Lioka 8:1-56

8  Lasa nitety tanàna sy vohitra i Jesosy, fotoana fohy taorian’izany, ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.+ Ary niaraka taminy ny roa ambin’ny folo lahy,  sy ny vehivavy+ sasany izay efa sitrana na dia efa nisy fanahy ratsy sy narary aza, mbamin’i Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ny demonia fito,+  sy Johana,+ vadin’i Koza, mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Heroda, sy Sosana ary vehivavy maro izay samy nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny mpianany.  Rehefa nisy vahoaka be tafavory teo, niaraka tamin’ny olona izay nanatona azy avy tamin’ny isan-tanàna, dia nilaza izao fanoharana izao izy:+  “Nisy mpamafy nivoaka mba hamafy ny voany. Ary rehefa namafy izy, dia latsaka teo amoron-dalana ny voa sasany, ka voahitsakitsaka sady lanin’ny voro-manidina.+  Ny sasany latsaka teo ambony vatolampy, ary nitsimoka, saingy nalazo nony avy eo, satria tsy nisy mandomando.+  Ny sasany indray latsaka teny amin’ny tsilo, ary niara-naniry taminy ny tsilo ka nangeja azy.+  Ny sasany latsaka teo amin’ny tany tsara, ary nitsimoka ka namokatra avo zato heny.”+ Rehefa vita izany teny izany, dia niantsoantso izy hoe: “Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.”+  Ary nanontany azy ny amin’izay mety ho hevitr’ilay fanoharana ny mpianany.+ 10  Dia hoy i Jesosy: “Ianareo no navela hahazo ny hevitry ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra. Fa fanoharana+ kosa no atao amin’ny olon-kafa, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy ho azony ny heviny.+ 11  Izao no hevitr’iny fanoharana+ iny: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.+ 12  Ireo teo amoron-dalana dia izay mandre+ izany, saingy avy ny Devoly+ ka manaisotra ny teny tsy ho ao am-pony, sao hino izy ka ho voavonjy.+ 13  Ireo teo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny, ary mandray izany amim-pifaliana, saingy tsy manam-paka ireny voa ireny. Koa mino vetivety fotsiny izy, dia miala rehefa tojo fotoam-pitsapana.+ 14  Ary ireo latsaka teny amin’ny tsilo, dia izay mandre saingy voavilin’ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ity+ fiainana ity ka voageja tanteraka, ary tsy mahavanom-boa.+ 15  Ary ireo teny amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny amin’ny fo tsara sy mahitsy,+ ka mitahiry izany ao am-pony, ary mamoa amin’ny fiaretana.+ 16  “Tsy misy olona mandrehitra jiro ka manarona azy amin-javatra, na mametraka azy ao ambany fandriana, fa ataony eo amin’ny fitoeran-jiro kosa izy mba hahita hazavana ny olona miditra.+ 17  Fa tsy misy zavatra afenina+ izay tsy haseho, na zavatra tsara afina ka tsy ho fantatra mihitsy na tsy hiharihary mihitsy.+ 18  Koa tandremo ny fomba fihainoanareo, satria izay manana dia homena bebe kokoa.+ Fa izay tsy manana kosa, na izay heveriny fa ananany aza dia halaina aminy.”+ 19  Ary nankany amin’i Jesosy ny reniny sy ny rahalahiny,+ nefa tsy tody teo aminy noho ny habetsahan’ny vahoaka.+ 20  Koa nisy nilaza taminy hoe: “Mijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, te hihaona aminao.”+ 21  Hoy ny navaliny azy ireo: “Ireto mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra ireto no reniko sy rahalahiko.”+ 22  Indray andro, dia niakatra tao an-tsambokely izy sy ny mpianany ka hoy izy tamin’ireo: “Andao ho eny ampitan’ny farihy.” Dia lasa izy ireo,+ 23  kanefa azon-tory izy raha mbola teny ambony sambokely. Ary nisy tafio-drivotra nahery nidina teo amin’ilay farihy, ka nihafeno rano ilay sambokely, ary nananontanona ny loza.+ 24  Dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianany tamin’ny farany ary namoha azy, ka nanao hoe: “Mpampianatra ô, Mpampianatra ô! Ho faty isika!”+ Dia niarina izy, ka niteny mafy+ ny rivotra sy ny rano nisamboaravoara ka nitsahatra ireo, ary nanjary tony ny andro. 25  Ary hoy izy tamin’ireo: “Fa aiza izay finoanareo?” Raiki-tahotra anefa ireo, sady gaga ka nifampiresaka hoe: “Fa iza marina àry izy ity? Fa baikoiny hatramin’ny rivotra sy ny rano ka mankatò azy!”+ 26  Tody tany amin’ny faritra nisy ny Gerasianina, tandrifin’i Galilia, izy ireo.+ 27  Rehefa niakatra an-tanety anefa i Jesosy, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nifanena taminy. Nisy demonia izy io ary efa ela no tsy niakanjo sady nitoetra teny am-pasana+ fa tsy tao an-trano. 