Lioka 13:1-35

13  Ary tamin’izay indrindra, dia nisy tamin’ireo olona teo nitantara tamin’i Jesosy ny nanjo ny Galilianina+ sasany. Nampifangaroin’i Pilato tamin’ny sorona nataon’ireo Galilianina ireo mantsy ny ran’izy ireo.  Koa hoy i Jesosy: “Heverinareo ve fa mpanota+ kokoa noho ny Galilianina rehetra ireny, satria izany no nanjo azy?  Tsy izany velively, hoy aho aminareo. Ho ringana toa azy koa anefa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.+  Ary ireo olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambo tao Siloama, heverinareo ve fa mpanota* kokoa noho ny mponina rehetra ao Jerosalema ireny?  Tsy izany velively, hoy aho aminareo. Ho ringana toa azy koa anefa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.”+  Dia nanohy ny teniny izy, ka nilaza izao fanoharana izao: “Nisy lehilahy nanana aviavy izay nambolena tao an-tanimboalobony.+ Dia tonga hitady voa taminy izy,+ saingy tsy nahita mihitsy.+  Ary hoy izy tamin’ny mpikarakara tanimboaloboka: ‘Efa telo taona+ aho izao no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, nefa tsy nahita mihitsy. Koa kapao any io!+ Nahoana io no avela eo, ka manjary tsy azo ampiasaina ny tany?’  Fa namaly ilay mpikarakara tanimboaloboka hoe: ‘Tompo ô, avelao eo ihany izy+ amin’ity taona ity, mandra-pangadiko ny manodidina azy, sy mandra-panisiko zezika azy.  Koa raha hamoa izy, dia tsara! Fa raha tsy hamoa kosa izy, dia hokapainao ihany.’”+ 10  Ary nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray i Jesosy tamin’ny sabata. 11  Ary io fa nisy vehivavy azon’ny fanahy ratsy+ mampahalemy teo, ka nalemy efa nandritra ny valo ambin’ny folo taona izy. Koa tena nanjoko be izy, ary tsy afa-nitraka mihitsy. 12  Niantso azy i Jesosy rehefa nahita azy, ka nanao hoe: “Afaka+ amin’ny fahalemenao ianao, ravehivavy.” 13  Dia nametra-tanana taminy izy, ka nitraka avy hatrany+ ravehivavy, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra. 14  Tezitra anefa ny mpitantana ilay synagoga noho i Jesosy nanasitrana tamin’ny sabata, ka hoy izy tamin’ny vahoaka: “Enina andro no natao hiasana,+ ka amin’ireo andro ireo ianareo no tokony ho tonga hositranina, fa tsy amin’ny andro sabata.”+ 15  Namaly azy anefa ny Tompo hoe: “Ry mpihatsaravelatsihy,+ tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany avy ve ianareo amin’ny sabata, ka mitondra azy hisotro rano?+ 16  Koa tsy tokony hovahana ho afa-patorana amin’ny andro sabata àry ve ity vehivavy zanak’i Abrahama+ ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo ambin’ny folo taona be izao?” 17  Ary menatra daholo ny mpanohitra azy+ noho ny nilazany izany. Fa ravoravo kosa ny vahoaka rehetra noho ny zavatra malaza rehetra nataon’i Jesosy.+ 18  Ary hoy ihany izy: “Mitovy amin’inona ny fanjakan’Andriamanitra? Ary inona no hanoharako azy?+ 19  Mitovy amin’ny voan-tsinapy* izy io, izay nalain’ny olona ka nataony tao an-jaridainany, ary naniry ka tonga hazo, ary nitoeran’ny voro-manidina+ teny amin’ny sampany.”+ 20  Ary hoy indray izy: “Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra? 21  Tahaka ny lalivay izy io, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nampifangaroiny tamin’ny* lafarinina intelon’ny famarana lehibe mandra-pitombon’ny koba manontolo.”+ 22  Dia nandeha nitety tanàna sy vohitra izy, ka nampianatra sady nanohy ny diany ho any Jerosalema.+ 23  Ary hoy ny lehilahy anankiray taminy: “Tompo ô, vitsy ve ny hovonjena?”+ Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: 24  “Miezaha+ mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery,+ fa maro, hoy aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.+ 25  Raha vao mitsangana hanidy varavarana mantsy ny tompon-trano, nefa amin’izay ianareo no manomboka mijoro ao ivelany sy mandondòna ao am-baravarana, ka manao hoe: ‘Mba vohay re izahay, tompoko ô!’,+ dia izao no havaliny anareo: ‘Tsy fantatro na avy aiza ianareo, na avy aiza.’+ 26  Dia hanomboka hilaza ianareo hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao ange izahay e, ary nampianatra teny an-dalambenay ianao.’+ 27  Hilaza aminareo anefa izy hoe: ‘Tsy fantatro na avy aiza ianareo, na avy aiza. Mialà amiko, ianareo mpanao ny tsy marina!’+ 28  Any ianareo no hitomany sy hitoloko,+ rehefa hahita an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mbamin’ny mpaminany rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra,+ fa ianareo kosa voaroaka eny ivelany. 29  Ary ho tonga avy any atsinanana sy andrefana ary avaratra sy atsimo+ ny olona ka handry ilika hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.+ 30  Ary misy ny farany ho voalohany, ary misy ny voalohany ho farany.”+ 31  Tamin’izay indrindra no nisy Fariseo nanatona, ka nanao taminy hoe: “Mandehana ka mialà eto, fa mitady hamono anao i Heroda.” 32  Dia hoy izy tamin’ireo: “Mandehana ka lazao amin’iny amboadia+ fetsy iny hoe: ‘Jereo fa mandroaka demonia sy manasitrana aho anio sy rahampitso, fa rahafakampitso dia ho vita ny asako.’+ 33  Na izany aza, tsy maintsy mandeha aho anio sy rahampitso ary rahafakampitso, satria ny mpaminany tsy azo vonoina any ivelan’i Jerosalema.+ 34  Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono+ ny mpaminany sy mpitora-bato+ an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany!+ Tsy nety anefa ianareo.+ 35  Hilaozana ny tranonareo+ ka havela ho anareo. Lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: ‘Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “mpitrosa.”
Jereo Mt 13:31 f.a.p.
A.b.t.: “nafeniny tao anatin’ny.”