Lioka 20:1-47

20  Indray andro, raha mbola nampianatra ny olona tao amin’ny tempoly izy, sady nitory ny vaovao tsara, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny anti-panahy,+  ka niteny taminy hoe: “Lazao aminay: Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao, ary iza no nanome anao izany fahefana izany?”+  Dia namaly izy hoe: “Izaho koa mba hanontany anareo ka valio:+  Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?”+  Dia niara-nihevitra izy ireo hoe: “Raha hoy isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza izy hoe: ‘Koa nahoana ianareo no tsy nino azy?’+  Fa raha hoy isika hoe: ‘Avy amin’ny olona’, dia hitora-bato antsika ny olona rehetra,+ satria miaiky izy ireo fa mpaminany i Jaona.”+  Koa novaliany hoe tsy fantany na avy aiza na avy aiza.  Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”+  Ary nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona izy: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka.+ Dia nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io, ary nankany an-tany hafa izy ary naharitra ela be tany.+ 10  Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo+ ho any amin’ireo mpamboly+ izy mba hanomezan’ireo azy amin’ny vokatry ny tanimboaloboka.+ Nalefan’ireo nody maina anefa ilay mpanompo,+ rehefa avy nokapohiny. 11  Dia naniraka mpanompo hafa indray ilay lehilahy. Fa nokapohin’ireo koa io sady nalany baraka ary nalefany nody maina.+ 12  Mbola naniraka mpanompo fahatelo izy,+ nefa nataon’ireo naratra sy noroahiny koa io. 13  Dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka: ‘Inona re no hataoko e? Haniraka ny zanako malalako aho.+ Angamba kosa mba hanaja azy izy ireo.’ 14  Fa raha vao nahita azy ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: ‘Iny ny mpandova. Andao hovonointsika izy dia ho antsika ny lova.’+ 15  Dia noroahin’ireo ho any ivelan’ny+ tanimboaloboka izy, ary novonoiny ho faty.+ Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka amin’izy ireo?+ 16  Ho avy izy, dia handringana an’ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.”+ Dia hoy ireo rehefa nandre izany: “Enga anie mba tsy hisy izany!” 17  Fa nijery azy ireo i Jesosy, ka nanao hoe: “Koa inona àry no dikan’ilay voasoratra hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano+ no tonga vato fehizoro lehibe indrindra’?*+ 18  Ho potipotika+ izay rehetra mianjera eo amin’izany vato izany, ary ho torotoro izay ianjerany.”+ 19  Tamin’izay ora izay indrindra, dia nitady hisambotra azy ny mpanora-dalàna sy ny lehiben’ny mpisorona, satria takatr’izy ireo fa izy no tao an-tsain’i Jesosy tamin’io fanoharana io. Natahotra ny olona anefa izy ireo.+ 20  Nanara-maso akaiky an’i Jesosy àry izy ireo, ary naniraka olona izay nokaramaina mangingina mba hiseho ho olo-marina, mba hamandrihana+ an’i Jesosy amin’ny teny, ka hanolorana azy any amin’ny fitondrana sy eo am-pelatanan’ny governora.*+ 21  Ary nanontanian’izy ireo i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mizaha tavan’olona ianao, fa marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.+ 22  Koa azo atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin’i Kaisara?”+ 23  Takatr’i Jesosy anefa ny hafetsen’ireo, ka hoy izy taminy:+ 24  “Ampisehoy denaria iray aho. Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Hoy ireo: “An’i Kaisara.”+ 25  Dia hoy izy tamin’ireo: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 26  Koa tsy afa-namandrika azy tamin’izany teniny teo anatrehan’ny olona izany izy ireo, ka tsy nahateny satria gaga noho ny valin-teniny.+ 27  Fa nanatona ny sasany tamin’ny Sadoseo izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty,+ ka nanontany azy 28  hoe: “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy+ hoe: ‘Raha maty ny lehilahy iray ka namela vady tsy niteraka, dia tokony hampakatra ny vady navelany ny rahalahiny+ mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’+ 29  Ary nisy tokoa fito mirahalahy. Dia nanambady ilay voalohany, ary maty tsy niteraka.+ 30  Ary maty koa ny faharoa, 31  ka nampakatra an-dravehivavy ny fahatelo. Ary toy izany hatramin’ilay fahafito: samy maty tsy niteraka izy ireo.+ 32  Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany.+ 33  Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy.”+ 34  Ary hoy i Jesosy tamin’ireo: “Ny zanak’ity tontolo ity no mampaka-bady+ sy avoaka hampakarina. 35  Fa tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina kosa izay atao mendrika+ hahazo izany fiainana izany+ sy ny fitsanganana amin’ny maty.+ 36  Tsy ho faty intsony+ izy ireo fa ho tahaka ny anjely, ary zanak’Andriamanitra izy ireo, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.+ 37  Fa na i Mosesy aza nampahafantatra ny amin’ny fitsanganan’ny maty, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy,+ rehefa niantso an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’+ 38  Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.”+ 39  Koa hoy ny mpanora-dalàna sasany: “Mpampianatra ô, marina ny voalazanao.” 40  Fa tsy sahy nametraka fanontaniana taminy intsony ireo. 41  Fa hoy kosa izy tamin’ireo: “Nahoana no lazaina fa zanak’i Davida i Kristy?+ 42  I Davida mihitsy mantsy no milaza ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako 43  mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”’+ 44  I Davida aza niantso azy hoe ‘Tompo’, koa ahoana no maha zanany azy?” 45  Ary hoy izy tamin’ny mpianany, raha mbola nihaino ny olona rehetra:+ 46  “Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna, izay tia mandehandeha manao akanjo lava, sady tia ny hoarahabaina eny an-tsena sy ny hahazo toerana eny aloha ao amin’ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva,+ 47  sady mandany ny ao an-tranon’ny vehivavy mpitondratena+ ary manao vavaka lava be ho fisehosehoana fotsiny. Koa hahazo fanamelohana mafy kokoa izy ireny.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 21:42 f.a.p.
A.b.t.: “any amin’ny fahefan’ny governora.”