Lioka 5:1-39

5  Nijoro teo amoron’ny farihin’i Genesareta+ i Jesosy indray mandeha, ary nifanesika teo aminy ny vahoaka, nihaino ny tenin’Andriamanitra.  Ary nahita sambokely roa niantsona teo amorom-parihy izy. Efa tsy tao an-tsambokely ny mpanarato fa nanasa ny haratony.+  Koa niakatra tao amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona i Jesosy, ka nangataka azy hihataka kely amin’ny morony. Dia nipetraka izy, ary avy tao an-tsambokely+ no nampianarany ny vahoaka.  Rehefa tapitra ny teniny, dia hoy izy tamin’i Simona: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo+ hahazoanareo trondro!”  Hoy anefa i Simona: “Mpampianatra ô, efa niasa mafy nandritra ny alina manontolo izahay, saingy tsy nahazo mihitsy.+ Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.”  Nahazo trondro maro be anefa izy ireo rehefa nanao izany, ka nisy rovitra ny harato.  Koa nisy fihetsika nataon’izy ireo mba hiantsoana ny namany teny amin’ny sambokely hafa mba ho tonga hanampy azy.+ Dia tonga ireo ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saika nilentika.  Koa nandohalika teo anoloan’i Jesosy i Simona Petera+ rehefa nahita izany, ka nanao hoe: “Tompo ô, mialà amiko fa mpanota aho.”+  Talanjona mantsy izy sy izay rehetra niaraka taminy noho ny trondro azony. 10  Talanjona toy izany koa i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio,+ izay iray asa tamin’i Simona. Hoy anefa i Jesosy taminy: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.”+ 11  Koa naverin’izy ireo teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra ireo ka lasa nanaraka azy.+ 12  Indray mandeha koa, raha mbola tao amin’ny tanàna anankiray izy, dia io fa nisy lehilahy rakotry ny habokana tao. Niankohoka io raha vao nahita an’i Jesosy, ka niangavy hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”+ 13  Dia nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy sady nanao hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana.+ 14  Ary noraran’i Jesosy ilay lehilahy mba tsy hilazalaza amin’olona,+ ka hoy izy taminy: “Mandehana kosa miseho any amin’ny mpisorona,+ ary manaova fanatitra+ noho ny nanadiovana anao, araka ny nandidian’i Mosesy, mba ho porofo amin’izy ireo fa sitrana ianao.”+ 15  Vao mainka niely anefa ny resaka momba azy, ka nisy vahoaka be tonga hihaino sy hositranina tamin’ny aretiny.+ 16  Nitoetra irery tany an-tany efitra anefa izy ary tsy nitsahatra nivavaka.+ 17  Indray andro, raha nampianatra izy, dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo. Avy any amin’ny tanàna kely rehetra any Galilia sy Jodia ary Jerosalema, izy ireo. Ary tao amin’i Jesosy ny herin’i Jehovah mba hanasitranany ny marary.+ 18  Ary indreo nisy olona nitondra lehilahy iray nalemy, izay nolanjainy teo ambonin’ny fandrianany. Nitady fomba hampidirana azy sy hametrahana azy teo anoloan’i Jesosy izy ireo.+ 19  Tsy nahita fomba anefa ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka. Koa niakatra tao an-tampon-trano ireo, ary nampidina azy mbamin’ilay fandriana keliny avy teo amin’ny tafo tanimanga, mba ho eo amin’ny olona izay teo anoloan’i Jesosy.+ 20  Rehefa hitan’i Jesosy ny finoan’ireo, dia hoy izy: “Voavela ny helokao, ralehilahy.”+ 21  Koa nieritreritra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoe: “Iza koa ity manevateva an’Andriamanitra ity?+ Iza no afaka mamela heloka afa-tsy Andriamanitra ihany?”+ 22  Takatr’i Jesosy anefa ny eritreriny, ka hoy izy: “Inona izao eritreretinareo ao am-ponareo izao?+ 23  Fa inona no mora kokoa: Ny milaza hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny milaza hoe: ‘Mitsangàna ka mandehana’?+ 24  Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana eto an-tany hamela heloka ny Zanak’olona...”, dia hoy izy tamin’ilay nalemy: “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriana kelinao ary mandehana mody.”+ 25  Dia nitsangana avy hatrany teo anatrehan’ireo izy, ka nibata ny fandrianany ary lasa nody, sady nanome voninahitra an’Andriamanitra.+ 26  Ary zendana+ ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Raiki-tahotra koa izy ireo ka nanao hoe: “Zavatra hafahafa koa iny hitantsika androany iny!”+ 27  Taorian’izany, dia nivoaka izy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: “Andao hanara-dia ahy.”+ 28  Dia nandao ny zava-drehetra+ izy ka nitsangana ary nanaraka azy. 29  Ary nanao fanasambe ho an’i Jesosy i Levy, tao an-tranony. Nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa tao, ka samy nandry ilika* hisakafo ireo.+ 30  Ary nimenomenona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna teo aminy hoe: “Fa nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”+ 31  Fa namaly i Jesosy hoe: “Tsy ny salama no mila dokotera,+ fa ny marary.+ 32  Ary tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.”+ 33  Hoy ireo: “Nifady hanina matetika ny mpianatr’i Jaona sady nitalaho tamim-bavaka. Nanao toy izany koa ny mpianatry ny Fariseo, fa ny anao kosa mihinana sy misotro.”+ 34  Dia hoy i Jesosy taminy: “Vitanareo ve ny mampifady hanina ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra?+ 35  Ho avy tokoa anefa ny andro hanesorana ny mpampakatra+ tsy ho eo aminy,+ ka amin’izany andro izany izy ireo vao hifady hanina.”+ 36  Ary nilaza fanoharana taminy izy hoe: “Tsy misy olona maka tapa-damba avy amin’ny akanjo vaovao ka manjaitra izany eo amin’ny akanjo tonta. Raha izany mantsy, dia sady handrovitra an’ilay akanjo tonta ilay tapa-damba vaovao no tsy hifanentana aminy koa.+ 37  Tsy misy koa manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Fa raha izany, dia hamaky ilay siny hoditra+ ilay divay vaovao, ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny hoditra.+ 38  Divay vaovao no tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. 39  Ary tsy misy olona nisotro divay efa niotrika ela ka hangataka divay vaovao, satria hoy izy: ‘Ny ela+ no tsara.’”

Fanamarihana

Jereo Mt 8:11 f.a.p.