Lioka 21:1-38
21 Ary nanopy ny masony izy, ka nahita ny manankarena nandatsaka ny fanomezany tao amin’ireo vata fandatsaham-bola.+
2 Dia nahita vehivavy mpitondratena mahantra nandatsaka vola madinika roa faran’izay kely vidy*+ izy,
3 ka nilaza hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena io no nandatsaka betsaka kokoa noho izy rehetra na dia mahantra aza.+
4 Izy rehetra mantsy nandatsaka fanomezana avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka ny fivelomany rehetra.”+
5 Taoriana kelin’izay, dia nisy niresaka momba ny tempoly sy ny nandravahana azy tamin’ny vato tsara sy tamin’ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra.+
6 Koa hoy i Jesosy: “Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro ka tsy havela hisy vato hifanaingina eto ka tsy harodana.”+
7 Dia nanontany azy izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, rahoviana marina no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa tsy maintsy ho tonga izany?”+
8 Dia hoy izy: “Mitandrema sao ho voafitaka ianareo.+ Fa maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no izy’, sy hoe: ‘Efa manatona ny fotoana voatondro.’+ Koa aza manaraka azy.
9 Ary aza raiki-tahotra rehefa mandre ady sy korontana ianareo,+ fa tsy maintsy hitranga aloha izany, nefa tsy ho tonga avy hatrany ny farany.”
10 Dia hoy koa izy tamin’ireo: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena,+ ary hisy fanjakana hamely fanjakana.+
11 Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.+ Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan’ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.+
12 “Fa alohan’izany rehetra izany, dia hisambotra sy hanenjika+ anareo ny olona, ka hanolotra anareo any amin’ny synagoga sy any am-ponja, ary hitondra anareo eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora, noho ny anarako.+
13 Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.+
14 Koa aza mieritreritra mialoha izay fiarovan-tena holazainareo,+
15 satria izaho hanome anareo vava sy fahendrena izay tsy hain’ny fahavalo rehetra resena na toherina.+
16 Ary hivadika aminareo hatramin’ny ray aman-dreninareo+ sy ny rahalahinareo sy ny havanareo ary ny namanareo, ka hisy aminareo hovonoina ho faty.+
17 Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.+
18 Fa tsy hisy ho very na singam-bolo iray+ eo amin’ny lohanareo aza.
19 Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.+
20 “Ary rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema,+ dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy.+
21 Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao, ary izay eny ambanivohitra aoka tsy hiditra ao Jerosalema intsony.+
22 Fa andro famaliana izany, mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.+
23 Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!+ Fa ho mafy ny fahoriana eo amin’ilay tany ary hisy fahatezerana amin’ity firenena ity.
24 Ho lavon’ny lelan-tsabatra izy ireo, ka hoentina ho babo any amin’ny firenena rehetra,+ ary hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro+ ho an’ny hafa firenena.
25 “Ary hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro+ sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia ho ory ireo firenena satria ho very hevitra noho ny fidoboky ny ranomasina+ sy ny fisamboaravoarany.+
26 Ary hisy ho safotra noho ny tahotra+ sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.+ Fa hohozongozonina ny herin’ny lanitra.+
27 Ary ny olona hahita ny Zanak’olona+ ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahona.+
28 Fa rehefa manomboka mitranga izany, dia mijoroa ka mitrakà fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”
29 Dia nilaza fanoharana tamin’izy ireo izy hoe: “Diniho ny aviavy sy ny hazo hafa rehetra:+
30 Rehefa hitanareo fa efa mitsimoka izy ireny, dia fantatrareo tsara fa akaiky+ ny fahavaratra.
31 Ary rehefa hitanareo koa fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.+
32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.+
33 Ny lanitra sy ny tany ho levona,+ fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+
34 “Ary mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka+ ary ny fanahiana+ eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka+
35 toy ny fandrika.+ Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany.+
36 Koa miambena hatrany,+ ary mitalahoa mandrakariva+ mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”+
37 Dia nampianatra tao amin’ny tempoly izy ny antoandro,+ fa niala teo kosa izy ny alina, ka nitoetra tany amin’ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva.+
38 Ary tonga vao maraina teo aminy tao amin’ny tempoly ny olona rehetra+ mba hihaino azy.
Fanamarihana
^ A.b.t.: “leptona roa.”