Lioka 3:1-38

3  Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governoran’i Jodia, ary i Heroda+ no lehibem-paritr’i Galilia, fa i Filipo rahalahiny kosa no lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy, ary i Lysania no lehibem-paritr’i Abilena,  tamin’ny andron’i Anasy lehiben’ny mpisorona sy Kaiafa,+ dia tonga tamin’i Jaona+ zanak’i Zakaria ny fanambaran’Andriamanitra, tany an-tany efitra.+  Koa nankany amin’ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana izy, nitory ny batisa izay mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka,+  araka izay voasoratra ao amin’ny boky misy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Injay misy miantso mafy any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.+  Tsy maintsy hototofana daholo ny lalan-driaka, ary haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, ary ny lalana miolakolaka tsy maintsy hahitsy ary ny lalana mikitoantoana hatao mitovy tantana.+  Ary ny nofo rehetra hahita ny fomba hitondran’Andriamanitra famonjena.’”+  Dia hoy izy tamin’ny vahoaka tonga mba hataony batisa: “Ry taranaky ny menarana,+ iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana efa ho avy?+  Koa mamoaza voa mifanentana amin’ny fibebahana,+ ary aza manao anakampo hoe: ‘Manana an’i Abrahama ho rainay izahay.’ Lazaiko aminareo fa vitan’Andriamanitra ny manova ireto vato ireto ho lasa zanak’i Abrahama.  Efa eo am-pototry ny hazo tokoa ny famaky, ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.”+ 10  Hoy ny vahoaka nanontany azy: “Inona àry no tokony hataonay?”+ 11  Hoy izy: “Aoka izay manana akanjo anankiroa hanome ho an’izay tsy manana, ary aoka izay manan-kohanina hanao toy izany koa.”+ 12  Ary na ny mpamory hetra aza mba tonga hatao batisa koa, ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?”+ 13  Hoy izy: “Aza mitaky hetra mihoatra noho ny tokony ho izy.”+ 14  Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: “Ary inona kosa no tokony hataonay?” Dia hoy izy: “Aza mila sotasota amin’olona, na manendrikendrika+ olona, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.”+ 15  Efa niandriandry ny olona ary samy nihevitra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: “Izy angamba no Kristy?”+ 16  Hoy anefa ny navalin’i Jaona azy rehetra: “Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa ho avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.+ Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy ny afo.+ 17  Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana ka hodioviny tsara ny famoloany, ary ny vary hangoniny+ ho ao an-trano fitehirizana azy, fa ny akofa+ sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo+ tsy mety maty.” 18  Nisy fananarana maro hafa koa nomeny, ary nitory hatrany ny vaovao tsara tamin’ny olona izy. 19  Fa nanarin’i Jaona kosa i Heroda lehibem-paritra, noho izy naka an’i Herodiasy vadin-drahalahiny, sy noho ny zava-dratsy rehetra nataony.+ 20  Ankoatra an’ireo zava-dratsy rehetra ireo, dia nataony am-ponja koa i Jaona.+ 21  Rehefa natao batisa daholo ny olona rehetra, dia natao batisa koa i Jesosy.+ Ary nisokatra ny lanitra+ raha mbola nivavaka izy. 22  Dia nidina nankeo amboniny ny fanahy masina izay niendrika voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”+ 23  Telopolo+ taona teo ho eo i Jesosy rehefa nanomboka ny asany.+ Izy ilay zanak’i+Josefa,+ araka ny fiheveran’ny olona,ary Josefa zanak’i Hely, 24  Hely zanak’i Matata,Matata zanak’i Levy,Levy zanak’i Melky,Melky zanak’i Janay,Janay zanak’i Josefa, 25  Josefa zanak’i Matitia,Matitia zanak’i Amosa,Amosa zanak’i Nahoma,Nahoma zanak’i Esly,Esly zanak’i Nagay, 26  Nagay zanak’i Mata,Mata zanak’i Matitia,Matitia zanak’i Semey,Semey zanak’i Joseka,Joseka zanak’i Joda, 27  Joda zanak’i Joanana,Joanana zanak’i Resa,Resa zanak’i Zerobabela,+Zerobabela zanak’i Sealtiela,+Sealtiela zanak’i Nery, 28  Nery zanak’i Melky,Melky zanak’i Ady,Ady zanak’i Kosama,Kosama zanak’i Elmadama,Elmadama zanak’i Era, 29  Era zanak’i Jesosy,Jesosy zanak’i Eliezera,Eliezera zanak’i Joreima,Joreima zanak’i Matata,Matata zanak’i Levy, 30  Levy zanak’i Simeona,Simeona zanak’i Jodasy,Jodasy zanak’i Josefa,Josefa zanak’i Jonama,Jonama zanak’i Eliakima, 31  Eliakima zanak’i Melea,Melea zanak’i Mena,Mena zanak’i Matata,Matata zanak’i Natana,+Natana zanak’i Davida,+ 32  Davida zanak’i Jese,+Jese zanak’i Obeda,+Obeda zanak’i Boaza,+Boaza zanak’i Salmona,+Salmona zanak’i Nasona,+ 33  Nasona zanak’i Aminadaba,+Aminadaba zanak’i Arny,+Arny zanak’i Hezrona,+Hezrona zanak’i Pereza,+Pereza zanak’i Joda,+ 34  Joda zanak’i Jakoba,+Jakoba zanak’i Isaka,+Isaka zanak’i Abrahama,+Abrahama zanak’i Tera,+Tera zanak’i Nahora,+ 35  Nahora zanak’i Seroga,+Seroga zanak’i Reo,+Reo zanak’i Palega,+Palega zanak’i Ebera,+Ebera zanak’i Sela,+ 36  Sela zanak’i Kenana,Kenana zanak’i Arpaksada,+Arpaksada zanak’i Sema,+Sema zanak’i Noa,+Noa zanak’i Lameka,+ 37  Lameka zanak’i Metosela,+Metosela zanak’i Enoka,+Enoka zanak’i Jareda,+Jareda zanak’i Mahalalila,+Mahalalila zanak’i Kenana,+ 38  Kenana zanak’i Enosa,+Enosa zanak’i Seta,+Seta zanak’i Adama,+Adama zanak’Andriamanitra.

Fanamarihana