28  Niantsoantso mafy izy raha vao nahatazana an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany, ka niteny mafy hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa,+ ry Jesosy Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra? Miangavy anao aho, aza dia ampijalina re aho e!”+ 29  Nodidiany hivoaka tamin’ilay lehilahy mantsy ilay fanahy maloto. Efa ela izy io no nangeja azy,+ ary nofatorana matetika tamin’ny rojo vy sy gadra vy ilay lehilahy ka nambenana, nefa notapahiny ny fatorany ary nentin’ilay demonia tany amin’ny toerana nitokana izy. 30  Ary nanontany azy i Jesosy hoe: “Iza no anaranao?” Dia hoy izy: “Andian-tafika”, satria demonia maro no niditra tao amin’ilay lehilahy.+ 31  Niangavy+ azy foana ireo mba tsy handidy ny handefasana azy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.+ 32  Ary nisy kisoa+ be dia be nandrasana teo amin’ilay tendrombohitra. Koa niangavy an’i Jesosy ireo demonia mba havelany hiditra tao amin’ireo kisoa ireo,+ ka navelany. 33  Dia nivoaka tamin’ilay lehilahy ny demonia, ka niditra tao amin’ireo kisoa. Ary nirifatra nankeny amin’ny hantsana ilay andian-kisoa, ka nivarina tany amin’ny farihy, ary maty an-drano.+ 34  Dia nandositra ireo mpiandry kisoa rehefa nahita izay nitranga, ka nitantara izany tany an-tanàna sy tany ambanivohitra.+ 35  Ary nivoaka ny olona mba hijery izay nitranga, ka tonga teo amin’i Jesosy ary nahita an’ilay lehilahy nivoahan’ny demonia. Efa niakanjo sady efa salama saina ralehilahy, ary nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy. Koa natahotra ny olona.+ 36  Ary izay nahita izany dia nitantara tamin’ny olona ny fomba nanasitranana an’ilay lehilahy nisy demonia.+ 37  Dia nangataka an’i Jesosy mba hiala teo ny olona rehetra avy any amin’ny manodidina ny tanin’ny Gerasianina, satria raiki-tahotra loatra izy ireo.+ Koa lasa niakatra tao an-tsambokely izy ka niala teo. 38  Niangavingavy ny hiaraka taminy anefa ilay lehilahy nivoahan’ny demonia. Fa nasain’i Jesosy nandeha izy, ka nataony hoe:+ 39  “Mandehana mody any an-tranonao, ary lazao foana amin’ny olona ny zavatra nataon’Andriamanitra taminao.”+ Dia lasa tokoa izy, nitory eran’ilay tanàna ny zavatra nataon’i Jesosy taminy.+ 40  Nandray tsara an’i Jesosy ny vahoaka rehefa tafaverina izy, satria efa niandry azy ny rehetra.+ 41  Nanatona anefa ny lehilahy atao hoe Jairo, izay mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy, ary niangavy azy mba hankany an-tranony.+ 42  Efa ho faty mantsy ny zanany vavitokana,+ izay roa ambin’ny folo taona teo ho eo. Koa nandeha i Jesosy, ary nifanesika teo aminy ny vahoaka.+ 43  Ary nisy vehivavy nandeha ra+ efa nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nefa tsy nisy nahasitrana azy mihitsy.+ 44  Koa nanatona an’i Jesosy avy tao aoriana izy, ary nikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry+ ny akanjony ivelany,+ ka nijanona avy hatrany ny ra.+ 45  Ary hoy i Jesosy: “Iza no nikasika ahy teo?”+ Nanda anefa ny rehetra ka hoy i Petera: “Mpampianatra ô, ny vahoaka no manery anao manodidina sady mifanesika eo aminao!”+ 46  Fa hoy i Jesosy: “Nisy olona nikasika ahy teo, satria tsapako fa nisy hery+ nivoaka tamiko.”+ 47  Hitan-dravehivavy fa nisy nahatsikaritra ihany izy, dia nanatona izy ary nangovitra ka nandohalika teo anatrehany. Ary nampahafantariny teo imason’ny olona rehetra ny antony nikasihany azy sy ny fomba nahasitrana azy teo no ho eo.+ 48  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Ny finoanao no nahasitrana anao,+ anaka. Mirary soa ho anao aho!”+ 49  Ary raha mbola niteny izy, dia nisy olona tonga avy any an-tranon’ilay mpitantana ny synagoga nilaza hoe: “Maty ny zanakao, fa aza manahirana ny mpampianatra intsony.”+ 50  Ren’i Jesosy izany, ka hoy izy: “Aza matahotra! Minoa fotsiny+ dia ho voavonjy izy.” 51  Rehefa tonga teo amin’ilay trano i Jesosy, dia tsy nisy navelany hiditra afa-tsy i Petera sy Jaona sy Jakoba ary ny ray aman-drenin’ilay zazavavy.+ 52  Nitomany daholo ny olona sady nikapo-tratra noho ny alahelony an-drazazavavy. Koa hoy i Jesosy: “Aza mitomany intsony,+ fa tsy maty izy fa matory.”+ 53  Dia nihomehezan’ireo izy, satria fantatr’izy ireo fa maty razazavavy.+ 54  Nandray ny tanany anefa i Jesosy, ka niantso hoe: “Ry zazavavy, miarena!”+ 55  Dia nody indray ny ainy,*+ ka niarina+ avy hatrany izy ary nasain’i Jesosy nomena hanina.+ 56  Ary faly loatra ny ray aman-dreniny, kanefa tsy navelan’i Jesosy hilazalaza tamin’olona momba izay nitranga izy ireo.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.