Lioka 16:1-31

16  Ary hoy koa izy tamin’ny mpianany: “Nisy lehilahy manankarena, izay nanana mpanompo iray niandraikitra ny tao an-tranony rehetra.+ Ary nisy niampanga azy io tany aminy ho nandanilany foana ny fananan’ny tompony.+  Koa niantso azy ilay tompony, ka nanao hoe: ‘Inona izany reko momba anao izany? Avereno amiko ny tatitra+ momba ny asa nampiandraiketina anao, fa tsy hiadidy ny ato an-tranoko intsony ianao.’  Dia hoy ilay mpanompo anakampo: ‘Inona re no hataoko e? Hesorin’ny tompoko+ amiko mantsy ny fiandraiketana ny fananany. Ny mitana angady tsy vitan’ny heriko, ny mangataka mahamenatra ahy.  Ah! Hitako ny hataoko mba hisy olona handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaroaka aho.’+  Dia nantsoiny tsirairay ny mpitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ilay voalohany: ‘Toy inona no ananan’ny tompoko aminao?’  Hoy ny navaliny: ‘Menaka oliva injaton’ny bata.’* Dia hoy izy: ‘Alaivo ilay taratasy fifanekena any aminao ary mipetraha ka soraty haingana hoe dimampolo.’  Avy eo, dia hoy izy tamin’ny iray hafa: ‘Ary ianao, inona no ananany aminao?’ Dia hoy io: ‘Varimbazaha injaton’ny kora.’* Koa hoy izy: ‘Alaivo ilay taratasy fifanekena any aminao, ka soraty hoe valopolo.’  Ary noderain’ny tompony izy, na dia mpanompo tsy marina aza, satria lehilahy malina.+ Hita fa malina kokoa noho ny zanaky ny mazava+ ny zanak’ity tontolo ity, rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiara-belona aminy.  “Izao koa no lazaiko aminareo: Ataovy izay hahazoana namana+ amin’ny alalan’ny harena tsy marina,+ mba horaisin’izany namana izany any amin’ny fonenana mandrakizay+ ianareo rehefa lany izany harena izany. 10  Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.+ 11  Koa raha tsy asehonareo fa mendri-pitokisana ianareo amin’ny harena tsy marina, iza no hanankina aminareo ny tena harena?+ 12  Ary raha tsy asehonareo fa mendri-pitokisana ianareo amin’ny zavatr’olona,+ iza no hanome anareo izay anareo? 13  Tsy misy mpiasa an-trano mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hifikirany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”+ 14  Nihaino an’izany rehetra izany ny Fariseo, izay tia vola, ka naneso an’i Jesosy.+ 15  Koa hoy i Jesosy taminy: “Ianareo milaza tena ho marina eo anatrehan’ny olona,+ nefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo.+ Fa izay ataon’ny olona ho ambony dia maharikoriko kosa eo imason’Andriamanitra.+ 16  “Hatreo amin’i Jaona ihany ny Lalàna sy ny Mpaminany.+ Fa nanomboka teo kosa dia ny fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara torina amin’ny olona, ary misesika ho ao ny karazan’olona rehetra.+ 17  Fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany+ noho ny tsy hahatanteraka ny tendron-tsoratra iray+ ao amin’ny Lalàna.+ 18  “Manitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny dia manitsakitsa-bady.+ 19  “Nisy lehilahy+ manankarena nanao akanjo vita tamin’ny lamba volomparasy sy rongony. Niravoravo isan’andro izy sady niaina tao anatin’ny renty.+ 20  Fa nisy kosa mpangataka atao hoe Lazarosy, napetraka teo am-bavahadiny. Feno fery izy io. 21  Te ho vokin’ny sombin-kanina latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay manankarena izy. Ary tonga ny alika nilelaka ny feriny. 22  Tatỳ aoriana, dia maty+ ilay mpangataka, ary nentin’ny anjely ho any an-tratran’i+ Abrahama.+ “Ary maty+ koa ilay manankarena ka nalevina. 23  Rehefa tao amin’ny toeran’ny maty* izy, dia niandrandra raha iny izy nijalijaly+ iny, ka nahita an’i Abrahama teny lavitra teny, sy Lazarosy teo an-tratrany. 24  Dia niantso izy hoe: ‘Abrahama Raiko ô,+ mamindrà fo amiko, ka iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako,+ fa mijaly aho ato amin’ity afo mivaivay+ ity.’ 25  Fa hoy i Abrahama: ‘Tadidio, anaka, fa efa azonao daholo ny zava-tsoanao rehetra nandritra ny androm-piainanao, fa ny an’i Lazarosy kosa ny zava-dratsy. Izao izy ampiononina atỳ, fa ianao kosa mijaly.+ 26  Sady misy hantsana lehibe+ efa napetraka koa anie hampisaraka anay aminareo e,+ mba tsy ho afaka hankany aminareo ny te hiala atỳ, ary tsy ho afaka hiampita mankatỳ aminay ny any.’+ 27  Dia hoy izy: ‘Raha izany no izy, dia mangataka aminao aho, ray ô, mba haniraka an’i Lazarosy ho any an-tranon-draiko. 28  Manana rahalahy dimy mantsy aho, ka iraho izy hanazava tsara amin’izy ireo, sao ho lasa atỳ amin’ity toeram-pijaliana ity koa izy ireo.’ 29  Fa hoy i Abrahama: ‘Manana an’i Mosesy+ sy ny Mpaminany+ izy. Aoka izy hihaino an’ireo.’+ 30  Dia hoy izy: ‘Tsia, ry Abrahama ray ô, fa raha misy avy amin’ny maty mankany aminy, dia hibebaka izy.’ 31  Hoy anefa i Abrahama: ‘Raha tsy mihaino an’i Mosesy+ sy ny Mpaminany izy ireo, dia tsy ho resy lahatra na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.’”

Fanamarihana

1 bata = 22 litatra.
1 kora = 220 litatra.
Gr.: haides, fasana misy ny maty rehetra. Jereo F.F. 3D.