro. Dia nanomboka niteny izy, ka hoy izy aloha tamin’ny mpianany: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny+ Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.+  Fa tsy misy zavatra tsara afina izay tsy haharihary, na zava-miafina izay tsy ho fantatra.+  Koa ho re ao amin’ny mazava àry izay lazainareo ao amin’ny maizina, ary hotorina eny an-tampon-trano izay bitsibitsihinareo ao amin’ny efitranonareo.+  Ary izao koa no lazaiko aminareo namako:+ Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa avy eo tsy mahay manao mihoatra noho izany akory.+  Fa hatoroko anareo kosa izay tokony hatahoranareo: Matahora+ an’ilay manana fahefana hanipy any amin’ny Gehena*+ rehefa avy namono ho faty. Eny, hoy aho aminareo, matahora+ Azy.  Tsy vola madinika roa kely vidy* ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza.+  Fa na ny volon-dohanareo+ aza voaisa daholo. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.+  “Ary lazaiko aminareo hoe: Izay manaiky+ ahy eo anatrehan’ny olona, dia heken’ny Zanak’olona koa eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.+  Fa izay mandà+ ahy eo anatrehan’ny olona dia holavina koa eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.+ 10  Hahazo famelan-keloka izay manao teny manohitra ny Zanak’olona, fa tsy hahazo famelan-keloka kosa izay manevateva ny fanahy masina.+ 11  Fa raha entin’ny olona eo anatrehan’ny vahoaka sy eo anatrehan’ny mpitondra fanjakana sy manam-pahefana ianareo, dia aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo sy izay holazainareo ho fiarovan-tenanareo na ny amin’izay hambaranareo.+ 12  Fa ny fanahy masina+ no hampianatra anareo amin’izany ora izany momba izay tokony holazainareo.”+ 13  Ary nisy anankiray teo amin’ny vahoaka nanao hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” 14  Dia hoy i Jesosy: “Fa iza moa, ralehilahy, no nanendry ahy ho mpitsara+ na mpizara fananana eo aminareo?” 15  Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana,+ satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”+ 16  Ary nilaza fanoharana tamin’ireo izy hoe: “Namokatra be ny tanin’ny lehilahy mpanankarena anankiray. 17  Koa hoy izy anakampo: ‘Tsy misy toerana intsony hanangonako ny vokatro, ka inona re no hataoko e?’ 18  Dia hoy izy: ‘Izao no hataoko:+ Horavako ireo trano fitehirizam-bokatro, ary hanangana hafa lehibe kokoa aho, ka ao no hanangonako ny vokatro rehetra sy ny zava-tsoako rehetra.+ 19  Dia hilaza amin’ny tenako aho+ hoe: “Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.”’+ 20  Fa hoy Andriamanitra taminy: ‘Ry tsy misaina, anio alina no hisy hanapitra ny ainao,*+ koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?’+ 21  Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason’Andriamanitra.”+ 22  Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ 23  Fa sarobidy noho ny sakafo ny aina, ary sarobidy noho ny fitafiana ny vatana. 24  Diniho tsara ange ny goaika+ e! Tsy mamafy na mijinja ireny, sady tsy manana sompitra na trano fitehirizam-bokatra, kanefa Andriamanitra mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo?+ 25  Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely* monja aza, rehefa manahy?+ 26  Koa raha izany zavatra madinika indrindra izany aza tsy hainareo, nahoana no manahy+ ny amin’ny sisa? 27  Diniho tsara ange ny fanirin’ny lisy e!+ Tsy misasatra na manao kofehy ireny, nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.+ 28  Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha, izay any ihany anio, ary hatsipy ao anaty afo* rahampitso no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana!+ 29  Koa aza mitady intsony izay hohaninareo na izay hosotroinareo, ary aza be fanahiana intsony.+ 30  Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra, nefa ny Rainareo mahalala fa mila izany ianareo.+ 31  Fa aza mitsahatra mikatsaka ny fanjakany, dia homena anareo koa izany zavatra izany.+ 32  “Aza matahotra,+ ry ondry vitsy,+ fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.+ 33  Amidio+ ny fanananareo ka omeo ho fiantrana ny mahantra.+ Ary fitoeram-bola tsy mety tonta no ataovy fitoeram-bolanareo, dia harena any an-danitra+ tsy mety lany, izay tsy azon’ny mpangalatra hatonina ary tsy lanin’ny bibikely. 