Lioka 17:1-37
17 Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy maintsy misy toe-javatra mahatafintohina,+ kanefa lozan’izay iavian’izany!+
2 Aleo aza hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozon’izany olona izany, ka hatsipy any an-dranomasina+ izy, toy izay hanafintohina ny iray amin’ireny madinika ireny.+
3 Koa mitandrema ianareo. Ary teneno mafy+ ny rahalahinao raha manota, ka mamelà azy raha mibebaka izy.+
4 Fa na manota aminao impito aza izy ao anatin’ny indray andro, ka miverina impito eo aminao, manao hoe: ‘Mibebaka aho’, dia tsy maintsy mamela azy ianao.”+
5 Hoy ny apostoly tamin’ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.”+
6 Dia hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy* aza, ary hilaza amin’itsy voaroihazo itsy hoe: ‘Aoka ianao hiongotra ka haniry any an-dranomasina!’, dia hankatò anareo izy.+
7 “Raha misy aminareo manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka mody avy any an-tsaha io, iza aminareo moa no hilaza aminy hoe: ‘Avia haingana ianao eto, ary mandria ilika hisakafo’?
8 Tsy hilaza aminy kosa ve izy hoe: ‘Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao ka rosoy hanina aho mandra-pitsahatro mihinana sy misotro, ary rehefa vita izany, dia mahazo mihinana sy misotro kosa ianao’?
9 Ho velom-pisaorana an’ilay mpanompo ve izy, satria nanao izay nasainy natao izy io?
10 Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,+ fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’”
11 Namakivaky teo afovoan’i Samaria sy Galilia izy, rehefa nankany Jerosalema.+
12 Ary raha niditra tao amin’ny tanàna kely anankiray izy, dia nisy boka+ folo lahy tojo azy. Nitsangana teny lavitra teny ireo,
13 ka niantso mafy hoe: “Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao+ izahay!”
14 Ary raha vao nahita azy ireo izy, dia nanao hoe: “Mandehana miseho any amin’ny mpisorona.”+ Dia lasa ireo, ka nadio+ raha mbola teny an-dalana.
15 Rehefa hitan’ny anankiray fa sitrana izy, dia niverina io ka nanome voninahitra+ an’Andriamanitra tamin’ny feo avo.
16 Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy,+ ka nisaotra azy. Ary Samaritanina+ izy io.
17 Koa hoy i Jesosy: “Tsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy?
18 Dia tsy nisy niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ihany ve?”
19 Hoy koa izy taminy: “Mitsangàna ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.”+
20 Ary nanontanian’ny Fariseo i Jesosy ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.+ Dia hoy ny navaliny: “Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra,
21 ary tsy hisy koa hilaza hoe: ‘Atỳ!’ na ‘Arỳ!’+ Fa eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.”+
22 Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.+
23 Ary hilaza aminareo ny olona hoe: ‘Arỳ!’ na ‘Atỳ!’,+ nefa aza mandeha na manaraka azy.+
24 Fa toy ny tselatra+ manjelanjelatra ka manazava any amin’ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa ambanin’ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona.+
25 Fa tsy maintsy hiaritra fijaliana isan-karazany aloha izy, ary holavin’ity taranaka ity.+
26 Ary toy ny tamin’ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona:+
27 Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan’ilay andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.+
28 Dia toy ny tamin’ny andron’i Lota+ koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano.
29 Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara* avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.+
30 Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.+
31 “Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny entany ao an-trano, ary izay any an-tsaha aoka koa tsy hiverina any amin’izay zavatra any aoriany.
32 Tsarovy ny vadin’i Lota.+
33 Izay mitady hiaro ny ainy* no hamoy izany, fa izay mamoy ny ainy kosa no hiaro izany.+
34 Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, dia hisy roa lahy iray fandriana: Ny iray hoentina ary ny iray havela.+
35 Ary hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary iray ihany: Ny iray hoentina fa ny iray kosa havela.”+
36 * ——
37 Koa hoy ireo taminy: “Aiza izany, Tompo ô?” Dia hoy izy: “Any amin’izay misy ny faty,+ dia any koa no hiangonan’ny voromahery.”+