Lioka 4:1-44

4  Feno fanahy masina i Jesosy rehefa niala avy tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra+ izy, ka nivezivezy tany  efapolo andro,+ ary nalain’ny Devoly fanahy+ nandritra izany. Tsy nihinan-kanina koa izy tamin’izany, ka noana rehefa tapitra ireo andro ireo.  Koa niteny taminy ny Devoly hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo io vato io.”  Fa hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona.’”+  Dia nentin’ny Devoly niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka nasehony azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra manerana ny tany onenana.  Ary hoy ny Devoly: “Homeko anao izao fahefana+ rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako homena azy no omeko azy.+  Koa raha miankohoka+ indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao manontolo izany.”  Fa hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao+ no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’”+  Ary nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny+ tempoly, ary niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any.+ 10  Fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny mba hiaro anao’,+ 11  sy hoe: ‘Hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato mihitsy ny tongotrao.’”+ 12  Dia hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalaza hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’”+ 13  Rehefa avy naka fanahy azy tamin’izany rehetra izany ny Devoly, dia nandao azy mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.+ 14  Niverina tany Galilia+ i Jesosy ary tao aminy ny herin’ny fanahy. Dia niely tany amin’ny faritra manodidina rehetra ny laza tsarany.+ 15  Ary nampianatra tao amin’ny synagoga izy, ka nomen’ny rehetra voninahitra.+ 16  Tonga tany Nazareta,+ tanàna nahabe azy izy, ary niditra tao amin’ny synagoga toy ny fanaony rehefa sabata,+ ka nitsangana hamaky teny. 17  Dia natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany, ary nosokafany ka notadiaviny izay nisy ilay soratra hoe: 18  “Ny fanahin’i Jehovah+ no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory,+ 19  hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.”+ 20  Avy eo, dia nahorony ilay horonam-boky ka naveriny tamin’ny mpikarakara ary nipetraka izy. Nibanjina azy ny mason’izay rehetra tao amin’ny synagoga. 21  Ary hoy izy: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”+ 22  Nidera azy daholo ny rehetra, ary gaga noho ny teny mahafinaritra+ naloaky ny vavany, ka hoy ireo: “Tsy zanak’i Josefa ve io e?”+ 23  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Hampiharinareo amiko tokoa izao ilay fitenenana hoe: ‘Dokotera ô,+ sitrano aloha ny tenanao’, ka hilaza amiko ianareo hoe: ‘Efa renay izay efa nataonao+ tany Kapernaomy+ ka ataovy eto amin’ny taninao koa izany.’”+ 24  Hoy anefa izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy mpaminany ekena ao amin’ny faritra niaviany. 25  Lazaiko marina aminareo, ohatra, fa maro ny vehivavy mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, fony nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana, ka nisy mosary mafy tao amin’ilay tany.+ 26  Tsy nirahina ho any amin’ny anankiray tamin’ireny anefa i Elia, fa ho any amin’ny vehivavy mpitondratena iray tany Zarefata+ any Sidona ihany. 27  Nisy boka maro koa teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy nodiovina ireny na iray aza, afa-tsy i Namàna, ilay lehilahy avy any Syria.”+ 28  Tezitra mafy izay rehetra nandre izany+ tao amin’ny synagoga, 29  ka nitsangana ary nandroaka azy ho any ivelan’ny tanàna. Ary nentin’izy ireo ho any an-tampon’ilay tendrombohitra niorenan’ny tanànany izy, mba hanjerana azy tany amin’ny tevana.+ 30  Namakivaky teo afovoan’ireo anefa izy ka lasa.+ 31  Dia nidina tany Kapernaomy,+ tanàna any Galilia izy, ary nampianatra ny olona tamin’ny sabata, 32  ka nitolagaga ireo noho ny fomba fampianany,+ satria feno fahefana ny teniny.+ 33  Ary nisy lehilahy nipetrahan’ny fanahy, na demonia maloto, tao amin’ny synagoga.+ Nikiakiaka mafy izy hoe: 34  “Fa misy zavatra iombonanay aminao angaha moa,+ ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga mba handringana anay ve ianao? Fantatro+ tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra e!”+ 35  Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, ary mivoaha aminy!” Dia nivoaka ilay demonia rehefa avy nanjera an’ilay lehilahy teo afovoan’ny olona, nefa tsy nandratra azy.+ 36  Gaga avokoa ny rehetra ka nifampiresaka hoe: “Teny manao ahoana loatra izany lazainy izany? Fa na ny fanahy maloto aza baikoiny amin’ny fahefana sy ny hery ka mivoaka.”+ 37  Ary niely nanerana ny faritra manodidina ny vaovao momba azy.+ 38  Nitsangana izy, ka niala tao amin’ny synagoga, ary niditra tao an-tranon’i Simona. Nanavy be ny rafozambavin’i Simona, ka nangataka an’i Jesosy hanasitrana azy izy ireo.+ 39  Dia nitsangana teo akaikin-dravehivavy izy, ary noteneniny mafy ny fanaviana+ ka niala. Dia niarina avy hatrany ravehivavy ka nikarakara an’ireo.+ 40  Ary izay rehetra nanana olona mararin’ny aretina samihafa dia nitondra ny marariny tany aminy, rehefa hilentika ny masoandro. Nametra-tanana tamin’ny tsirairay taminy izy mba hanasitranany azy.+ 41  Nivoaka koa ny demonia tamin’ny olona maro,+ ka niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”+ Noteneniny mafy anefa ireo ka tsy navelany hiteny,+ satria fantatr’ireo+ fa izy no Kristy.+ 42  Rehefa maraina ny andro, dia niala teo izy ka nankany amin’ny toerana nitokana.+ Nikaroka azy anefa ny vahoaka, ary tonga tany aminy mihitsy, ka nitady hihazona azy mba tsy hialany teo amin’izy ireo. 43  Fa hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”+ 44  Dia nanohy ny fitoriany tao amin’ireo synagoga tany Jodia tokoa izy.+

Fanamarihana