34  Fa any amin’izay misy ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo.+ 35  “Misikìna*+ ary aoka hirehitra ny jironareo.+ 36  Aoka koa ianareo ho tahaka ny mpanompo miandry ny fiverenan’ny tompony+ avy amin’ny fampakaram-bady.+ Amin’izay, rehefa tonga ny tompony ka mandondòna,+ dia hanokatra varavarana ho an’ny tompony avy hatrany ireo. 37  Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony hoe miambina rehefa tonga izy!+ Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina+ ilay tompony ka asainy mandry ilika hisakafo ireo mpanompo ireo, ary ho avy izy hikarakara an’ireo.+ 38  Ary raha tonga amin’ny fiambenana* faharoa ny tompony, eny fa na amin’ny fiambenana fahatelo aza, ka mahita azy miambina, dia sambatra izany mpanompo izany!+ 39  Fantaro izao: Ho niambina hatrany ny tompon-trano raha fantany ny ora hahatongavan’ny mpangalatra, ka tsy ho navelany hisy hamaky ny tranony.+ 40  Aoka koa ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.”+ 41  Ary hoy i Petera: “Tompo ô, aminay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa amin’ny rehetra koa?” 42  Hoy ny Tompo: “Iza tokoa moa ilay mpanompo* mendri-pitokisana+ sy malina,+ izay hotendren’ny tompony hikarakara hatrany ny mpanompony hafa rehetra mba hanome sakafo ampy ho azy ireo, amin’ny fotoana mety?+ 43  Sambatra izany mpanompo izany, raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!+ 44  Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.+ 45  Fa raha manao anakampo kosa ilay mpanompo hoe: ‘Mba ela koa ny tompoko vao tonga!’+ ka manomboka mikapoka ny mpanompolahy sy mpanompovavy izy, ary mihinana sy misotro ka mamo,+ 46  dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony,+ ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny olona tsy mendri-pitokisana.+ 47  Ary ho betsaka ny kapoka ho azon’izany mpanompo izany, satria nahalala ny sitrapon’ny tompony izy, nefa tsy niomana na nanao araka ny sitrapon’ny tompony.+ 48  Ho vitsy kosa ny kapoka ho an’ilay nanao zavatra tokony hikapohana azy,+ satria noho ny tsy fahalalany+ no nanaovany izany. Izay nomena be dia hitakiana be,+ ary ilay nanankinan’olona zavatra betsaka dia bebe kokoa no hotakina aminy.+ 49  “Tonga handrehitra afo+ eto an-tany aho. Koa raha efa mirehitra ilay izy, inona indray moa no iriko mihoatra noho izany? 50  Fa misy batisa tokony hanaovana batisa ahy, ary ory dia ory aho mandra-pahavitany!+ 51  Heverinareo ve fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho? Tsy izany mihitsy. Lazaiko aminareo fa tonga hitondra fisarahana+ kosa aho. 52  Fa hisy olona dimy hisara-tsaina ao amin’ny trano iray, manomboka izao, ka ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.+ 53  Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zanany lahy, ny zanakalahy hanohitra ny rainy, ny reny hanohitra ny zanany vavy ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny, ny rafozambavy hanohitra ny vinantovaviny ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozambaviny.”+ 54  Koa hoy ihany izy tamin’ny vahoaka: “Rehefa mahita rahona miakatra eny andrefana ianareo, dia milaza avy hatrany ianareo hoe: ‘Hisy oram-baratra.’ Ary tonga tokoa izany.+ 55  Rehefa hitanareo fa mitsoka avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hisy hafanam-be.’ Ary izany tokoa no mitranga. 56  Ry mpihatsaravelatsihy! Hainareo ny mandinika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, koa nahoana no tsy hainareo ny mandinika izao fotoana izao?+ 57  Nahoana no tsy ny tenanareo mihitsy no mitsara ara-drariny?+ 58  Raha mankany amin’ny manam-pahefana miaraka amin’ilay mitory anao ianao, ohatra, dia miezaha hifandamina aminy dieny mbola eny an-dalana. Amin’izay dia tsy hitarika anao ho eo anatrehan’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara tsy hanolotra anao amin’ny mpanatanteraka didim-pitsarana, ary io indray tsy hanao anao any am-ponja.+ 59  Lazaiko aminao fa tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, mandra-pandoanao ny farany indrindra amin’ny vola madinika faran’izay kely vidy.”*+

Fanamarihana

Jereo F.F. 3E.
A.b.t.: “asariona roa.”
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “iray hakiho.”
A.b.t.: “lafaoro.”
A.b.t.: “Fehezo ny andilanareo.”
Jereo Mt 14:25 f.a.p.
Mpiandraikitra ny ao an-trano.
A.b.t.: “leptona.”